Mandalina ny Endritany Niomerika Ny Fivorian'ny Manampahaizana Miray Anaty Tambajotra ao Melbourne

Internet of Things

Aterineton'ny Zavatra -Sary avy amin'ny mpampiasa flickr Tumitu Design (CC BY-SA 2.0)

Tamin'ny 11 Novambra 2016, nihaona tao amin'ny Fivorian'ireo Manampahaizana Miray Anaty Tambajotra ireo Akademisiana sy ireo mpikambana hafa ao amin'ny Sehatra Fahadimy ao Melbourne mba hiresaka mikasika ireo fanamby, fahafahana sy ny loza mitatao amin'ny tontolo iainana niomerika erantany. Nanolotra tetikasa isan-karazany avy amin'ny Fikambanan'ny Ivontoerana Mifandrohy ao amin'ny Oniversiten'i Melbourne ilay fivorian'ireo manampahaizana. Endri-javatra mahazatra ny maro avy amin'ireo tetikasa nohalalinina ny endritany niomerika mavitrika eo an-toerana .

Tao amin'ny lahateny fanokafana, nanindry mafy ny teoriany amin'ny aterineto ho toy ny ”sehatra fahadimy” i William H. Dutton avy ao amin'ny Oniversiten'ny Fanjakan'i Michigan:

ny fampiasana ny aterineto sy ny teknolojia mifandray amin'ny famolavolana ny Sehatra Fahadimy vao misondrotra, ahitana ireo olona mifandrohy afaka mampiasa ny aterineto amin'ny fomba stratejika mba hihazonana ireo andrim-panjakana, sy ireo sehatra hafa ary ny aterineto ho tomponandraikitra bebe kokoa.

Fiaingàna goavana no fahitàn'i Duttion azy io raha oharina amin'ireo hevitra sasany tany aloha momba ny sehatra fahadimy ho toy ny mitovy amin'ireo bilaogera.

Nanoritra ny fivoaran'ny fiovan-kery nipoitra tampoka avy amin'ny fanapariahana ny fahafaha-manaon'ny Aterineto ho demokratika i Dutton. Ireo fitroarana tany Afovoany Atsinanana, Okraina, Venezoela sy nyankoatr'izay dia nampiseho an-tsary ny hery ananan'ny olom-pirenena amin'ny fampiasana ny teknolojia mba handaminana hetsika sosialy. Nanova ny hevitry ny fiainana manokana sy ny fangaraharàna ho an'ny olom-pirenena ary ny governementa ny fitomboana tsy mitsahatry ny fomba fanao mahazatra amin'ny famoahana antontan-taratasy manokana amin'ny alalan'ny haino aman-jery sy ireo sehatra mangarahara toy ny Wikileaks. Ary nanova tanteraka ny fandraharahàna ara-barotra sy tsena erantany ny E-varotra.

The Concept of the Fifth Estate

Ny Foto-kevitry ny Sehatra Fahadimy – natolotr'i Bill Dutton

Fa miaraka amin'ireo fivoarana ireo, lasa ”ampiasaina ho toy ny fitaovana fanarahamaso, fanafihana ny fiainana manokana sy ny fifehezana ny olom-pirenena” bebe kokoa ny Aterineto. Eo anilan'ny ezaka fanarahamaso ataon'ny governementa, dia lasa hery ilaina jerena amin'ny aterineto ireo ‘algoritma’, ‘trolls’ sy ‘bots’.

“'Ny politika amin'ny vanim-potoana niomerika dia tena momba ny…..ianao mamerina manamboatra ny fidiranao amin'izao tontolo izao ary ihany koa mitantana ny tontolo miezaka ny hiditra ao aminao,” hoy i Dutton.

Toetra mampiavaka ny Ssehatra Fahadimin'i Dutton:

  • fisiana an-tambajotra (ankoatra ny trano),
  • famokarana votoaty (manoratra bilaogy, mandefa lahatsoratra sy sary),
  • mikaroka ifotony (manaraka fikarohana),
  • fiaraha-miasa (manaraka torolàlana),
  • trusting (content, providers),
  • fitokisana (votoaty, mpamatsy),
  • fivondronana (fijerena ny aterineto toy ny zava-dehibe ho an'ny torohay).

[Afaka jerena eto ny sary sy fanamarihan'i Dutton.]

Noresahana tao amin'ny ambaindain'ny fivoriana ny fanamby ho an'ny fanafenana anarana sy ny olan'ny fiainana manokana, Fiadanana mifanohitra amin'ny Fiainana Manokana, izay nijery ny ‘olan'ny mpanjifa’ eo anatinà fiaraha-monina mifandrohy.

