- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manararaotra ireo Tahiry Manokana Ary Manamafy Ny Fisarahana Isan-tsaranga Ao Sina ilay Fampiasa Vaovao-n'ny Alipay, Hoy Ny Mpitsikera

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, Vehivavy sy Miralenta
Screen capture of "White Collar Diary" circle via Twitter. [1]

Pikantsary avy amin'ny faribolan'ny ”Diarin'ny Vozonakanjo Fotsy” ao amin'ny Twitter.

Tamin'ny herinandron'ny 24 Novambra, Alipay, rafitra lehibe indrindra fandoavam-bola an-tambajotra ao Shina, dia namoaka endrika fampifandrohizana ara-tsosialy antsoina hoe ”Faribolana”. Ny iavahanany amin'ireo sehatra tambajotra sosialy hafa, natsangana avy amin'ny tena amantarana ireo mpampiasa azy, ny sata ara-tsosialy ary rakitry ny fandoavam-bola an-tambajotra, no nananganana ilay fampiasa vaovao izay notombanan'i Sesame Credit ho fampiasa iray mitsongo dia ny fihetsiky ny mpampiasa ety anaty aterineto.

Alipay, izay miasa eo ambanin'ny Ant Financial Services Group, mifandray amin'ilay goavan'ny e-varotra Alibaba Group Holding, dia manana mpampiasa 450 tapitrisa voasoratra anarana. Efa manana eo amin'ny faribolana 100 [2] eo ilay tambajotra sosialy vaovao vao natsangana. Ireo faribolana ireo dia fivondronana olona izay manana fahalianana, fihetsika fanjifàna ary fototra ara-panabeazana sy arak'asa manokana.

Ohatra, mpanoratra rindrambaiko iray mividy sakafom-biby sy vokatra fampiasambola amin'ny aterineto ary matetika milalao lalao iray voafaritra manokana amin'ny aterineto dia hahahazo fanasàna hiditra ao anatin'ny faribolan'ireo manampahaizana amin'ny Teknolojia, mpitia biby, mpampiasa vola ary mpilalao amin'ny aterineto rehefa misoratra amin'ny anarany tena izy sy mameno amin'ny antsipirihany ny mombamomba azy ao amin'ireo fampiasa mifandray amin'ny Alibaba.

Ny faribolana tsirairay dia manana lalàna samy hafa fidirana ho mpikambana, manorina sakana mahomby tsy hidiran'ireo mpampiasa tsy sangany izay efa voafelaky ny haino aman-jery mifandray amin'ny fanjakana sy ireo olon-tsotra mpiserasera. Amin'ny tranga  sasany, toa amin'ny fomba tena ratsy indrindra no ankalazan'ilay fampiasa ny tsy fitoviana ara-tsosialy.

Ireo faribolana roa tena mampiady hevitra dia ny ”Diarin'ny Toeram-ponenan'ny Mpianatra” ary ny ”Diarin'ny Vozonakanjo Fotsy”, izay samy notsoahiana tamin'ny 29 Novambra taorian'ny nanodinan'ny haino aman-jerim-panjakana ny masony tamin'izy ireo.

Ny lalàna maha-mpikambana ao amin'ireo faribolana roa dia:

A typical post on White Collar Diary with a suggestive message that said: See who can comment on me :) :). Image via Twitterer @kerotto. [1]

Votoaty mahazatra ao amin'ny Diarin'ny Vozonakanjo Fotsy miaraka amina hafatra mampisaintsaina milaza hoe: Jereo iza no afaka maneho hevitra amiko 🙂 :). Sary avy amin'ny mpampiasa Twitter @kerotto.

  1. Ny vehivavy ihany no mahazo manoratra eo amin'ny rindrin'ny faribolana
  2. Ny ankamaroan'ny lehilahy dia afaka mamaky, mitia ary mividy taridàlana  [lelavola amin'ny alipay]
  3. Ireo lehilahy manana fahana mihoatra ny 750  Sesame, dia afaka maneho hevitra amin'ireo lahatsoratra ihany koa

Ity ambany ity ny hafatra fiarahabana ho an'ny faribolana ”Diarin'ny Vozonakanjo Fotsy” izay toa mandrisika ny fitiavana jerijery vetavetan'ny lehilahy:

歡迎各位來到「白領日記」!
本圈子只有白領女士才可以發佈動態哦!你可以在這裡聊聊你的職場經歷,也可以記錄每天的生活瞬間。
不能發佈動態的小伙伴,你可以盡情的點贊、打賞。用你的雙眼發現美!

Tongasoa eto amin'ny ”Diarin'ny Vozonakanjo Fotsy”!
Ny vehivavy manao vozonakanjo fotsy ihany no afaka manoratra amin'ity faribolana ity. Afaka miresaka mikasika ny asanao ianao ary maka sary snap momba ny fiainanao andavanandro eto.
Ho an'ireo lehilahy tsy afaka manoratra eto amin'ny faribolana, afaka mitia sy manome taridàlana ianareo. Ampiasao ny masonareo hijery ny hatsarantarehy!

Mba hahazoana taridàlana avy amin'ireo lehilahy mpampiasa, ireo vehivavy mpikambana ao amin'ny faribolana dia nanomboka namoaka sary manintona sy manaitaitra tao amin'ny rindrina, miaraka amin'ny hafatra mitory ny fahalianany amin'ny fitadiavana sipa.

