Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mampirisika ireo Lehilahy Singaporeanina Mba Handà Ny Heriserta Ara-Nofo ny Hetsika Fanentanana Kofehy Fotsy

White Ribbon campaign image from the Facebook page of AWARE

Sarin'ny hetsika fanentanana Kofehy Fotsy avy amin'ny pejiy Facebooki-n'ny AWARE

Manohana ny Hetsika Fanentanana Kofehy Fotsy ny vondrona iray mpiaro ny fitovian'ny lahy sy ny vavy ao Singapore, hetsika eran-tany ataon'ny lehilahy sy ny tovolahy mba hanatsaharana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy.

Ny Fikambanan'ny Vehivavy ho an'ny Asa sy Fikarohana na AWARE no nanomboka ny hetsika fanentanana tao Singapore tamin'ny 25 Novambra lasa teo, izay nifanindry tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanafoanana ny Herisetra Mianjady amin'ny Vehivavy.

Mba hamporisihana fandraisana anjara bebe kokoa avy amin'ny vahoaka, mampiasa ny aterineto ilay hetsika fanentanana mba hampakatra kofehy fotsy amin'ny sary mombamomba ny pejiny ho fanohanana ny antso hampitsaharana ny herisetra mianjady amin'ny lahy sy ny vavy. Iray amin'ireo voalohany mpisolovava ao amin'ny hetsika ilay mpilomano, Joseph Isaac Schooling, voalohany tao Singapore nahazo ny medaly volamena tamin'ny lalao Olaimpika. Nahazo ny volamena i Schooling tamin'ity taona ity tamin'ny nandreseny ilay Amerikana mpilomano malaza, Michael Phelps.

Raha nanoratra tao amin'ny pejiny Facebook, nampatsiahy ny vahoaka i Schooling fa ”tsy midika fanjakazakàna sy herisetra ny tanjaka.”

Ankehitriny mihoatra noho ny hatramin'izay, tokony hitondra amim-pireharehana ny fanolorantenany hanajanona ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ny lehilahy. Tsy tokony ho fafàna hiala toy ny ‘resaka an'efitrano fisoloana akanjo’ ireo lehilahy matanjaka mirehareha momba ny herisetra ara-nofo. Ilaintsika ny kolontsain'ny fitoviana, fa tsy fifaniratsiràna. Amin'ny maha-atleta, tiako ho fantatry ny rehetra fa  tsy midika fanjakazakana sy herisetra ny tanjaka.

Olympic gold medalist Joseph Schooling supports the White Ribbon campaign. Source: Facebook

Manohana ny hetsika fanentanana Kofehy Fotsy i Joseph Schololing, ilay nahazo medaly volamena tamin'ny lalao Olaimpika. Loharano: Facebook

Manasongadina ihany koa ireo taratasy avy amina lehilahy Singaporeanina sasany mpitarika sy mpiara-miasa amin'ny AWARE ny hetsika fanentanana Kofehy Fotsy izay nosoratana mba ”hanome taridàlana sy fiantsorohana ireo tovolahy sy ny olona tanora mba hahatsapa fa tokony hampiaka-peo manoloana ny herisetra mianjady amin'ny lahy sy ny vavy ny lehilahy.”

Iray amin'ireo taratasy no nosoratan'ilay mpisehatra ara-pahasalamana Poh Kiang. Ny taratasiny ho an'ireo roalahy zanaky ny iray tampo aminy dia nanantitrantitra ny lanjan'ny famaritana ny tena hevitry ny tanjaka:

Toa anareo, ny roa amin'ireo olona manan-danja indrindra eo amin'ny fiainako dia vehivavy – Ny Ah Ma-ko (bebe avy amin'ny rainy) sy ny reniko. Ny ankamaroan'ny maha-izy ahy sy ny maha-mpitarika ahy amin'izao dia nohon'ny fiantraikan'ny fitiavany. Efa nahafantatra tamin'ny fahakeliko aho fa ny tanjaka sy ny fahafahana dia tsy misy ifandraisany amin'ny maha lahy na vavy. Raha ny marina, teny amin'ireo vehivavy ireo no nahitako fa tsy ny hozatra ihany no tanjaka, fanapahankevitra hiatrika ny tahotra izany, fiaretana am-pahanginana rehefa sendra fananintainana sy famoizana ary koa ny fikaratàhana miharo fahaizana mamorona rehefa miatrika tsy fahampiana.

Taratasy iray hafa no nosoratan'i Adrian Pang, tale artistika any aminà teatra, izay nanoratra ity ho an'ireo zanany:

Ny antsoina hoe lehilahy MATANJAKA dia ny lehilahy iray tsy matahotra ny ho marefo ary ny hiaiky ny fahatahorany, izay miezaka foana ny maneho fangoraham-po sy mora mahatsapa, izay feno fanajàna mandrakariva ary mavitrika amin'ny famoronana tontolo iray mandàla ny fitoviana ho an'ny REHETRA.

Ndeha hanantena isika fa ny hetsika toy ny hetsika fanentanana Kofehy Fotsy dia afaka hanampy amin'ny ady amin'ny herisetra mianjady amin'ny lahy sy ny vavy, indrindra anatina fiarahamonina iray toa an'i Singapore izay ny 70 isan-jaton'ny tranganà herisetra ara-nofo dia tsy voatatitra any amin'ny polisy. Araka ny fanadihadihana sasany, 6 ao anatin'ny 10 izay tratran'ny herisetra ara-nofo ao Singapore no mijaly noho ny fampijaliana miverimberina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.