Mavomavo Lasa Kintan'ny Hira: Ankizy Amerikana Latina Manamboatra Zava-maneno Avy Amin'ny Fako

La orquesta de instrumentos reciclados de Cateura, Paraguay, durante un concierto en Washington DC. Foto tomada de la cuenta en Flickr de la OEA bajo licencia Creative Commons.

Zava-maneno namboarina avy amin'ny famadihana akora efa niasa natao tao Cateura, Paragoay, nandritra ny kaonseritra tao Washington DC. Sary avy amin'ny mpisera Flickr  OEA-OAS (CC BY-NC-ND 2.0).

Inona no mampitovy ny sekolin'ny mozika Meksikana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Vicente Guerrero ao amin'ny fanjakana Oaxaca amin'ny ankizy avy ao an-tanàna Paragoaiana ao Cateura? Tsy nanova ny fiainan'ny ankizy ihany ny mozika lalaovina ao amin'ireo toerana roa ireo fa manana fifandraisana lalina amin'ny….fako ihany koa.

Mozika miaina ankilan'ny fako

Ao amoron'ny toerana lehibe fanariam-pako no misy an'i Vicente Guerrero,16 kilaometatra monja ao atsimon'i Oaxaca – tanàna naorina nandritra ny fanjanahan-tany taloha izay malaza amin'ireo mpizaha tany – saingy tontolo lavitra ireo rindrina sisa mijoro tamin'ny vanim-potoana nahatongavan'i Colomb sady malaza manerantan amin'ny nahandrony. Nandritra ny taona maromaro, nilalao tao amin'ny vondrom-piarahamonina ny La banda de música (ny tarika mpihira). Tetikasa nivoatra avy tany amin'ny amboaram-peo fitendrena zava-maneno ahitana ankizy sy adolantsento nahita fomba handresena ny fahantrana manodidina azy ireo amin'ny zava-manenony:

Lasa manan-danja ho an'ny vondrom-piarahamonin'i Vicente Guerrero ao Oaxaca ny sekolin'ny mozika ahitana mpianatra 100.

Nanoratra momba ny tetikasa ny gazety Britanika the Guardian:

The community, in one of Mexico’s poorest states, has a reputation for drug abuse and gang violence. But it is undergoing a transformation after a fortuitous encounter with a French pilot helped launch a musical venture offering rare hope to its youth.

Malaza amin'ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny herisetran-jiolahy ny fiaraha-monina ao amin'ny iray amin'ireo fanjakana mahantra indrindra ao Meksika ity. Saingy miatrika fiovana izy rehefa nanampy nanatontosa tetikasa mozika manome fanantenana tsy fahita firy ho an'ny tanorany ny fihaonana mamokatra niarahana tamin'ny mpanamory fiaramanidina frantsay iray.

Mandray ny andraikiny amim-pahamatorana tanteraka amin'ny tarika fihirana ireto andian-tanora ireto, araka ny filazan'ny haino aman-jery ao an-toerana Noticias Oaxaca NVI:

Ni bien salen de la escuela, llegan casi corriendo a sus casas, ni bien comen y se encaminan por las polvorientas calles para encontrarse con su gran pasión. Siempre llegan sonriendo, con los ojos vivaces y jugueteando, entre un gran bullicio. […] aprenden día a día a tocar con destreza la trompeta, el trombón, el flautín, el clarinete, el oboe, la flauta, la trompa, los timbales, los bongoes y las congas.

Raha vao mivoaka ny sekoly izy ireo, dia saika mihazakazaka mody any an-tranon'izy ireo; ary raha vao nisakafo atoandro, mandeha any amin'ny lalàna mamovoka mba hanao ny zavatra ankafizin'izy ireo indrindra. Tonga am-pitsikiana izy ireo, miaraka amin'ny maso mavitribitrika, milalao eny amin'ny manodidina, ao anatin'ny tabataba. […] Mianatra milalao am-pahazotoana ny trompetra, trombona, piccolo, klarinety (mpitsoka mozika), oboe, sodina, anjombona frantsay  isan'andro izy ireo.

