Netizen Report: Manamafy ny Fanarahamaso Ny Fampiharana Ny Lalàna (Sy Ny Teknolojia) Ilay Lalàna Vaovao Momba Ny Fiarovana Amin'ny Aterineto Any Shina

Ny afovoan-tanànan'i Shanghai. Sary navoaka ho an'ny sehatra ho an'ny daholobe.
Topimaso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, ireo fandresena ary ireo fironana vao nipoitra momba ny zo an-tserasera manerana izao tontolo izao no atolotry ny Netizen Report-n'ny Global Voices Advocacy.
Hanakana ny tsy hiparitahan'ny vaovao izay manimba ny “Voninahi-pirenena” , ” manakorontana ny filaminana ara-toekarena na sosialy”, na mikendry ny ” handravàna ny rafitra sosialista” ataon'ireo mpisera amin'ny aterineto ilay lalàna vaovao momba ny fiarovana amin'ny aterineto any Shina. Hampanara-penitra ireo fitsipika niparitadritaka nifehy ny aterineto teo aloha sy ireo fomba fanao tsy manam-paharoan'ireo sampan-draharahan'ny governemanta, ary hampivelatra ny fahefana tanàn'ny Fitantànana ny Aterineto ato amin'ny firenena izany, manatanteraka sy mampihatra ny politika ho an'ny aterineto ny sampana fototra avy amin'ny governemanta.
Takian'ilay lalàna ireo orinasa mpikirakira aterineto any Shina mba hanamarina ny momba ireo mpisera no sady hitahiry ny ” mombamomba ireo mpisera ireo sy ireo angon-drakitra hafa manan-danja momba ny fandraharahàna”, mazava ho azy fa lasa tsy ara-dalàna ny tsy fitononana anarana. Voatsikera noho ny fanitsakitsahany ny zon'ny mpisera amin'ny fahalalahan'ny fanehoankevitra, ny fiainana manokana sy ny tsy filazana anarana, ary noho ny fametrahany fepetra hentitra amin'ireo orinasa miasa eto amin'ny firenena ilay lalàna.
Amin'ilay toa ohatra fampiharana ny lalàna momba ny heloka bevava atao amin'ny aterineto, dia vao tsy ela akory izay ilay orinasa misahana ny fanarahamaso Kryptowire no nahafantatra karazana finday modely Android marobe izay misy rindrambaiko voapetraka maharitra mialoha ( rindrambaikon'ny orinasa mpamokatra / firmware) izay manangona ireo angon-drakitra manokana saropady, isan'izany ny hafatra an-tsoratra, ny famantarana toerana, ny lisitr'ireo olona fiantso, sy ny rakitry ny antso isan'andro ary mandefa izany any amin'ny lohamilina iray any Shangai, amin'ny famoronana ny varavarana ambadika hidirana amin'ny angon-drakitry ny mpisera ho an'ireo mpampihatra ny lalàna sy ireo manampahefana hafa.
Afaha mandingana ny endriky ny fanomezan-dàlan'ny Android ilay “code”, tsy ilàna ny faneken'ny mpisera. Mety hamela izay rehetra liana amin'ny angon-drakitry ny mpampiasa finday iray — manomboka amin'ireo tompon'andraikitry ny governemanta ka hatramin'ireo mpijirika ratsy fanahy— hanatanteraka baiko avy lavitra miaraka amin'ireo zo manokana, eny fa hatramin'ny famerenana mandamina ny rindrambaikon'ilay fitaovana aza izany.
Ankoatry ny fanarahamaso ny angon-drakitra manokana araka izay takian'ny lalàna, dia matetika ireo Shinoa mpampiasa ny finday Android no misintona ireo fampiharana Android any amin'ny tsenanà fampiharana Android tsy ofisialy hatramin'ny nialàn'ny Google tany Shina tamin'ny 2010. Henika fampiharana misy rindrambaiko manimba izay mety hangalatra sy hanakorontana ny angon-drakitra manokana ireo tsenanà Android ireo.