Nofaritan'i Rachelle Bosua, isan'ny mpmelabelatra ao amin'ny fivoriana ny Aterineton'ny Zavatra, ny ”tontolo iray vaovao izay saiky ny zavatra rehetra hita maso dia mandray na mandefa antontan-kevitra amin'ny alàlan'ny aterineto.” Ny trangan'ny vata fampangatsiahana, fanaovana kafe sy fanarahamaso zazakely mifandray amin'ny aterineto mba hampitàna  vaovao sady any amin'ny mpampiasa no any amin'ny mpanamboatra dia manangana fanontaniana momba ny angon-drakitra manokana sy ny mety hahatontosàna ny fampiasana ireo foto-drafitrasa mifandray.

Ohatra iray amin'ny faharefoana mety ateraky ny Aterineton'ny Zavatra ilay nanjo ny lohamilina mpitsinjara anaran-tsehatra tao Etazonia, fanafihana fibahanana tolotra tamin'ny Oktrobra 2016 notarihina piraty informatika izay nikirakira ireo torohay alefan'ny fitaovana fampiasa ao an-trano sy ny toy izany.

Voafaritr'ireo fizahàna ny endrika ara-barotra sy tsy ara-barotra ny Toekaren'ny Fifampizaràna ao Melbourne, na dia ireo eny an-tsisiny aza:

Inona no zaraina any amin'ny sisiny ao Melbourne?@jennykennedy #NSS2016
-toerana iaraha-miasa
-‘markerlabs’
-kilalao famakiam-boky

Uber, iray amin'ireo diso malaza indrindra ho mpanelingelina ny toekaren'ny fifampizaràna , no iray tamin'ireo antony maro nankarary ny sain'ny mpamily fiarakaretsaka mahazatra. Ny Mamily Ho An'ny Fiovàna dia nanamboatra fampiasa iray mba hanampy amin'ny fahasalamana ara-tsain'ny mpamily. Hampiasa karazana hetsika fohy natao ho an'ny finday maro avo lenta mandritra ny fotoana fiandrasan'izy ireo. Mazava ho azy fa ny mpamily Uber dia afaka koa haka tombony amin'izany tolotra izany, satria miatrika rarintsaina maro mitovy amin'izany ary koa ireo sasany izay tokana ho an'ny toe-javatra iainan-dry zareo.

Mitrandraka ny fahaizamanaon'ny teknolojia ho fanohanana vondrom-piarahamonina ratsy tohana ny fahasalamana ara-tsain'ireo mpamily fiarakaretsaka ao amin'ny Mamily Ho An'ny Fiovàna @MelbNSI #NSS2016

Ampiana an'ireo sehatra fiadian-kevitra erantany an-tambajotra sy ny sehatra fifanakalozan-kevitra momba ny herisetra mihatra amin'ny lahy sy ny vavy, “Tsy Ilay Iray Ihany” no namorona ilay tranonkala Aostraliana izay afaka izaràn'ny vehivavy ny zavatra niainany tamin'ny herisetra an-tokatrano:

Matetika tsy mamboraka amin'ny olon-kafa ny fanararaotana nanjo azy ireo vehivavy mijaly amin'ny herisetra an-tokatrano. Toerana iray masina an-tambajotra no atolotry ny Tsy Ilay Iray Ihany #NSS2016 #VAW

Nisy fandraisan'andraikitra sy tetikasa maro hafa ihany koa izay mety ho hita ao amin'ny tranonkala MNSI, ahitana ny fahasalamana, Fahitalavitr'ireo Indizena any an-tany lavitra, tontolo iainana, fanabeazana, fanontam-pirinty 3D, ary foto-drafitrasam-piarovana.

Velakevitra farany ho an'ny androany @fvetere @jmcvernon @kwanghui @VictoriaJPalmer Lars Coenen ary @Nirmalathas mifanakalo hevitra momba ny Hasarobidy sy ny Anjara asan'ny Angon-drakitra #NSS2016

Nandritra ny fivoriana iray momba ny hasarobidin'ny angon-drakitra, Lars Coenen avy amin'ny Oniversiten'i Lund ao Soeda dia niresaka mikasika ny lanjan'ireo angon-drakitra goavana amin'ny fanamboarana tanàna marani-tsaina. Saingy nampahatsiahy zava-manahirana iray niainana nandritra ilay fivoriana izy:

‘Fa misy ihany koa tosi-bohon-tànana avy amin'ireo mpampiasa raha ny mikasika ny maha an'ny tena manokana an'io angon-drakitra io ihany’ – Lars Coenen #NSS2016 #tanànamarani_tsaina #Melbourne

Afaka idirana amin'ny #NSS2016 ny resaka Twitter avy amin'ny fivorian'ireo manampahaizana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.