- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Eo Ambany Fahefan'ny Biraon'ny Mpanara-maso ny Hetra, Tafakatra Avo Noho izay Nisy Hatrizay Ny Fandàvan'ny Mponin'i Puerto Rico Tsy Hifidy

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Pôrtô Rikô (Etazonia), Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

The picture uses a play on words. Normally, "to vote" would be written with a "v," but in this case the artist decided to write it using a "b," which changes the meaning to "to throw out [the garbage]." Image by Kike Estrada. Used with permission. [1]

Mivaky toy izao ilay fanoharana: “Aza adino ny mifidy,” fa mampiasa kilalaon-teny iray. Raha ny mahazatra, “ny mifidy (vote)” dia tokony ho voasoratra amin'ny “v” fa eto amin'ity tranga ity nanapa- kevitra ny mpanakanto ny hanoratra azy io amin'ny fampiasana ny “b,” izay manova ny heviny ho lasa “manary [ fako].” Ny mena sy manga dia maneho ny lokon'ireo antoko politika roa lehibe indrindra ao Puerto Rico, mena ho an'ny Antokom-Bahoaka Demokraty (PDP) ary manga ho an'ny Antoko Vaovao Liam-Pivoarana (NPP). Sary avy amin'i Kike Estrada sy nalaina tao amin'ny planetakike.com [1]. Nahazoana alalana.

Raha nanara-maso tanaty tebiteby ny fifidianana tany Etazonia izao tontolo izao, Puerto Rico, faritany iray any Etazonia, koa nanao ny fifidianana solombavambahoaka tamin'ny Talata 8 Novambra. Ary amin'ny toerana izay mirehareha amin'ny tenany ho manana ny taham-pandraisana anjara ambony tamin'ny tantaran'ny fifidianana, tonga ambany dia ambany izany tamin'ny fifidianana ireo.

Raha mankalaza an'i Ricardo Rosselló Nevares, kandidà avy ao aminy ny Antoko Vaovao Liam-Pandrosoana (PNP amin'ny teny Espaniola)  hoe lany ho governora sady nahazo ny maro an'isa ao amin'ny mpanao lalàna, ny zava-misy dia mbola tsy nisy afa-tsy 55,09% ny fandraisana anjara tamin'ireo fifidianana ireo, araka ny tarehimarika ofisialy nomen'ny Vaomieran'ny Fanjakana miandraikitra ny Fifidianana [2](Comisión Estatal de Elecciones, na Cee, amin'ny teny espaniola). Tena ambany dia ambany io isa io, satria raha ny mahazatra dia manana taham-pahavitrihana mihoatra ny 75% i Puerto Rico. Io tarehimarika tamin'ity taona ity io dia maneho fidinana be hatramin'ny 78,19% tamin'ny fifidianana tamin'ny 2012.

Lafiny iray hafa mahaliana dia ny hoe nandresy tamin'ny fifidianana i Ricardo Rosselló [3] , tamin'ny vato 655.626 monja, na 41,76%. Io isa io no matetika ampiasaina rehefa mifanakalo hevitra momba ny hatraiza ny fandresen'ny kandidà iray tamin'ny fifidianana. Tadidio fa misy mponina 3.5 tapitrisa any Puerto Rido, izay manodidina ny 2.9 tapitrisa no voasoratra anarana hifidy. Midika izany fa ny governora dia voafidin'ny olona vitsy kely maherin'ny 22% eo ho eo tamin'ireo mpifidy voasoratra anarana, na eo ho eo amin'ny 19% ny mponina eo. Inty no fotoana voalohany nisianà governora voafidy tamin'ny isa faran'izay ambany.

Iray amin'ireo teoria fototra ho an'ilay fandàvana tsy hifidy niely patrana koa dia satria fifidianana voalohany nokararakarain'ny birao fanaraha-maso ny hetra [4], napetraky ny PROMESA, Lalànan'ny Fanarahamaso, ny Fitantanana ary ny Fahamarinantoerana ao Puerto Rico  ireo. Ahitana mpikambana fito tsy nofidiana, ny biraon'ny fanarahamaso ny hetra dia natsangan'ny Kongresy Amerikana miaraka amin'ny fanohanan'ny antoko roa ary manana fahefana izay tsy miraharaha ny lalàm-panorenann'i Puerto Rico efa voafetra sahady. Mba hiresahana ny trosan'ireo vondronosy, mitentina 72 lavitrisa dolara, ny Kongresy ihany no valian'ny birao fa tsy ny vahoakan'i Porto Rico.

