- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manala Sivana Facebook Amin'ny Sary Nonom-behivavy Ireo Mpikatroka Breziliana

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, GV Mpisolovava
Screen capture from Mamilo Livre (Free the Nipple) homepage. [1]

Pikantsary avy amin'ny pejy fandraisan'i Mamilo Livre (Nono Afaka).

Tamin'ny Septambra 2016, nanatontosa ny fanentanana Mamilo Livre [2] (Nono Afaka [Miseho]), mampiseho sary pirinty misy nonon-dehilahy sy vehivavy ilay psikology sady bilaogera Leticia Bahia sy ilay mpaka sary Julia Roberts, ny tanjona dia hanohitra ny fanaovana ny nonom-behivavy ho zavatra sy hiaro ny fiandrianan'ny tsirairay amin'ny vatany. Satria nanentana ny olona hanonta printy sary avy ao amin'ny tranonkalan'ny fanentanana sy hamoaka azy ireo eny amin'ny sehatra ho an'ny daholobe ny fanentanana, dia hita manerana ny tanàna Breziliana marobe [3]ny afisy.

Satria nanomboka namoaka ny sarin'ny fanentanana tao amin'ny media sosialy ny olona, niatrika sakana tsy hita eny amin'ny tontolo ivelan'ny aterineto izy ireo [4]: nosakanan'ny Facebook ny sary rehetra mampiseho vehivavy ary naato ireo namoaka izany. Anisan'izany izy roa mpanorina ny fanentanana [5], sy ny pejy AzMina – gazetiboky nomerika momba ny vehivavy izay manana mpanjohy maherin'ny 80k, ary nanampy nanohana ny fanentanana tamin'ny fombany.

Vao haingana izay i Julia sy Leticia no namolavola fomba hialàna amin'ny sivana ataon'ny Facebook: raha zarazarainao ho sary efatra samihafa ny sarin'ny nono ary avoakanao avy eo, havoakan'ny Facebook ao amin'ny fifamoivoizan'ny olona toy ny mozaika izany, izay ho hita maso tanteraka ny nono – saingy mbola tsy hita manontolo amin'ny sary iray, noho izany, tsy hitan'ny rafitrany

Namorona fampiharana afaka hampidiran'ny mpiserasera ny sarin'ny nonon'izy ireo izay ho zaraina sary efatra samihafa avy eo ny tranonkalan'ny fanentanana [1].

Anisan'ny ampahan'ny tetikasa taloha indrindra noforonin'i Julia Rodrigues ny sarin'ny fanentanana: Ao amin'ny pejy Facebook antsoina hoe “Pode Não Pode” (Azonao atao, tsy azonao atao), nampiditra sarin-dehilahy sy vehivavy mampiseho ny nonon'izy ireo izy ary namela ny tambajotra hamafa izay hitany fa tsy mendrika – nofafan'ny teknolojian'ny Facebook avy hatrany izay sary mampiseho nonom-behivavy. Ny vokatra azo dia tsy voakitika mihitsy ny raki-tsary ahitana sarin-dehilahy mampiseho ny nonony, raha voarakitra marika mainty na notakonana kosa ny nonom-behivavy.

Araka ny fanazavany ao amin'ny pejin'ny tetikasa [6]:

Essas fotos fazem parte de um experimento meu dentro do facebook. Pessoas de todos os generos posaram para mim com o torso nu, sem apelo sexual ou pornografico. Quais fotos serão consideradas impróprias pelo público e pelo sistema do facebook? Quais serão as diferenças reais entre um retrato e outro? O que seria tão ofensivo em um mamilo que não é ofensivo em outro?

Anisan'ny ampahan'ny fanandramana nataoko tao anatin'ny Facebook ireo sary ireo. Nety nalaiko sary miaraka amin'ny nonon'izy ireo, tsy misy fisarihana firaisana ara-nofo na sary vetaveta ny olona lahy sy vavy. Inona no sary heverina fa tsy mendrika ho an'ny daholobe sy ho an'ny rafitry ny Facebook? Inona no tena fahasamihafana eo amin'ny sary iray sy ny sary iray hafa? Inona no manafintohina amin'ny nono tsy ao amin'ny hafa?

Mandràra izay “votoaty mampihoro-koditra” rehetra maka sarin'ny tratran'ny vehivavy, fa tsy ny an'ny lehilahy ny sehatra media sosialy tahaka ny Facebook [11] sy Instagram [12] (Facebook no tompony). Notoherin'ireo mpikatroka manerantany [13]tao anatin'ny taona vitsivitsy izany. Tamin'ny taona 2014, nanadihady ny lalàna momba ny zava-betaveta Amerikana  tao Etazonia ny lahatsary fanadihadian'i Lina Esco “Free the Nipple”, voaràra ao amin'ny fanjakana 13 Amerikana ny fampisehoana nono imasom-bahoaka ataon'ny vehivavy  .

Mitovy amin'izany koa ny lalàna momba ny zava-betaveta ao Brezila – ny vehivavy mampiseho nono imasom-bahoaka dia mety iharan'ny fehezan-dalàna famaizana Andininy faha-233 ao amin'ny firenena, izay manasazy ny hetsika vetaveta imasom-bahoaka. Na dia miha-vitsy [14]aza ireo tranga fanagadrana vehivavy noho izany, dia tsy mahazaka mahita vehivavy mampiseho nono imasom-bahoaka loatra kosa ny fiarahamonina Breziliana. Toy ny fahatairana ho an'ireo vahiny marobe tonga mitsidika ny tora-pasika Breziliana malaza izany. Saingy eny tokoa, tsy tahaka ireo tora-pasika Eoropeana, izay mahazatra ny mampiseho nono, tsy azo ekena velively ny mampiseho nono (raha vehivavy ianao) ao Brezila.

