Miditra Amin'ny Dingana Farany ny Hazakazaka Ifaninanana Fatratra ho Filoham-Pirenena Gambiana

Niteny ny filoha Gambiana Yahya Jammeh izay efa teo amin'ny fahefana hatramin'ny taona 1994 fa mihevitra izy fa Andriamanitra irery ihany no afa-manaisotra azy hiala eo amin'ny fahefana. Saripikan'ny Firenena Mikambana avy amin'i Erin Siegal. Miasa avy amin'ny lisansa Creative Commons BY-NC-ND 2.0.
Niditra tamin'ny fitetezan-tany amin'ny andro faramparany ho amin'ny fifidianana nizotra tamin'ny 1 desambra ireo kandidà ho filoham-pirenena tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra [28 novambra]. Roa ny mpifaninana amin'ny filoha Yahya Jammeh mitondra amin'izao fotoana izao: Mama Kandeh avy ao amin'ny Kongresy demaokratikan'i Gambia (GDC), sy i Adama Barrow, kandidà mahaleotena iray tohanan'ny vondron'antoko politika mahatratra hatramin'ny fito.
Mihazakazaka ao amin'ny sehatry ny fanohizana ny fampandrosoana ara-piarahamonina sy toekarena, fandriampahalemana sy ny fahamarinan-toerana i Jammeh izay eo am-pikatsahana ny fehim-potoam-piasana fahadiminy. Nampanantena izy ny hanitatra sy hanatsara ny fitsaboanan ny fanabeazana kary tafiditra amin'izany ny hanaovana ho maimaim-poana ny fampianarana eny amin'ny oniversite. Navoitran'i Jammeh ny mahazava-dehibe ny ny fanentanana sy fifidianana milamina sy mirindra. Nandrisika ny olona hiroso ao amin'ny fifidianana amin'ny fomba milamina izy.
Etsy ankilan'izany anefa ny kandidàn'ny fanoherana niampanga an'i Jammeh ho manapotika ny toekarena sy nametraka diam-panitsakitsahana ny zon'olombelona ho anisan'ny ratsy indrindra eto Afrika. Nampanantena izy ireo ny hametraka governemanta andraisan'ny vondron'olona maro kokoa sy tsy mitongilana raha voafidy.
Mifarana ny talata ny fanentanana, heverina ho “andro tsy iasana fampangatsiatsiahana” miaraka amin'ny androm-pifidianana ny 2 Novambra.
Azo antenaina ho anisan'ny ifananana indrindra hatramin'ny nisian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 1994 nitondra an'i Jammeho ho eo amin'ny fahefana ity fifidianana volana desambra ity. Nilaza ny Vondrona Eoropeana fa nolavin'ny manampahefana gambiana ny fangatahan'izy ireo hanara-maso ny fifidianana, saingy nilaza ny vondrona ara-paritra toy ny Vondrona Afrikana sy ny CEDEAO fa hanara-maso ny fifidianana ry zareo. Tamin'ny fifidianana ho filohampirenena farany ny CEDEAO nitsipaka ny fandefasana mpanaramaso tamin'ny filazana fa tsy halalaka sy ho marina ny fifidianana.
(Fanavaozam-baovao 29 Novambra 2016: Itsy nanara-maso ny fifidianana notontosaina tao Gambia ihany ny CEDEAO tamin'ny farany. Araka ny loharanom-baovao ao an-toerana, nolazain'ny filohan'ny vaomieran'ny fifidianana fa tsy tonga ara-potoana ny fangatahan'ny vondrona hanao fanaraha-maso.)
Nandritra ny ankatoky ny fifidianana, nisy ny fihetsiketsehana ara-politika manohitra ny governemanta [mg] indrindra fa ao amin'ny faritra lehibe ao Banjul. Ao anatin'ny hetsika iray mitaky fanitsiana ny lalam-pifidianana sy ny fialan'ny filoha Jammeh ireo fihetsiketseham-panoherana ireo. Notsenain'ny bala tena izy [mg] avy amin'ny mpitandro ny filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana.
Tsy afaka handray anjara amin'ity fifidianana ity i Ousainou Darboe, mpitarika ny antoko politika mpanohitra lehibe indrindra satria meloka tamin'ny fandraisany anjara tamin'ireo fihetsiketsehana ireo, miaraka amin'ireo olona lehibe 18 hafa ao amin'ny antokony izy.

Mpitarika ny fanoherana sy ireo mpanohana azy nanao fihetsiketsehana tao an-drenivohitr'i Gambia ao Banjul. Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebook-n'ny antokon'ny fanoherana (UDP).
Tamin'ny fiandohan'ny volana novambra, namoaka tatitra ny Human Rights Watch, “More Fear Than Fair: Gambia’s 2016 Presidential Election,” [Tahotra no betsaka kokoa noho ny Marina amin'ny fifidianana ho filoham-pirenen'i Gambia 2016] manoritsoritra ny fangejan'ny governemanta ireo antoko politikan'ny fanoherana tao anatin'ny volana maromaro nialoha ny fifidianana.
