- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Filma Sahisahy Miresaka Fifohazana Ara-pananahan'ny Vehivavy Indiana Iray Voampanga Ho Mamindra Fo amin'ny Fametavetana Zaza

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Tanora, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Niteraka adihevitra be tao India ny horonantsary fohy novokarin'i Padindala Shailaja mpamokatra sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe “Memories of a Machine [1],” (Fahatsiarovan'ny Milina iray) izay hita tao amin'ny YouTube.

Tao anatin'ilay sarimihetsika maharitra 10 minitra izay ahitana ilay mpilalao sarimihetsika Malayalam Kani Kusruti, miresaka ny firaisana ara-nofo voalohany niainany niaraka tamin'ny lehilahy lehibe iray tao amin'ny sekoliny ny vehivavy iray raha mbola valo taona monja izy tamin'izany fotoana izany. Nahazo tsikera miabo [tsara] avy amin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Seattle Azia Atsimo (SSAFF), ny Fetiben'ny Sarimihetsika Pelaka Bangalore 2016 (BQFF), ary fetiben'ny sarimihetsika hafa ny “Memories of a Machine”.

Na izany aza, mihevitra ny ampahany amin'ireo Indiana fa tokony hamafa ny sarimihetsika [2] i YouTube satria [manjary] tsy manameloka ny fanaovana firaisana amin'ny zaza ilay izy araka ny hevitr'izy ireo.

Horonantsary fohy notontosaina sy nolalaovin'ny fanahy mora tohina ny ‘Memories of a machine’, kanefa tokony hamafa izany ny @YouTube [3] satria mamela heloka ny mpametaveta ankizy izany .

Tao anatin'ny fanatontosana indray mandeha mitohitohy no nilalaovana ny “Memories of a Machine”, izay nahitana ny mpilalao sarimihetsika fototra Kani mitantara eo anoloan'ny fakan-tsary ny zavatra niainany tamin'ny nahatsapany ny tenany ho toy ny tovovavy liana tamin'ny resaka fananahana sy nahatsiaro menatra tamin'ny ankizilahy namany izay izy no zokiny nila firaisana ara-nofo taminy.

Tamin'ilay nitranga tamin'izy valo taona, hoy ilay mpilalao tao amin'ny sarimihetsika:

I don't know if it was right or wrong. At that point it was sexual exploration for me. I liked the way he touched me and he stopped when I did not want it. I'm not concluding that it's right or even wrong for that matter. I don't think it is wrong. That's all.

Tsy fantatro raha mety na diso. Tamin'izay fotoana izay dia savaranonandon'ny fananahana izany ho ahy. Tiako ny fomba nanafosafoany ahy ary nijanona izy rehefa tsy nila ilay izy aho. Tsy midika akory izany fa mety izany na tsy mety tamin'io. Tsy mieritreritra aho hoe ratsy ilay izy . Izay ihany.

Efa nisy mpijery mihoatra ny dimy hetsy [1] ilay sarimihetsika tao anatin'ny herinandro rehefa nivoaka tao amin'ny YouTube tamin'ny 20 Novambra 2016.

Memories of a Machine [Tsiaron'ny Milina iray] – Mpanatontosa Shailaja Padindala Ny fomba fijery vaovao avy amin'ny ankizivavy iray ny antsoina hoe fiainana Jereo  ary zarao ry zalahy! https://t.co/ [5]oUuFH8h7OK [5]

Mampihomehy hafahafa ihany ny #MemoriesofaMachine kanefa sarimihetsika miavaka notontosain'i Shailaja Padindala. Jereo ary zarao 🙂

Shailaja Padindala ????? Tsorina fa misy marina sy Sahisahy ilay izy! Kani Kantari Kanmani Kusruti misy dikany izany! https://t.co/ [10]wuV0z7YUhA [10]

Na dia toerana nahaterahan'ny Kama Sutra [12] aza i India, dia noheverina ho zavatra mila dinihina ao anatin'ny mangingina sy jerena ao ambadiky ny varavarana mihidy [13] ny resa-pananahana ao anatin'ny fiarahamonina Indiana mpandala ny mahazatra izany. Amin'ny kolontsaina Indiana, heverina ho fady ny miresaka firaisana [14], tsy azo ekena ny fanaovana firaisana ara-nofo alohan'ny fanambadiana ary zavatra tsy ataon'ny olon-dehibe maro ny fampianarana ireo tanora momba ny firaisana ara-nofo. Kanefa misy ny olona sasany ao India no te-hanova izany.

Nahazo diplaoma tao amin'ny Akademian'ny Filma sy Televiziona LV Prasad i Shailaja Padindala, mpamokatra sarimihetsika. Tsipahiny [15] ny filazana fa manohana ny fanararaotana ny ankizy na ny fanolanana araka ny voalazan'ireo mpitsikera maro amin'ny sarimihetsika nataony izy. Hoy ny nambarany [16] momba ilay sarimihetsika tamin'ny antsafa niarahany tamin'ny Daily Thanthi Next:

The movie is a culmination of several personal experiences and stories of women we come across on a daily basis. I’ve attempted to explore the complexity surrounding sex and sexuality and how the society views it. […] I didn’t want to moralise or demoralise the issue. I wanted the audience to form their own perspective and which is also why I’ve named it Memories of a Machine.