Izany no nanosika ny maro hanontany raha mendrika ny fahoriana ny nanaovana ilay fifidianana, satria ilay birao manana fahefana amin'ny tetibola, vola sy ny asan'ny governemanta.

Ilaina ny manondro fa ny sasany amin'ireo mpifidy izay nifady ny handray anjara tamin'ity fifidianana ity dia mety efa nanao izany avy noho ny faharesen-dahatra fa ny mifidy ao Puerto Rico dia midika ho fanekena ny lalànan'ny mpanjanatany. Ara-tantara, efa toe-javatra nijoroan'ireo mpanohana ny fahaleovantenan'i Porto Rico hatry ny ela izany.

Ny Antokon'ny Fahaleovantenan'i Porto Rico (PIP amin'ny teny espaniola) sy ny Antokon'ny Vahoaka Mpiasa (PPT amin'ny teny espaniola) no antoko politika roa voa mafy indrindra tamin'ny fandàvan'ny olona tsy hifidy. Noho ny lalànan'ny fifidianana any Porto Rico efa tranainy be, amin'izao fotoana izao ny antoko roa tonta dia tsy maintsy hanomboka indray ilay dingana lava sady sarotra amin'ny fanangonan-tsonia mba ho voaray ho toy ny antoko politika ofisialy manana solontena sy mpandray anjara ao amin'ny vaomieran'ny fifidianana noho ny fahambanian'ny tahan'ny vao azon'izy ireo tamin'ny fifidianana – 2.13% sy 0.34% no azon'ny tsirairay.

Angel Israel Rivera, mpampianatra siansa politika ao amin'ny anjerimanontolon'i Porto Rico, manoratra ao amin'ny gazetiboky nomerika 80 Grados, niantso ny fanavaozana ny rafi-pifidianana ao [5] Porto Rico::

Bien mirado el problema, las elecciones de 2016 podrían ser un buen momento para iniciar un movimiento masivo de indignados a favor de un CAMBIO en el tipo de sistema electoral que existe en Puerto Rico. Un sistema que es tan injusto y tan limitado que produce bipartidismo o partido único hegemónico y nada más. ¿Por qué? Pues porque la forma de elegir legisladores está prediseñada para excluir de nuestra Asamblea Legislativa a los pequeños partidos y a los candidatos independientes. Un sistema que es tan antidemocrático que en un distrito puede ganar la representación total un partido que sea el más votado con 40%, a pesar de que los demás partidos obtengan, entre todos, un 60%. Es decir, a pesar de que el partido “ganador” sea realmente minoritario. Un sistema que le hace muy difícil a los partidos de minoría, si entraran a la Asamblea Legislativa, promover y afectar la legislación porque el partido mayoritario (sea el PPD o PNP) se cree con el derecho siempre, o casi siempre, a gobernar y legislar mediante caucus partidista.

 Raha voajery araka ny tokony ho izy ny olana, mety ho fotoana tsara hanombohana ny hetsika goavan'ireo olona tezitra manohana ny HANOVANA ny rafi-pifidianana ao Porto Rico ny fifidianana 2016. Rafitra iray izay tena tsy ara-drariny ary tena voafetra ka miteraka fizarazaran'ny antoko na antoko manjaka tokana fa tsy misy zavatra hafa. Nahoana? Satria ny fomba fifidianana ny mpanao lalàna dia tendrena mialoha mba hanilihana ireo antoko madinika sy ny kandidà mahaleotena tsy ho ao amin'ny Antenimiera mpanao lalàna. Rafitra izay tena mifanohitra amin'ny demokrasia fa misy antoko mety hahazo ny fisoloana tena distrika iray manontolo amin'ny alalan'ny vato 40%,  na 60% aza no fitambaran'ny azon'ireo antoko hafa. Amin'ny teny hafa, tsy ijerena ny zava-misy hoe ny antoko “mpandresy” raha ny marina dia ao amin'ny vitsy an'isa. Rafitra iray izay mahatonga izany ho tena sarotra ho an'ny antoko vitsy an'isa , raha miditra ao amin'ny Antenimiera mpanao lalàna izy ireo, mba hampiroborobo sy hikitika ny lalàna, satria ny antoko maro an'isa (na ny PPD na PNP) mino mihitsy ny zo mandrakariva, na manakaiky ny mandrakariva, mba hitantana sy hanao lalàna amin'ny alalan'ny fiandanian'ny Komitim-pifidianana.