Nasehon'ny tatitra ny fomba nanenjehan'ny filoha Jammeh ireo antoko mpanohitra, fanjakazakana amin'ny fampitam-baovaom-panjakana, ary fampiasana ny fitaovana sy volam-panjakana hanaovana fanentanana. Nametraka izany fa mihoatra ny 90 ireo mpikatroka avy ao amin'ny fanoherana no nosamborina tamin'ny fandraisany anjara tamin'ny fihetsiketsiketsehana milamina, ary 30 no voaheloka higadra telo taona raha roa ny mpikatroka avy ao amin'ny mpanohitra no maty nandritra ny fitazonana azy ireo an-tranomaizina.
Tamin'ny fanadihadiana isan-taona ny firenen-drehetra niresahana an'i Gambia tamin'ny taona 2014 ny Amnesty International, fikambanana iray mpandala ny zon'olombelona no nilaza: “Hatramin'ny namoahana ny fanadihadiana isan-taona nilazana an'i Gambia tamin'ny taona 2010 no niharatsy toerana ny zon'olombelona. Manohy amin'ny fanampenam-bava ny fahalalahana hiteny sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona hafa tsy voasazy ny governemanta.”
Ankoatra ny ahiahy amin'ny fahadiovan'ny fifidianana, niezaka mafy tamin'ny fanohanana ao amin'ny media sosialy ny kandidà sy ireo mpanohana azy hahazoana vato. Namoaka ity lahatsary eto ambany ity miaraka amin'ny hafatra ao aminy i Zainab Jammeh, vadin'ny filoha izay miara-manentana amin'ny vadiny:
Gambians hail the efforts of His Excellency The President and APRC [Alliance for Patriotic Reorientation and Construction] Party candidate with a rapturous welcome after a week long tour of rural Gambia as part of the ongoing 2016 Presidential campaign.
The enthusiastic demonstration of support and renewed determination for President Jammeh’s continued leadership is unrelenting for Gambians have shown it all.
The masses have clearly spoken “Vote President Jammeh for continuous development and Prosperity”.
Miarahaba ny ezaky ny Filoha Hajaina sady kandidàn'ny antoko APRC amin(kafaliana ny Gambiana taorian'ny fitetezan-tany naharitra herinandro tany ambanivohitr'i Gambia ao anatin'izao fanentanana filoham-pirenena 2016 izao.
Naneho izany rehetra izany ny fihetsiketseham-pifaliana ho fanohanana sy fanavaozana indray ny fitarihana tsy azo ihodiviran'ny filoha Jammeh ho an'ny Gambiana.
Efa nilaza mazava ireo vahoaka marobe nivory “Fidio ny filoha Jammeh hitohizan'ny fampandrosoana sy ny fanambinana”.
Ary tamin'izany fotoana izany i Bakary Badjie, mpanohana ny vondrom-panoherana nanoratra tao amin'ny Facebook:
Because Jammeh didn't wait for Allah to come hold his hand to presidency, Gambians too shouldn't fall for those unfounded fatalist talk “Allah put him there and will remove him when his time is up”.. Go Vote Coalition because this is that time. You the Voters can make it happened cuz Allah works through people..
Several people on the group confirm the coalition's caravan and people welcoming them was unprecedented. Now Gambia translate this into #Votefor #AdamaBarrow#1Demberr
Satria tsy niandry an'i Allah i Jammeh tamin'ny fandraisany ny fitantanana ny fiadidiana ny filoha, dia tsy tokony ho latsaka ao anatin'ny resaka manaiky lembenana “Allah no nametraka azy eo ka hanaisotra azy eo amin'ny fotoany”ihany koa ny Gambiana. Mandehana mifidy satria izao no fotoana. Afa-manao izany ianao mpifidy satria miasa amin'ny alalan'ny vahoaka i Allah.
Efa nanamafy ny olona maro fa tsy mbola nisy toy izany hatramin'izany ny valalamanjohin'ny fiara nitondra ireo mpiaradia sy ny vahoaka nitsena azy ireo. Ankehitriny avadiho hifidianana an'i Adama Barrow amin'ny 1 desambra izany ry Gambia.
Vao haingana ny filoha Jammeh no nilaza fa Andriamanitra (Allah) irery ihany no afa-manaisotra azy eo amin'ny fahefana satria izy ihany no nametraka azy teo. notoherin'ny filoha Jammeh ny fetran'ny fehim-potoan'ny filoha. Mihevitra izy fa Andriamanitra no mametra ny fehim-potoam-piasana ary raha sitrak'Andriamanitra dia mety ho afa-mitondra an'i Gambia ao anatin'ny “iray miliara taona” izy. I Gambia no iray amin'ny firenena roa ao Afrika Andrefana manana filoha miasa ivelan'ny fehim-potoam-piasany.
Namoaka ity lahatsary manaraka ity ny ao amin'ny GDC raha tonga tao an-tanànakelin'i Sintet ao amin'ny morontsiraka andrefana ny kandidàn-dry zareo:
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...