Fako nivadika ho mozika

Mahen'ny 7.000 kilaometatra atsimo avy ao Vicente Guerrero, milalao zava-maneno namboarina tamin'ny famadihana akora efa nampiasaina ny ankizin'i Cateura- tanàna iray saika miorina ao an-tampon'ny toerana fanatobiana fako ao Asunción, renivohitr'i Paragoay :

[Interpretan] obras musicales con instrumentos reciclados, fabricados a partir de residuos sólidos domiciliarios, en el taller de lutería que posee el grupo en Cateura, donde recicladores, asesorados por Favio Chávez […], han comenzado a utilizar restos de “basura” para elaborar instrumentos que emitieran sonidos musicales. Los instrumentos […] imitan a violines, violas, cellos, contrabajos, guitarras, flautas, saxofones, trompetas, trombones e instrumentos de percusión, pero construidos con basura. Entre su repertorio ejecutan música clásica, música folklórica, música paraguaya, música latinoamericana, música de los Beatles, de Frank Sinatra, entre otros.

[Milalao] mozika miaraka amin'ny zava-maneno namboarina, vita amin'ny fako an-tokantrano, tao amin'ny toeram-piasana fanaovana zavamaneno an'ny vondrona ao Cateura izy ireo, izay nanomboka nampiasa ampahana “fako” mba hanamboaran'ireo mpamadika akora eo ambanin'ny fitarihan'i Favio Chávez fitaovana manome feon-javamaneno[…]. Maka tahaka ny lokanga, altos, lokangabe, contrebasses, gitara, sodina, saxophones, trompetra, trombona sy amponga ny zava-maneno, vita amin'ny fako avokoa izy rehetra. Ahitana mozika klasika, mozika folklorika, mozika Paragoaianina sy Amerikana-Latina,  hiran'ny Beatles, Frank Sinatra, ankoatra ny hafa izany.

Tamin'ny lahatsoratra avy amin'ny gazety Amerikana Los Angeles Times, Mahatsiaro ny andro voalohan'izy ireo i Favio Chávez, mpiaro ny tontolo iainana sady mpiangaly mozika ao an-toerana izay mampianatra ny ankizin'i Cateura amin'ny fitendrena zavamaneno:

At first it was very difficult because we had no place to rehearse and we had to teach in the same place where the parents were working in the trash […]. The children knew nothing about music and it was very difficult to contact parents because many of them do not live with their children.

Tamin'ny voalohany, tena sarotra satria tsy nanana toerana nanaovana fanazarana izahay ary tsy maintsy nampianatra teny amin'ny toerana iray izay iasan'ny ray aman-dreny ao anivom-pako […]. Tsy nahalala na inona na inona momba ny mozika ny ankizy ary tena sarotra ny nifandray tamin'ny ray aman-dreny satria maro tamin'izy ireo no tsy monina miaraka amin'ny zanany.

Niova izany rehetra izany raha nampiseho zavatra mbola tsy fahitany hatrizay i Favio: lokanga vita avy amin'ny fako. Ankehitriny, misy ny mpitendry mozika miaraka amin'ny zava-maneno natambatra, antsoina hoe The Recycled Orchestra (Orkestra tamin'ny famadihana akora efa niasa). Mamakafaka ny ezaka an-kira ny lahatsary fanadihadiana iray antsoina hoe “toerana fanariam-pako Mirindra”:

The world generates about a billion tons of garbage a year. Those who live with it and from it are the poor – like the people of Cateura, Paraguay. And here they are transforming it into beauty. Landfill Harmonic follows the orchestra as it takes its inspiring spectacle of trash-into-music around the world.

Miteraka fako arivo tapitrisa taonina isan-taona izao tontolo izao. Mahantra ireo miaina amin'izany sy avy amin'izany – tahaka ny vahoakan'i Cateura, Paragoay. Ary eto, mamadika izany [fako] ho zavatra tsara izy ireo. Manara-dia ny Ôrikesitra ny Toeram-panariana fako mirindra satria manome aingam-panahy amin'ny fampisehoana fako-lasa-mozika manerana izao tontolo izao.

Nanao fampisehoana ny mozikany ho an'ny Papa Fransoà mihitsy aza ny Orikesitra:

Nasaina nanao fampisehoana ho an'ny Papa Fransoà ny Orquesta de Instrumentos Reciclados Cateura, ary nampahafantatra azy ny… http://t.co/gPXweZrNqV — Landfill Harmonic (@landfillhrmnic) July 13, 2015

Mampiseho ireo tarika roa ireo, sy ny hafa sasany fa miaraka amin'ny mozika, tsy manam-pahataperana ny zavatra azo atao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.