Tantara, Tambajotra Sy Sarin'ny Fikambanana Izay Mety Hanova Ny Fomba Fiainana Ao Caracas

Como cuenta Adriana Herrera: "Son muchas las personas que van por ahí llenas de optimismo, inventando proyectos y haciéndolos posibles en esta capital que está llena de contrastes. Cada grupo, cada intento, es un respiro para los caraqueños y estos son sólo algunas de las iniciativas que van dejando su huella positiva en la ciudad." Fotografía de Caracas tomada de Wikimedia Commons. Perteneciente al Dominio Público.

Hoy i Adriana Herrera: “Maro ny olona no mandeha feno fanantenana mba hanangana tetikasa ary mikasa ny hanatanteraka izany ao an-drenivohitra feno fifangarihan'endrika. Ny vondrona tsirairay, ny fikasana tsirairay, no manome aina ho an'ny Caracas ary santionany fotsiny amin'ny fandraisana an-tanana izay mamela asa mivaingana ao an-drenivohitra ireo.” Sarin'i Caracas tao amin'ny Wikimedia Commons. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Nanangona santionany tamin'ny asa vitan'ireo tambajotra sy fikambanana Venezoelana maro tao amin'ny tranonkala MatadorNetwork i Adriana Herrera mba hanomezana fanantenana eo anivon'ny krizy ara-toekarena sy ara-politika izay nanamaloka ny faravodilanitr'i Venezoela. Misy ireo fikambanana sasany no manao izay handraisan’ ireo olom-pirenena  anjara ary ny hafa kosa namelona ny  famoronana ara-javakanto. Ao anatin'izany rehetra izany, mitsangana mihahita maso eo amin'ny asa andavanandro ny fahavononana, miara-mivondrona sy manana tanjona iraisana ao anaty tontolo sarotra.

Azo jerena ao amin'ny lahatsoratra ôrizinaly ny lisitra feno, ary azo arahina ao amin'ny Facebook sy Instagram ireo fikambanana. Araka izany, teraka avy amin'ny tambajotra sosialy ny asan'ny vondrona toy ny “Mi Convive” (namako), fikambanana manana tanjona sy hafanam-po mazava :

Los convives trabajamos por una meta muy concreta: “A la vuelta de 10 años queremos que Caracas salga de la lista de las 10 ciudades más peligrosas y entre en la lista de las 10 ciudades más visitadas de Latinoamérica” […]Trabajamos junto a la comunidad y diferentes organizaciones sociales en el desarrollo de actividades y proyectos que permitan disminuir los índices de violencia en los sectores populares de Caracas.

Miasa ao anatin'ny tanjona mazava ny nasaina: “Tao anatin'ny 10 taona isika, te-hanala an'i Caracas tao anatin'ny lisitry ny renivohitra 10 mampidi-doza indrindra ary ho ao anatin'ny lisitry ny renivohitra 10 be mpitsidika indrindra eto Amerika Latina” […] Miara-miasa amin'ny fokonolona sy ny fikambanana ara-tsosialy isan-karazany isika eo amin'ny fampandrosoana ny asa sy ny tetikasa hampihenana ny haavon'ny herisetra any amin'ny toerana be olona ao Caracas.

Iray amin'ireo tetikasa izay nasongadina tao amin'ny lisitra ny Sonorámica.  Niely tamin'ny alalan'ny mozika iombonana amin'ny sehatra samihafa ny tononkalo tao Sonorámica avaratra. Misy amin'ireo hetsika no azo jerena ao amin'ny pejiny Facebook, izay manazava ihany koa ny ampahany amin'ny antony mampazoto azy ireo:

Sonorámica es una panorámica sonora que registra algo más completo que el paisaje: un país, su poesía, sus sonidos y su tiempo puestos en evidencia para confirmar que, siendo diversos, tenemos una memoria compartida hecha de imágenes que saben sonar.

Sonorámica enregistre plus complet que le paysage un son panoramique: un pays, sa poésie, ses sons et le temps mis en évidence pour confirmer que, étant différent, nous avons une mémoire partagée en images qui connaissent sonar. Mandrakitra feo mahatoraka lavitra izay feno kokoa noho ny talaky maso ny Sonorámica : firenena iray, ny tononkalony, ny feo ary ny fotoana napetraka hanamafisana fa na dia samihafa sy isan-karazany aza dia manana fahatsiarovana iraisana an-tsary manana feo isika .

Miorina amin'ny fisavasavana raviny ny talaky maso [endri-tany] sy ny fahatsiarovana ireo fikambanana hafa, miala voly mitsidika ny tanàna amin'ny alalan'ny bisikileta na mamantatra ny tantarany tsy mahazatra. Miisa 16 ny fitambaran'ireo lisitry ny vondrona, izay hanome tolo-kevitra mahaliana maro ho an'ireo olom-pirenena manda ny tsy hiray volo amin'ny [hevi-tokana=loko tokana] hiaritra hijaly amin'ny fotoan-tsarotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.