Nolazain'ilay orinasa ADUPS izay manamboatra ilay firmware fa hanampy ireo mpanamboatra finday amin'ny “famantarana ireo hafatra tsy ilaina” sy amin'ny “fanatsarana ny traikefan'ny finday” ilay rindrambaiko. Namidin'ny Amazon sy BestBuy mpaninjara amin'ny aterinetoavy any Etazonia ireo fitaovana ireo.
Mandritra izany, tamin'ity herinandro ity dia nisy ny tatitra hoe nanamboatra sora-miafina afaka mamono ireo hafatra alefan'ireo mpisera, miainga avy amin'ny faritra misy azy, ny Facebook. Voalaza fa ilay orinasa dia manamboatra fitaovana ho atolotra ilay kilasy fahatelo any Shina ho famenon'ireo zavatra takiana mba hahafahana miasa ao amin'ilay firenena. Izao no nambaran'ny New York Times momba ilay tatitra, ” ity tetikasa ity dia manazava ny haben'izay mety ho fahavononan'ny Facebook hampandefitra ny iray amin'ireo iraka fototry ny fanambaràny, ‘ hampisokatra kokoa sy hampifandray izao tontolo izao,’ mba ahafahana miditra aminà tsena misy Shinoa 1,4 lavitrisa. Ho hita eo izay ho fiantraikan'ny lalàna momba ny fiarovana amin'ny aterineto ho an'ny fisian'ny Facebook any Shina.
Notapahan'i Gambia ny aterineto noho ilay fifidianana manantantara
Ny hariva nialohan'ny fifidianana, izay nialohavan'ny fampielezankevitra nahery vaika, dia notapahan'ireo manam-pahefana ny aterineto sy ireo tambajotranà antso an-tariby sasany, hoy ny mpanao gazety iray any an-toerana. Ny mpifaninana tsy miankina, Adama Barrow, tohanan'ny fiaraha-mientan'ireo antoko politika fito fara-fahakeliny, miaraka amin'i Mamma Kandeh-n'ny Kongresy Demokratikan'i Gambia (GDC) vao nijoro, no nifanandrina tamin'i Jammeh tao anatin'iza nolazain'ny mpandalina hoe ny fifidianana lehibe indrindra tao anatin'ny roapolo taona mahery. Nozarain'i Kemo Cham, Gambiana mpanao gazety miaina any an-tsesitany, tao amin'ny Facebook ny momba ilay fanapahana.
Mazava be, efa resy izy, na dia mbola tsy voalaza aza ny voka-pifidianana. Voalaza fa nampiharin'i Yaya Jammeh ny fepetra fanao amin'ny tany misy hotakotaka, notapahany ora vitsy foana mialoha ny fifidianana ny aterineto, ny antso iraisam-pirenena, eny hatramin'ny famatsiana herinaratra aza. Fantany fa ho resy izy amin'ny fifidianana malalaka sy marina.
Nosamborina ny mpiaro zon'olombelona sady mpamorona haban-tranonkala any Shina
Voasambotra ilay mpamorona ny tranonkalam-baovaon'ny olom-pirenena Shinoa rehefa nosavain'ny mpitandro filaminana ny tranony. Huang Qi no mpiaro zon'olombelona malaza fahatelo tsy hita na nogadraina tato anatin'ny tapabolana, taorian'ny nanjavonan'ilay mpisolovava Jiang Tianyong sy ilay olom-pirenena mpanao gazety Liu Feiyue, izay inoan'ireo mpikatroka mafana fo fa notanana any amin'ny fonjakelin'ny mpitandro filaminana.
Nanao bemidina tao an-tranon'ilay mpamorona ny 64 Tianwang, nanao ny fisavàna izany sy nisambotra an'i Huang ireo mpitandro filaminana any Sichuan ny alin'ny Alatsinainy 28 Nov, araka ny fitantaran'ilay mpikatroka mafana fo tao amin'ny Radio Free Asia (RFA), onjam-peo tohanan'i Etazonia. Nanana taratasy fahazoana misava ry zareo, hoy izy.
