Miady an-trano mikasika ny sosokevitra iray nataon'ny Ivontoeran'i Grattan [1] mba hampiakarana hetran-tsiramamy amin'ny zava-pisotro mba hiadiana amin'ny hatavezana tafahoatra. Namoaka tatitra iray ilay vondrona fakàn-kevitra tsy miankina,’ Hetranà siramamy amin'ny zava-pisotro – Handrakofana ny sandan'ny hatavezana eny anatin'ny ffiarahamonina’, tamin'ny fanolorana hoe:
Tokony mampiditra hetra amin'ny zava-pisotro mamy i Aostralia mba hakàna ny ampahany amin'ny sandan'ny hatavezana tafahoatra avy amin'ny fiarahamonina.
Ny safidy tsara indrindra dia fametrahana hetra 40 cents isaky ny 100 graman-tsiramamy, amin'ireo rehetra tsy misy alikaola, zava-pisotro vita amin'ny rano izay ahitana siramamy fanampiny.
Tonga dia nandà avy hatrany ilay hevitra ny Lefitry ny Praiminisitra, Barnaby Joyce, nantsoiny ho ”adala marary saina” – fomba fiteny zavatra tokana lazaina aminà teny roa samihafa na miteny zavatra iray averina in-droa, satria ny hoe adala dia midika marary saina. Tsy nahafaly an'ilay mpanoro hevitra ara-tsakafo Miranda Blake io:
@BarnabyJoyceLNP [2] govt tried ‘stop eating so much’ approach for decades. Result? World leading obesity #sugartax [3]https://t.co/i7Eyc3UkvG [4]
— Miranda Blake (@MirandaRBlake) 23 Novambra 2016 [5]
niezaka ny fanambatambazana ‘atsaharo ny mihinana be loatra’ ampolotaona maro ny governemanta @BarnabyJoyceLNP [2]. Vokany? Lohalaharana amin'ny hatavezana erantany #hetran-tsiramamy [3]
Mpikambana ao amin'ny parlemanta ho an'ny Nasionaly [6], antoko manana fifandraisana akaiky amin'ny sehatry ny fambolena i Joyce.
Mba hampiasana teny fanoharana amin'ny baolina kitra, ny sasany ao amin'ny haino aman-jery dia tokony ho voampanga ho ‘milalao ny olona fa tsy ny baolina” (famelezana manokana):
“Is it too early to predict Barnaby's Push Back Weight Loss Program will become a viral worldwide hit?” https://t.co/WISfQx8Mnb [7] #sugartax [3]
— Dan Gaffney (@DTGaffney) 23 Novambra 2016 [8]
‘Mbola aloha loatra ve izao raha haminany fa mety ho lasa zavatra miely be eran-tany ny Fandaharana Famporisihana Fampihenan-tavy an'i Barnaby?” #hetran-tsiramamy [3]
Nisy ireo fiampangana fihatsarambelatsihy tsy afaka nialana mikasika ny hetra avo amin'ny toaka sy sigara amam-paraky. Ho famaliana ny bitsik'i Joyce izay niteny fa ”tsy hamaha ny olana ara-tavinao” ny Birao Aostraliana misahana ny Hetra, hoy i Christian Peterson nanohitra:
But apparently it'll solve ya booze and nicotine use issues. There's a reason hypocrite and politician are a cliche in our culture.#sugartax [3] https://t.co/H2fc2Z4v4J [9]
— Christian Peterson (@API80) 23 Novambra 2016 [10]
Fa raha ny hita dia hamaha ny olan'ny fampiasànao ny toaka sy nikôtinina izany. Misy antony mihatsara velatsihy ary ny politisiana dia sary miiba eo amin'ny kolontsaintsika. #hetran-tsiramamy [3]
Fahavalony taloha no lasibatr'i Adam Cleave, izay miara-miasa anatina raharaham-bondron'orinasa ho an'ny Imperial Tobacco :
Budget balance could be helped by reducing the number of tax-funded lobby groups that exist purely to ban things they don't like. #sugartax [3] https://t.co/i3epJgONC0 [11]
— Adam Cleave (@AdamCleave) 23 Novambra 2016 [12]
Mety ho voavonjy ny fifandanjan'ny tetibola, amin'ny fampifandanjàna ny isan'ny vondron'olona vidiana vola hanao tsindry momba ny hetra, vondrona izay tena misy tokoa mba handraràna ny zavatra tsy tian-dry zareo #hetran-tsiramamy [3]
Nampifandraisin'i Aaron Lane tamin'ny fikarohany ho an'ny vondrona fakàn-kevitry ny tsena malalaka ‘Ny Ivontoeran'ny Raharaham-bahoaka (@TheIPA [13])”, mpanohana nentim-paharazana ny governemanta bitika sy ireo mpanohitra ilay fanjakana antsoina hoe ‘fanjakan'i nanny':
Sugar tax is already on the list of bad ideas that don't work. My @TheIPA [13] research from 2014: https://t.co/DVPcuBBLBo [14] #ausvotes [15] #nannystate [16]
— Aaron Lane (@AMLane_au) 21 Jona 2016 [17]
Efa ao amin'ny lisitr'ireo hevitra ratsy sahady, izay tsy mandeha, ny hetran-tsiramamy. Ny fikarohana @TheIPA [13]tamin'ny 2014: #ausvotes [15] #fanjakan'inanny [16]
Maro tamin'ireo mpampiasa Twitter no niahiahy mikasika ny antony nanosika tao ambadik'ilay sosokevitra:
#sugartax [3] is just like #carbontax [18] Scam to get more money out of the population.