Fahatratrarana ny faratampon'ny fiainana manokana sy tantaran'ny vehivavy hitantsika amin'ny fiainana andavanandro ity sarimihetsika ity. Niezaka hisavasava raviny amin'ny fahasarotan-draharaha amin'ny fananahana sy ny firaisana ara-nofo aho sy ny hoe ahoana ny fomba fijerin'ny fiarahamonina momba azy ity. […] Tsy te-hanome maoraly na hanaisotra ny maoralin'ity raharaha ity aho. Fa tiako ny mpijery mba hanana ny fomba fijeriny manokana ary izay ihany koa no antony nanomezako azy lohateny hoe Memories of a Machine [Tsiaron'ny Milina iray].

Na dia izany aza, hafa ny fiheveran'ny olona sasany. Ity misy valinteny nozarain'ilay mpiantsehatra sarimihetsika Kani Kastruti [17] manokana nozarain'ny namany tao amin'ny Facebook  :

While it’s true that when kids start exploring sex, they are often attracted to adults. This is quite a natural thing and happens to pretty much everyone. But an adult wanting to enter into a sexual act with a kid cannot be regarded as a natural thing. It is clearly an act of aggression. But the movie tries to place both these individuals as equals in the story. Which they certainly aren’t. The movie also tries to normalize a pedophilic act by saying that the girl child liked it. It also tries to humanize the pedophile by saying how he was ‘gentle’ and took a ‘no’. In a country where women and kids are often subjected to violent crimes [18], this normalization of an aggressive act becomes even more problematic.

Raha marina aza fa rehefa manomboka misavasava taovam-pananahana ny ankizy, dia matetika voasariky ny olon-dehibe izy ireo. Voajanahary izany ary mpitranga amin'ny rehetra. Fa tsy azo heverina ho voajanahary kosa ny olon-dehibe mitady firaisam-batana amin'ny ankizy. Mazava ho azy izany fa herisetra. Kanefa mitady hampitovy ireo olona roa ireo hitovy lenta ao amin'ny tantara ilay sarimihetsika. Ary tsy izay mihitsy no izy. Mitady hametraka ny fametavetan-jaza ho mandeha ho azy koa ilay sarimihetsika amin'ny filazana fa tia izany ilay zazavavy. Miezaka ny hanome toetra malefaka ilay mpametaveta zaza ihany koa ilay sarimihetsika tamin'ny filazana azy ho ‘malemy fanahy’ sy nanaiky ny ‘tsia’. Vao mainka miteraka olana bebe kokoa ity finiavana hametraka ho toy ny mandeha ho azy ny fihetsika tsy mendrika iray ity ao amin'ny firenena iharan'ny herisetra henjana [18] matetika ny vehivavy sy ny ankizy.

Naneho hevitra mikasika ny fanehoan-kevitra etsy ambony i Sourabha Rao [19]:

Yes; the movie is a little too soft on the pedophile there, but I guess we shouldn't generalise that “some girls might ‘like it’ by listening to just one girl who might actually have. She was too young to even judge this on any intellectual or societal level; she was just a biological being exploring her body's reaction to something.

Eny; malefaka loatra ny horonantsary miresaka momba ilay mpametaveta zaza eto, kanefa tsy tokony hanao safobemantsina isika fa misy “ankizivavy sasany mety ho ‘tia izany’ amin'ny fihainoana ankizivavy tokana monja mety tena tia izany. Mbola kely loatra izy hitsara izany na eo amin'ny sehatry ny fiarahamonina na eo amin'ny sehatra ara-tsaina; olombelona biolojika fotsiny te-hisavasava raviny ny tsapan'ny vatany izy.

Misy ihany koa ny nandray izany an-tendrony tafahoatra :

Memories of a Machine [Tsiaron'ny Milina iray], horonantsary fohy notontosain'i Shailaja Padidndale amidy ao amin'ny YouTube ho filma vetaveta malefaka mitondra ny lohateny hoe “Ny Firaisana Ara-nofoko Voalohany” “Fahatongavana” #Memoriesofamachine [20]

Nihevitra ilay mpandraharaha Sam Eapen [22] fa “mety hanampy olona iray hahatakatra tsara kokoa momba ny lohahevitra iray ny fomba fisainana isan-karazany sy ny fomba fijery samihafa momba ny lohahevitra iray “

Narovan'i [16] Shailaja Padindala, mpanatontosa, ho fanoitra lehibe iresahana fananahana sy ny firaisana ara-nofo ny sarimihetsika :

Conversations about these subjects must be encouraged and brought out of closed walls. When an individual is able to speak about it without feeling awkward or uncomfortable, it paves for a better understanding of it and thereby creating a healthy environment. The more you forbid something, more negative will be the repercussions.

Tokony ho ampirisihana sy avoaka ao anatin'ny rindrina mikatona ny resaka momba ireo lohahevitra ireo. Rehefa sahy miresaka momba azy io ny olona iray ka tsy mahatsapa fahamenarana na tsy fahazahoana aina, dia manoka-baravarana mankany amin'ny fahatakarana tsara kokoa izany ary hiteraka famoronana tontolo salama. Arakaraky ny handranao zavatra iray no maharatsy bebe kokoa ny fiantraikany.

Nandefa fanamarihana tao amin'ny YouTube mihitsy aza izy mba hanazavany ny fomba fijeriny: