Nahangona lahatsoratra 70 manana endrika PDF sady azo alaina maimaim-poana ny bilaogy OyeJuanjo izay tarihin'i Juanjo Dioses, tanora mpanao gazety Peroviana ary fantatra amin'ny fampielezana lahatsoratra sy loharanom-baovao fanabeazana ka anaovana famakafakana sy ifanakalozan-kevitra momba ireo zava-mitranga isan-karazany amin'ny alalan'ny fomba fijery miisa roa: ny feminisma sy ny kolontsaina .
Hita ao anatin'ireo lahatsoratra ny fanadihadiana, ny lahatsoratra akademika [fandinika eny amin'ny oniversite?] sy ny fifanakalozan-kevitra amin'ny lohahevitra mahasahana kolontsaina sy politika , ny siberfeminisma na fanadihadiana momba ny sarin'ny vehivavy ao amin'ny sarimiaina na tantara an-tsary. Ilay mpanao hoso-doko Meksikana sady olomangan'ny tolon'ny vehivavy, Frida Kahlo, no eo anivon'ny fanadihadiana maro ao amin'ireo lahatsoratra ireo. Savasavaina ao amin'ny vatana sy ny vondron'olona ihany koa ny Santionan-pahefana sy ny tsindrilentam-pahefana anatiny sy ivelan'ny aterineto. Raha fintinina, dia hita ao ny dingana amin'ny tontolo ara-tsaina mahaliana ao anatin'ny tolon'ny miralenta sy ny tontolo manodidina azy ireo.