‘Fantatsika….fa tsy ho izy no hiantso ny tifitra.’

Ity tranganà fandavana fifidianana avo be ity dia nahazo fanehoankevitra kely dia kely tany anatn'ny fampahalalam-baovao mahazatra, izay avy hatrany tamin'ireo andro nanaraka ny fifidianana dia sahirana naneho hevitra momba ny zava-baovao mahakasika ny fifidianana tao Porto Rico: ireo kandidà roa tsy miankina.

Samy nirotsaka ho kandida tsy miankina ho amin'ny fifidianana ho Governora i Alexandra Lúgaro sy Manuel Cidre, ary samy tsy ao anatin'ny iray amin'ireo antoko politika efatra any Porto Rico akory. Na teo aza izany, dia nahavita nahazo 11,12% ary 5,73%-n'ny vato ny tsirairay avy, ny antony amin'ny ampahany betsaka dia noho izy ireo nampiasa ny haino aman-jery sosialy nandritra ny fampielezankevitra sy ny faharisarisàna ankapoben':ny mponina manoloana ireo antoko politika roa lehibe izay mibahana ny sehatra politika ao Porto Rico: ny Antokom-Bahoaka Demokraty (PPD) ary ny PNP. Raha raisina ireo kandidà roa ireo dia samy tsy fantatra tamin'ny fotoana nanambaràny ny filatsahany ho fidiana, azo tsapain-tànana ny isa.

Antony hafa naha-vitsy ny olona voasarika tamin'ny fahambonian'ny fandavana fifidianana ho tena nibahan-toerana dia ny hoe ny ankamaroan'ny olona dia nifantoka tamin'ny fandresen'ny filoham-pirenena Amerikana Donald Trump sy ny fiantraikan'izany ao Porto Rico [3]

Eny tokoa, ny fampitahana dia natao tamin'i Trump sy Ricardo Rosselló efa talohan'ny fifidianana. Ricardo Rosselló dia zanak'i Pedro Rosselló , Governora fahiny izay nahabe adihevitra (1993-2000), izay malaza noho ny fitantanan-draharahany izay nandray anjara mavitrika tamin'ny trosa 72 lavitrisa dolara izay toherin'i Porto Rico ankehitriny.

Manoratra ihany koa ho an'ny 80 Grados, nanana izao holazaina ny mpanao gazety, Manuel Martínez Maldonado [6], iray andro mialoha ny fifidianana:

Como Mr. Trump, el señor Rosselló entró mintiendo. Exageró sus destrezas, consiguió un puesto que no se merecía [en la Universidad de Puerto Rico]; ha sido acusado de plagio, de copiarse los supuestos planes que tiene para el país de documentos que ya existían, y repite lo que ya hemos oído antes con adornos banales. …[S]abemos que de salir gobernador no será él quien toque ni pito ni flauta.

Toa an'Atoa Trump, nandainga koa Atoa Rosselló. Nitariny diso tafahoatra ny fahaiza-manaony, nahazoany asa tsy mendrika azy [tao amin'ny Anjerimanontolon'i Porto Rico], voampanga noho ny fakàna tàhaka tsy ara-dalàna, noho ny fandikàna izay lazainy fa drafitra avy aminy ho an'ny firenena nalaina avy amin'ny tahirin-kevitra izay efa nisy ary mamerina ny zavatra izay efa re rahateo niaraka tamin'ny fanindrahindrana mahazatra.  … [Isika] mahalala fa raha ho voafidy ho governora izy, tsy ho izy no hiantso ny tifitra.

Mbola ho hita eo na mbola hanohy handà tsy handray anjara amin'ny hetsika fifidianana hoavy ny mpifidy ao Porto Rico, na satria ny vondronosy dia mbola fanin'ny taona iray feno vaovao ratsy momba ny toekareny sy ny fiandrianany ireo fotsiny ihany. Ny zavatra tokana hany mazava dia ho mafy ho an'ny mponin'i Porto Rico sy ny mpitondra vaovao ny efatra taona manaraka, izay tsy ankasitrahan'ny  ankamaroan'ny mponina.