- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mozambika: Mampiahiahy ny Mpiserasera Ny Tena Tanjon'ny Volavolan-“Dalàna Vaovaon'ny Fifanakalozana Elektrônika”

Sokajy: Mozambika, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia
Samora Machel em frente ao município de Maputo. Foto: Manuel Ribeiro/GV

Tsangambaton'i Samora Machel manoloana ny monisipaliten'i Maputo. Sarika: Manuel Ribeiro/GV

Nankatoavin'ny Parlemanta mozambikana tamin'ny alakamisy 17 novambra teo ny—LTE— “Lalànan'ny fifanakalozana elektrônika” manameloka ny fandefasana SMS sy ny servisin-dahatahiry heverina ho manivaiva na mety ho mampidi-doza ny fiarovam-panjakana, araka ny tenimita [1] navoakan'ny antoko eo amin'ny fitondrana, ny Frelimo, ao amin'ny Facebook. Tafiditra ao anatin'ity “fifehezana” ity ihany koa ny fifanakalozana ara-bola mba isorohana amin'ny fanaovana hosoka. Nankatoavina noho ny faneken'ny vondrona telo ao amin'ny Antenimieran'ny Repoblika, dia ny Frelimo, ny Renamo ary ny MDM, ity lalàna vaovao ity.

Tao amin'ny fanambarana, voalaza fa natao “hiantohana ny fiarovana ny mpanjifa” ny LTE:

A norma em causa estabelece o regime sancionatório das infrações cibernéticas de modo a garantir a proteção do consumidor e aumentar a confiança dos cidadãos em utilizar as transações eletrónicas como meios de comunicação e prestação de serviços. A lei em alusão pune igualmente as transacções financeiras fraudulentas e o acesso à Internet ou base de dados de forma tosca.

A aprovação da Lei sobre Transacções Electrónicas acontece numa altura em que, devido à globalização, as sociedades – Moçambique em particular – vivem a era da chamada “revolução informática”, que, para além de permitir a substituição do trabalho humano por máquinas, caracteriza-se pelo aumento de crimes cibernéticos.’’

Ny fitsipika voalaza dia mametraka fanasaziana amin'ny fihoaram-pefy an-tserasera ahafahana miantoka ny fiarovana ny mpanjifa sy mampakatra ny fitokisan'ny olom-pirenena amin'ny fampiasana ny fitaovam-pifanakalozana elektrônika, ny fitaovam-pampitam-baovao ary ny servisy. Sazian'ny lalàna ihany koa ny fanaovana hosoka amin'ny fifanakalozana ara-bola, amin'ny fidirana amin'ny aterineto na fidirana an-tsokosoko ao amin'ny fitoeran-dahatahiry.

Nitontona, noho ny fanatontoloana, tao anatin'ny fotoana itadiavan'ny orinasa [fiarahamonina] – Mozambika indrindra indrindra – hiaina ao anatin'ny “revolisiona informatika” ahafahana manolo ny asan'olombelona ho ataon'ny milina, voamariky ny fiakaran'ny heloka an-tserasera izao fankatoavana ny lalànan'ny fifanakalozana elektrônika izao.

Saingy toa tsy resy lahatra tamin'ny fandresen-dahatra navoakan'ny Frelimo loatra ireo Mozambikana mpiserasera. Tao amin'izany taratasy izany, nasehon'ny mpiserasera aterineto fa manohitra ny LTE ry zareo ary heverin-dry zareo fa mitady “hanidy” ny olom-pirenena izany, tahaka izay nosoratan'i Jacinto Muendane [2] amin'ny fanehoan-keviny manao hoe:

Estão a tentar calar o povo com essas vossas leis.

Tadiavin-dry zareo ampanginina amin'ny lalàn-dry zareo ny olona.

Kianin'i Bento Samuel [3] ny LTE tamin'ny fanononana ny raharaha ara-toekarena nanafintohina lehibe indrindra tao amin'ny firenena, ny EMATUM:

Questionar algo sobre Ematum e Nosso Banco também é crime?