Vetivety foana ary tsy nahagaga fa lasa fanomezana tolotra fitadiavana sipa ireo faribolana sosialy roa, nitarika ireo Shinoa mpampiasa aterineto hiampanga ilay fampiasa vaovao ho Alipimp (支付鸨) satria ny isa azon'ny Sesame tafakatra avo be tamin'ny fametrahana fepetra amn'ny taridalan'ireo lehilahy no nampibaribary ny tsy fitoviana ara-toekarena sy hery teo amin'ny lehilahy sangany sy ny vehivavy olon-tsotra ao Shina maoderina.

Toy ny nasongadin'ilay [3] mpampiasa Twitter @straightea

支付宝圈子当然不是一个好产品,它内核都烂成渣了,这有什么好辩驳的?产品基石就是消费阶层、物化女性,运营自导自演出了问题再嫁祸给用户。即使是要寻求社交转型,就真的没有更好方式了吗?脸都不要。

Vokatra ratsy misy votoatim-pahalovana ny faribolan'i Alipay. Tsy misy isalasalàna ny momba izany. Natsangana teo ambonin'ny fanjifàna [fihetsehana] ataon'ny olona anat saranga iray / sata ara-tsosialy, famadihana ny vehivavy ho toy ny zavatra, [toetoetra izay] notsiniana tamin'ireo mpampiasa. Na mila mampivelatra ny raharahany ara-barotra eo amin'ny tambajotra sosialy aza ilay orinasa, tokony mampiasa fomba tsaratsara kokoa izy fa tsy zava-mahamenatra toy izany.

Ny fahitalavi-panjakana CCTV, no mailamailaka namelively ilay hevitra. Tamin'ny fanehoankevitra ny 28 Novambra [4], nolazain'ilay filazambaovao fa mirefarefa ary manitsakitsaka ny fenitra ara-pitondrantena ny lalàna maha mpikambana ao amin'ireo faribolana roa ireo.

Tamin'iny andro iny ihany, namoaka fialan-tsiny ho an'ny vahoaka ny mpitondra teny avy amin'ny Ant Financial Service Group ary niteny fa hamafa ireo votoaty sy mpampiasa izay nanitsakitsaka ny lalànan'ny fiarahamonina ny mpitantana ilay fampiasa.  Notsoahana tsy ho ao amin'ny aterineto mihitsy ireo faribolana roa tamin'ny 29 Novambra.

Fanontaniana mikasika ny tahiry manokana

Na izany aza, tsy mamaha ny olan'ny fanararaotana be atao amin'ny tahiry goavana manokan'ny tena mifandraika ny fanjifàna an-tambajotra sy ny dian-tongotra ara-bolan'ny mpampiasa mifandray amin'ilay rindrambaiko vaovao fampifandrohizana ara-tsosialy ny fanaisorana ireo faribolana roa. Ananan'ilay fampiasa ohatra ny fitaovana mizara izay zavatra novidianao tamin'ny aterineto tamin'ny alàlan'ny Alipay.  Nahatonga ahiahy izany, hoe mety ho voahitsakitsaka ny tahiry manokan'ireo mpampiasa raha mandroso kosa ny kolotsaina fampideràna harena, manome vahana ny fizararazan'ny saranga ao Shina.

Araka ny hita eo amin'ny vakam-panehoankevitra momba ilay taratasy fialantsinin'ny [5] Alipay tao amin'ny Weibo, maro ireo tsy faly manoloana ny fifamatoran'ny sata ara-bola sy ny faribolana ara-tsosialin'ny mpampiasa:

做好钱包功能,不要捆绑社交。

Ny anjara asa poketra fotsiny no hatsarao [manondro ny anjara asan'ny fandoavam-bola amin'ny aterineto] ary aza hampifamatorana amin'ny anjara asan'ny tambajotra sosialy izany.

我存钱的东西和我的钱包不需要跟别人社交,只认识我一个人就行了。

Mila mifanerasera amin'ny hafa ny petra-bola sy ny fitoeram-bolako. Mila mahafantatra ahy amin'ny maha-izaho ahy fotsiny ny olona.

圈子可以搞,但拜托再新建一个app,不要和钱包挂钩。不要共用账号。

Tsy mampaninona ny mandrafitra faribolana manana anjara asa ara-tsosialy, fa iangaviana tompoko mandrafeta fampiasa iray misaraka. Aza ampifamatorana amin'ny fitoeram-bolako ilay fampiasa vaovao, aza mampiasa kaonty ifampizaràna.

掌握点客户信息就想搞社交大数据?那银行不无敌了?想清楚自己是干嘛的,一个钱包就别搞社交。

Ankehitriny rehefa voafehinareo ny tahiry manokan'ny tenan'ireo mpampiasa dia te hampiasa izany ho an'ny tambajotra sosialy ary hiteraka angon-drakitra maromaro kokoa ianareo. Tokony handray an-tanana ny tambajotra sosialy ve izany ireo banky? Fantaro ny raharaham-barotrao ary meteza ho fitoeram-bola mendrika. Akipilizo any io sandrin'ny tambajotra sosialy io.

别再搞社交了!钱花在哪了本来就很隐私的事,我现在就害怕一个不小心就把花钱的动态分享出去了,整天付个钱担惊受怕的。

Akipilizo any io fampiasa fampifandrohizana ara-tsosialy io. Tena fiainan'ny vahoaka tsirairay ihany ny fomba fandaniany ny volany. Ankehitriny aho dia tena matahotra hoe mety nizara tamin-tsy fitandremana ny zavatra novidiako tamin'ny hafa aho tao amin'ilay fampiasa vaovao [rehefa nanantanteraka raharaham-barotra an-tserasera tamin'ny Alipay].