Karazam-Pihetseham-po Manoloana ny Teatira Vaovao Ao Podil, Kyev

Source: YouTube.

Sary: Aleksandr Kozachenko, YouTube.

Tamin'ny Talata,  nanala ny voalin'ny “Trano Fanaovana Tantara An-tsehatra ao Podil,Kyev ” vaovao ireo mpiasa mpanao fanorenana eo amin'ny arabe fidinana Andriyivskyy, iray amin'ireo arabe tranainy indrindra ao an-tanàna. Niarahaba ny  trano fanaovana teatra vao naorina indray ny mpitazana, izay efa simba tao anatin'ny roapolo taona farany, izay notsenain'ny fihetseham-po mifandrirotra: nitehaka sy faly tamin'ny endriky ny famolavolana ny sasany raha nitsikera ny endriny maoderina sy nihirahira hoe “maha-menatra!” kosa ny hafa rehefa nanala ny sarona nanakonana ny tranobe ireo mpiasa .

Ny fampisehoana ny trano fanaovana fampisehoana tantara an-tsehatra vaovao ao Kyiv pic.twitter.com/EnrjAXSgwU

Nanomboka noho ny asa soa nataon'ny vadin'ny filoha, Marina, ny tetikasa fanarenana izay nanomboka tamin'ny taona 2015, ary nahazo fanohanana ara-bola noho ny antony fanaovantsoa avy amin'ny orinasan'ny filoha Okrainiana Petro Poroshenko antsoina hoe Roshen. Nilaza tamin'ny mpanao gazety nandritra ny fanesorana ny rakotra i Yuriy Sak, mpiandraikitra ny fifandraisam-bahoaka sady iray amin'ireo mpilalao teatra fa “mifankahazo tsara” amin'i Marina Petroshenko ny iray amin'ny mpiasan'ny orinasan'ny teatra amin'izao fotoana : “Afaka nifanaraka ry zareo. nanazava fotsiny  tamin'izy ireo mivantana izy ireo: raha tsy hoe nisy angaha ny mpampiasa vola tsy miankina tonga , tsy nety vita ilay izy. Tsy vita mihitsy, satria mangala-bola hatrany ny olona. Izany no zava-misy amin'izao fotoana. Raha vao tonga ny mpampiasa vola tsy miankina, mitsangana ny fefy, tonga ny mpiambina, atao ny asa, tsy misy mangalatra na inona na inona. [Vita izany] herintaona sy tapany aty aoriana . “

Lasa niharava sy nihanjaka ny trano teatira tranainy; na dia mbola tsy simba aza ny firafitry ny tranobe ao anatiny, namboatra  faritra maro tamin'ny trano ireo mpiasa mpanao fanorenana, hoy i Sak hoe: “rava ny toerana nandritra ny 20 taona, ratsy tanteraka, “. “Ary manana zavatra hireharehana isika ankehitriny” hoy ihany i Sak.

Noeritreretina  haorina tahaka ireo tranobe manamorona ny Fidinana Andriyivskyy ny trano fanaovana teatira tany am-boalohany, kanefa namolavola ny tranobe tamin'ny endriny hafa i Oleg Drozdov, ilay mpanao mari-tranon'ny tetikasa teraka tao Kharkiv tamin'ny farany . Nilaza ireo mpanohana ny trano fanaovana tantara tsangana fa tonga ny fotoana hanomezana an'i Kyev maritrano miendrika ny taonjato faha-21. Nilaza tamin'ireo mpanao gazety i Sak fa ny tranobe, izay manana foto-drafitrasa ho an'ny olona manana fahasembanana, dia hanana sehatra maoderina sy fampitaovana hazavana maoderina. “Raha toa manorina teatira ianao amin'ny taona 2016, dia aleo manangana tsara tarehy iray. Ataovy ny fananganana ka rehefa tonga eto Okraina ny olona dia hilaza izy ireo hoe: ‘ mandehana ianao mba hizaha izany.’ “

Kanefa milaza ireo mpitsikera fa tsy mifanentana  amin'ireo trano ara-tantara manamorona ny arabe ny endrika maoderina nomena ny tranobe, anisan'izany ny biriky volontany mazava sy ny vy mainty anoloan'ny tranobe . Nilaza tamin'ny fahitalavitra 112 i Yaroslav Emelyanenko ,mponina  ao Kyev hoe:

Пока шло строительство, все были убеждены, что фасад временный, “монтажный”. Но подходит время открытия и занавес приподняли. Оказалось, что здание театра, расположенного в сердце старинного Киева после реконструкции планируется запустить в таком виде. То, что мы сегодня увидели – это дизайн крематория, промышленной вентиляционной системы. Или 1-2 блоков ЧАЭС, которые советские инженеры и архитекторы также реализовали с помощью чёрных кубических строений.

Raha mbola teo am-panamboarana ny toerana, nieritreritra ny rehetra fa vonjimaika hanaovana “toeram-pivoriana” ny endrika anoloan'ny tranobe. Kanefa tonga ny fanokafana ary noesorina ny lamba fanakonana . Raha ny fandehany, naorina mihitsy tamin'io endrika io ny trano fanaovana teatira ao afovoan-tananan'i Kyev. Tahaka ny firafitry ny toerana fandoroana faty (Crématorium) ny hitantsika amin'izao fotoana izao, ahitana rafitra fampidirana sy famoahan-drivotra any amin'ny indostria. Na toy vondron-trano voalohany sy faharoa  ao amin'ny foibe nokleary Chernobyl ihany koa ary naorin'ny injeniera sy ny mpanao maritrano Sovietika amin'ny rafitra gaoba miloko mainty .

Maro ny mpitsikera tao amin'ny media sosialy no nampiasa ny tenirohy # ТеатрНаПодолі [Teatra ao Podil] mba hanehoan'izy ireo ny tsy fahafaliany.

Mbola tsara kokoa ny vatapaty mandrakotra ny milina mpamelona aratra ao Chernobyl noho ny #театрНаПодолі.

Nisioka momba ireo sary sady nampitaha ny firafitry ny trano tamin'ny firafitra hafa ireo kaonty maka tahaka ao amin'ny Twitter amin'ny “Teatira ao Podil” .

Te hampahafantatra anao ny zandriko lahy aho. Tsy trano teatira fa mbola mialoha azy ny zava-drehetra [Teatira ao Podil] #театрНаПодолі

Ary ity no havanay, izay mipetraka any Etazonia [Teatira ao Podil] #театрНаПодолі

Namoaka sarin'ny trano natao photoshop mitovy amin'izany ihany koa ny kaonty maka tahaka ao amin'ny Instagram.

Sary nalefan'ny  Театр на Подолі (@podiltheeatre) 29 

Sary nalefan'ny  Театр на Подолі (@podiltheeatre) 29 

“The unique original” vs. “the pathetic copy”

“Ny ôrizinaly tsy manam-paharoa ” ampitahao amin'ny “dika mitovy mampalahelo”

Nomanina hosokafana ara-potoana amin'ny “Fetiben'i Kyev ” fety manokan'ny renivohitra izay ankalazaina ny faran'ny herinandro farany amin'ny volana Mey, ny Teatira, .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.