Raha nitsidika an'i Rio de Janeiro mba hanatanteraka atrikasa ny ekipa Danoà ara-panatanjahantena tamin'ny taona 2013, nitsilailay maka masoandro tsy nisy tako-nono tao Copacabana izy ireo ary tratran'ny mpaka sarin'ny fampahalalaham-baovao Breziliana. Nahasarika betsaka ny fampahalalaham-baovao tao Brezila ny raharaha [15]tamin'izany fotoana izany ary nanatona ny gazety ny mpanazatra ny ekipa mba hanazava fa tsy nahafantatra ny fombafomban'ny ao an-toerana ry zareo.

Notoherina tsikelikely tao Brezila izany, ka marobe tamin'ireo hetsika feminisita nanao diabe natrehan'ireo vehivavy ho fanoherana ny fanomezan-danja be loatra ara-nofo sy fanamenarana ny vatan'ny vehivavy no sahy nampiseho nonon'izy ireo imasom-bahoaka. Niteraka fahasorenana bebe kokoa teo amin'ny Fitsipika Ara-piarahamonina [16] tao amin'ny Facebook sy Instagram izany, fitsipika mamela ireo sary tsy ara-nofo manokana mampiseho nonom-behivavy (tahaka ny fampinonoana sy ny sary taorian'ny fandidiana nono (post-mastectomie)), fa tsy avela hiseho kosa ny hafa. Mamela ireo sary sasany mahery setra mampihoro-koditra koa izy ireo, tahaka ny sarin'olona niharan'ny fampijaliana. Sokajiana ho tsy maninona ihany koa ny sary manome lanja tafahoatra ny ara-nofo  [17]mampiseho nonom-behivavy (raha mbola tsy hita tsara ny nono), raha voaràra kosa ny sary ahitana nonom-behivavy tahaka ny lanonan'ny teratany vazimba ao Aostralia [17]sy ny hetsika miady amin'ny homamiadan'ny nono [18].

Amin'ny fanambaràn [19]‘ny fanentanana ataon'i Letícia sy Julia, mitaky fitovian-jo ho an'ny lahy sy vavy sy ny fanatsaharana ny fanamenarana ny nonom-behivavy izy ireo:

Women and men are equal in rights and obligations. Freedoms that are available to one group must be available to all. 2. Hiding or displaying the nipples should be a choice, not an obligation. For anyone, of any gender, race or religion and at any age. 3. No one has to be ashamed of their nipples (or anyone else's nipples). It's a part of the body like any other, and everyone is born with nipples. 4. Nipples are different from each other. Each one has unique colors, sizes and shapes. They're as diverse as people, and diversity is beautiful. 5. Nipples are not public. The fact that they are being shown does not mean they're at disposal. 6. Nipples are not inherently sexual. They might be, but they don't need not be, like any other part of the anatomy. 7. Individuals are sovereign over their bodies. Other people's shame and lust can't prevail over the free enjoyment of one's body.

Mitovy zo sy andraikitra ny vehivavy sy ny lehilahy. Ny fahalalahana omena ny vondrona iray dia tokony tsy maintsy omena ny rehetras. 2. Tokony ho safidy ho an'ny rehetra, na lahy na vavy, na inona firazanana sy finoana, ary koa sokajy taonany fanafenana nono na tsia, fa tsy terena. 3 Tsy misy olona tokony ho menatra ny nonon'izy ireo (na ny nonon'ny olon-kafa). Anisan'ny ampahan'ny vatany tahaka ny hafa rehetra izy, ary teraka miaraka amin'ny nono ny olon-drehetra. 4. Tsy mitovy ny nonon'ny tsirairay. Samy manana ny lokony, ny habeny sy ny endriny. Samihafa tahaka ny olona izy ireo, ary mahafinaritra ny fahasamihafana. 5. Tsy ho an'ny daholobe ny nono. Ny fampisehoana azy ireo dia tsy midika fa azon'ny rehetra alaina izany 6. Tsy tena hoe ara-nofo ny nono. Mety hoe izany, saingy mety tsy toy izany ihany koa, tahaka ny ampaham-batana hafa. 7. Tompon'ny tenany ny tsirairay. Tsy tokony handresy ny henatra sy ny filàna ny fankafizana malalaka ny vatana.

Tamin'ny lahatsoratra Facebook, [20]nanoratra i AzMina [20]  hoe:

Peito, mão, orelha: tudo isso só é erótico quando eu quiser e não quando você decidir.
Vocês sabiam que os homens também tiveram que protestar pelo direito de andar sem camisa? Pelo direito de seus peitos não serem vistos como algo obsceno. Pelo direito de atribuir significado próprio ao próprio corpo.

Manaitaitra ara-nofo avokoa ny nono, ny tanana, ny sofina rehefa izay no tiako fa tsy rehefa ianao no manapa-kevitra. Fantatrao ve fa tokony hanao fihetsiketsehana ho an'ny zo afaka mandehandeha mitanjaka ambony ny lehilahy? Hitaky ny zo tsy handraisana ny nonon'izy ireo ho zava-betaveta. Hitaky ny zo hanomezana ny lanja manokana ny vatan'izy ireo tsirairay avy.