Tranonkalam-baovao tsy miankina izay mizara lahatsoratra sy vaovao momba ny tranganà zon'olombelona any Shina, ny Tianwang, isan'izany ny fisamborana ataon'ny mpitandro filaminana, ny fandravàna an-terisetra, ny hetsika fanangonan-tsonia sy ny hetsi-panoherana. Vao nahazo ny Lokan'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana gazety avy amin'ny Mpitatitra Tsy Voafetran'ny Sisintany (RSF) 2016 izy. Mpanao gazety sivy izay nandray anjara tao amin'io tranonkala io no voasambotra, ka dimy no navoaka rehefa nandoa onitra, araka ny voalazan'ny Tianwang.
Nampangaina ho ‘namporisika fankahalàna’ tamin'ireo bitsika fanoherana ilay Bahraini mpikatroka mafana fo
Hussain Radhi, bahraini mpiaro zon'olombelona, dia voampanga ho nibitsika marobe ” namporisika ny fankahalàna ny fanjakana, nandrahona ny filaminam-bahoaka ary nanaparitaka vaovao tsy marina” sy noho ny famerenana bitsika natao handraiketana ireo hetsi-panoherana tany amin'ireo tanàna kelin'i Bahraini sy ny fanafoanan'ny mpitandro filaminana azy ireny. Nolavin'i Radhi ireo fiampangana azy.
Raràn'ny PM Libane ilay mpaka sary ara-politika
Vao noraràna vao haingana i Hussein Baydoun, mpanao gazety mpaka sary, tsy hahazo mankany amin'ny tranon'ny Praiminisitra Libane Saad Hariri, izay matetika toerana fanaovana fivoriana sy hetsika hafa. i Baydoun, miaraka miasa amin'ny The New Arab dia malaza amin'ny fanaovana ireo sary manadihady ny hetsi-panoherana any Libanona, isan'ireny ny hetsi-panoherana ‘maimbo ianareo’ nanohitra ny kolikoly nataon'ny governemanta tamin'ny 2015 nisongadina taminà vaovao maro.
Fitsaràna Breziliana mamokaa didy manohitra ny ‘Zo hohadinoina’
Niaraka nanapaka kevitra ny Fitsarana Ambony any Brezila (STJ) fa ” tsy tokony ampiharina ao amin'ny Google ” na ireo milina fikarohana hafa ny ” zo hohadinoina”, ny antony dia satria mety hanome andraikitra be loatra ireo milina ireo izany, ka mahatonga azy ireo ho sivana dizitaly. Izany fanapahankevitra izany dia mifanohitra amin'ny an'ny Fitsarana ao amin'ny Vondrona Eoropeana izay nilaza tamin'ny 2014 fa andraikitra manontolon'ny milina fikarohana ny mamafa ny voka-pikarohana rehefa sahy milaza ny olona iray fa manan-jo hanala izay ‘ tranainy na tsy misy ilàna azy ‘ amin'ny mombamomba azy ao amin'ilay valim-pikarohana. Niadiana hevitra lalina tao amin'ny Vondrona Eoropeana sy tany amin'ny firenena hafa io didy io, indrindra fa amin'ny tranga hoe niezaka ireo olom-panjakana ambony hamafa ny mombamomba azy ao amin'ilay valim-pikarohana mba hanatsaràna ny sariny imasom-bahoaka.
Fikarohana Vaovao (rohy amin'ny teny Anglisy)
- Sivana Miaraka amin'ny Vanimpotoana : Ambangovangony Amin'ny Angon-Drakitra Nifandrimbonana momba ny Sivana Atao Amin'ny Haino Aman-Jery Sosialy - OnlineCensorship.org
- Fahalalahana ao Amin'ny Aterineto 2016 - Freedom House
Fandriho amin'ny imailaka ny Netizen Report
Nandray anjara tamin'ity tatitra ity i Afef Abrougui, Ellery Roberts Biddle, Oiwan Lam, Weiping Li, Elizabeth Rivera, Taisa Sganzerla ary Sarah Myers West.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...