Heloka ihany koa ve ny manontany zavatra momba ny Ematum sy ny Nosso Banco?

Barcos da EMATUM atracados no porto. Foto: Manuel Ribeiro/GV

Sambo miantsona ao amin'ny seranana EMATUM. Saripika: Manuel Ribeiro/GV

Misy kosa etsy ankilan'izany ireo miarahaba ny governemanta:

Estamos de parabéns, precisamos de manter o humanismo como o ser mais racional que somos e agradarmos a Deus que nos criou e nos ama de igual modo tal que nunca injurio-nos mesmo sendo pecadores.

Tokony hirehareha isika, tokony hitandro ny mahaolona ho fahendrena kokoa isika ary ankasitrahana Andriamanitra namorona antsika sy nitia antsika ho toy ny tsy nanota isika na dia mpanota aza isika.

Ao anatin'izay zotra izay ihany i Macitura Mubai [4] no nanoritra izao fanehoan-kevitra manaraka izao:

O que acontece e tem acontecido nas redes sociais/e-mails é muito triste! Denigre de certa maneira a imagem do nosso país em geral ate a figuras que mais respeitamos bem-haja meu Governo.

Mampalahelo tokoa ny nitranga ary mitranga ao amin'ny media sosialy / e-mailaka! Manaratsy amin'ny lafiny sasany ny firenentsika (ary) amin'ny ankapobeny amin'ireo olona hajaintsika ao amin'ny governemanta.

Ao amin'ny famoahana iray momba ity lohahevitra ity ny gazety @Verdade [5], maro ireo olona mandray ny “lanjan'ity” lalàna resahina ity. Milaza ny “fikendrena hampanginana ny olona” i Ilídio do Anjos [6]:

Isso é só para evitar que chamemos os indivíduos que roubam do povo de LADRÕES, para isso a Procuradoria Geral da República (PGR) vai funcionar, mas para incriminar os gananciosos a Procuradoria Geral da República não serve!

Natao fotsiny io hanakanana antsika tsy hiantso ho MPANGALATRA ireo olona mangalatra, miasa ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanovana (PGR) amin'izay fotoana izay, fa raha hiampanga ireo tendan-kanina kosa dia tsy mety amin'izany ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana!

Misimisy ireo mihevitra fa tsy ampy fanajana ny vahoaka Mozambikana ny lalàna [7]:

Ser moçambicano é isso, ignorar o grito dos que sofrem e ser ignorado pelos que não tem respeito nenhum por quem faz ou fez dele o que é.

Ny maha-Mozambikana: tsy miraharaha ny antson'ireo mijaly ary tsy raharahian'ireo tsy mendrika hajaina ireo tokony hajaina.

Mihevitra ihany koa ny Parlemantan'i Tanora [8], fikambanana sivika iray miompana amin'ny fiarovana ny tanora, fa tsy mazava amin'ny tanjona kendreny ny lalàna:

(…) Não está ainda claro o entendimento sobre o que considerar “ATENTADO À SEGURANÇA NACIONAL, À DIGNIDADE HUMANA OU À PRIVACIDADE DE OUTREM”.

(…) Mbola tsy mazava tsara hatramin'izao ny tokony omena lanja amin'ny heverina ho “FAMELEZANA NY FIAROVAM-PIRENENA, NY FAHAMENDREHANA NA TSIAMBARATELOM-PIAINAN'OLOMBELONA”.

Vao avy nametraka andiam-pitaovana [9] [mg] ampiasaina ho amin'ny “filaminana” tahaka ny fametrahana fakantsary fanaraha-maso [10] [mg] tamin'ny araben'i Maputo, izay tsy mazava tsara amin'ny olom-pirenena ny antony sy ny tanjony ny governemantan'i Mozambika. Ny mody nolazaina moa dia hoe “fiarovam-panjakana sy ny olom-pirenena rahateo.”