Misokatra Ao Anatin'ny Fanakatonana Ny Fifandraisana  Ny Fifidianana Ao Gambia

A voter with a t-shirt carrying a political message in the Gambia. Creative Commons photo by Wikipedia user Ikiwaner.

Mpifidy iray miaraka amin'ny t-shirt misy hafatra politika ao Gambia. Sary Creative Commons nalain'ny mpisera Wikipedia  Ikiwaner.

Mandeha ny fifidianana amin'izao fotoana izao ao amin'ny firenena kely Afrikana Andrefana ao Gambia, izay ahitana ny filoha am-perinasa Yahya Jammeh mikasa hahazo ny fe-potoana fahadimy hiasana indray. Ny alina nialoha ny fifidianana, izay nialohavan'ny fampielezan-kevitra masiaka,  Nanakatona ny aterineto sy ny fitaovana fifandraisan-davitra hafa tena ilaina ireo manampahefana. Ny kandidà mahaleontena Adama Barrow, izay tohanan'ny  fiaraha-mitantan'ny antoko politika fara fahakeliny miisa  fito, miaraka amin'i Mamma Kandeh avy amin'ny Kongresy Demokratika  Gambia  (GDC) vao niforona, no mifaninana amin'i Jammeh ao amin'ilay antsoin'ny mpandinika hoe ny fifidianana lehibe indrindra tao anatin'ny 20 taona mahery .

Araka ny vaomieran'ny fifidianana, hatramin'ny 886.578 eo no voasoratra anarana hifidy ao amin'ny firenena izay misy mponina tokony ho roa tapitrisa. Nisokatra tamin'ny 7.ora maraina ny fifidianana ary hifarana  amin'ny 5 ora hariva (17 ora GMT).

Kemo Cham, mpanao gazety Gambiana iray monina any an-tsesitany, nanoratra tao amin'ny Facebook mikasika ny fanakatonana:

Clearly he has lost, even before the votes are cast. Yaya jammeh is reported to have declared a state of emergency, shutting down the internet, international calls and even electricity supply, just hours before Gambians vote. He knows he will lose in a free and fair elections.

Mazava be fa resy izy, na dia mbola tsy nanomboka aza ny fifidianana.  Voalaza fa nanambara hamehana i Yaya Jammeh, nanakatona ny aterineto, ny antso iraisam-pirenena ary eny fa na dia ny famatsiana herinaratra aza, ora vitsy talohan'ny fifidianana Gambiana . Fantany fa ho resy izy ao anatin'ny fifidianana malalaka sy ara-drariny.

Nanomboka ny alin'ny Alarobia 30 November 2016 ny fanakatonana,  ora roa monja taorian'ny namoahan'ny fiaraha-mitantan'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana, izay notarihin'ny Access Now (Midira Izao) taratasy miantso ireo manampahefana Gambiana tsy hanakana ny fidirana tamin'ny aterineto.

“Miangavy anareo izahay mba tsy hanapaka ny aterineto ,” hoy ny taratasy, sady nanampy fa nahatonga fandrosoana lehibe ho an'ny fahasalamana, ny fanabeazana sy ny fahaiza-moronana ny aterineto, ary ankehitriny dia tena ilaina izy mba hahalavorary ny zon'olombelona – anisan'izany ny fandraisana anjara amin'ny fifidianana sy ny fahazoam-baovao.

Nisioka momba ny fanakatonana i Fatu Camara, mpanao gazety Gambiana sady sekreteran'ny Filoha Jammeh teo aloha amin'ny famoaham-baovao, ary mpanolotra fandaharana malaza indrindra ao amin'ny fahitalavitra ankehitriny  , :

Fanakanana manontolo ny vaovao eto #Gambia, tsy misy antso an-tariby, tsy misy fahafahana miditra amin'ny aterineto Ampio izahay hanaparitaka ny filazana,  tsy azo itokisana ny mpanao didy jadona.

Nanoratra i Farou Jaw Manneh, Gambiana monina any Etazonia hoe :

Allahuakbar @HUBRIS!! Yaya Jammeh the Gambian God has ” closed/ shut down ” the internet & phone lines. Yaya Jammeh You will soon KNOW who the real God is. Hope God twists your treacherous and malicious plans in our favour. Go ahead and EAT the internet and phone lines. Arrogance is so blinding. Ndeysaan. Subhaanalaa.God bless Gambia. It will be OKAY. INSHALLAH. The real GOD the all knowing is in control. Not Jammeh.

Allahuakbar @HUBRIS !! “nanidy/ nanakatona” ny aterineto sy ny antso an-tariby i Yaya Jammeh, andriamanitra Gambiana. Yaya Jammeh, tsy ho ela dia ho fantatrao iza no tena Andriamanitra. Manantena izahay fa hanodina ny fikasanao mamitaka sy mampidi-doza ka hirona aminay i Andriamanitra. Mirosoa ary HANO ny aterineto sy ny antso an-telefonina. Jamba ny fireharehana . Ndeysaan. Subhaanalaa. Hitahy an'i Gambia Andriamanitra. METY io. INSHALLAH. Manara-maso ny tena Andriamanitra izay fantatry ny rehetra fa tsy [fantatr'i] Jammeh.

Tamin'ny 2015, nitatitra ny “Fahafahana tao amin'ny Aterineto” an'ny Freedom House, izay fikambanana miorina  any Etazonia mampiroborobo ny fahafahana sy ny demokrasia manerana izao tontolo izao fa firenena 65 no efa nahatanteraka  ny fisitrahana ny zo fototra sy ny fahalalahana azon'ny olom-pireneny. Laharana faharoa ratsy indrindra [mg] amin'ny firenena 12 ao Afrika Atsimon'i Sahara i Gambia .

Nilaza i Jammeh fa tsy handefitra amin'ny hetsi-panoherana rehetra aorian'ny fifidianana izy. Nilaza hatrany izy fa nampivoatra ny firenena ny fitondrany, ary nolazainy ihany koa fa mianatra any amin'ny oniversite noho ny vatsim-pianaran'ny governemanta ny ankamaroan'ny mpianatra ao amin'ny ambaratonga faha III ao Gambia.

Atao any amin'ny birao fandatsaham-bato ny fanisam-bato, ary manana solontena roa farafahakeliny ny kandidà rehetra . Hanomboka ho tonga ny valim-pifidianana izao alina izao, ary antenaina hifarana  ny Zoma 2 Desambra 2016 ho avy izao ny fanisam-bato farany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.