— Marcell (@melvict) 23 Novambra 2016 [19]
Toy ny fisolokiana #hetraKArbona [18] mba hahazoana vola bebe kokoa avy amin'ny vahoaka ny #hetran-tsiramamy [3]
Ny hafa toa an'i Caitlin Syrett dia nandà ny hevitra mampiditra ny andraikitry ny tsirairay:
.@Barnaby_Joyce [20]: “I believe in the freedom of the individual.”
Statistics: “Look where that's got us”. #auspol [21] #sugartax [3] pic.twitter.com/JWKXuWas20 [22]— Caitlin Syrett (@CaitlinSyrett) 24 Novambra 2016 [23]
@Barnaby_Joyce [20]: ”Mino ny fahalalahan'ny tsirairay aho.”
Antontan'isa:”Jereo ny toerana nitondran'izany antsika”. #auspol [21]#hetran-tsiramamy [3]
Ny nify no tao an-tsain'i Matthew Hopcraft, manam-pahaizana amin'ny fahasalama'ny nify, araka ny mety ho nantenainao :
I hear a lot of opposition to a #sugartax [3] as one part of the fight against #obesity [24] #decay [25] #diabetes [26]
But I don't hear credible alternatives https://t.co/KOlJiPxO73 [27]— Matthew Hopcraft (@Matt_Hopcraft) 23 Novambra 2016 [28]
Maheno fanoherana maro aho mikasika ny #hetran-tsiramamy [3] ho toy ny ampahany amin'ny ady amin'ny #hatavezana tafahoatra [24]#diabeta [26]
Fa tsy maheno fomba azo antoka azo atao safidy
Nanana jery matanjaka mikasika ilay hetra ilay mpamoaka lahatsoratra ara-toekarena ho an'ny gazety an-tsoratra Sydney Morning Herald:
Talk of ‘nanny state’ is cover for protecting profits of industries selling health-damaging products https://t.co/Mfifkfcz50 [29] #ausecon [30]
— Ross Gittins (@1RossGittins) 23 Novambra 2016 [31]
Fanarontsaronana hiarovana ny tombontsoan'ireo orinasa mivarotra zavatra manimba ny fahasalamana ny firesahana ny ‘fanjakan'i nanny’ #ausecon [30]
Mandritra izay fotoana izay, efa nisaina zavatra hafa ny sasany:
Rather than considering a sugar tax, it'd be more useful if there was a fresh fruit and veg subsidy for low income earners and pensioners
— Asher Wolf (@Asher_Wolf) 23 Novambra 2016 [32]
Raha hihevitra hetran-tsiramamy ihany, mety hahasoa kokoa raha nisy famatsiana voankazo sy legioma vaovao ho an'ny olona kely fidiram-bola sy ireo mpisotro ronono
Noho izany, inona avy ary no tena vola lany amin'ny krizin'ny tavy tafahoatra, ary ahoana no hitondràn'ny hetran-tsiramamy fahasamihafàna?
Tao anatin'ity podcast ity [33], ny mpiara-manoratra ny tatitra, Stephen Duckett, dia niresaka ilay olana. Misy fahazoandàlana lisansa Creative Commons (CC BY-NC-SA 3.0) izany: