- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taona 2021, Tratran'ny Krizim-Pifandimbiasan-Toerana Ny Repoblikan'i Trump

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Kanadà, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika, Ny Tetezana - The Bridge
Trump tower. Pixabay image.

Tilikambon'i Trump. Sary [1] Pixabay .

Toa mandefa aloka lava kokoa noho ny mahazatra ao amin'ny Tanànan'i Trump ny Tilikambon'i Trump malaza ratsy, ny Tanànan'i Trump, renivohitry ny Repoblika Trump nakatona tamin'ny Talata, rehefa nanomboka niparika tao amin'ny Twitter noho ny tsy nahavitany nipoitra tao nandritra ny 36 ora mahery ny tsaho amin'ny fahalasaman'ilay mpanao didy jadona efa antitra Donald Trump.

Noheverina fa hifandefitra ao anatin'ny trano mirefy 423 tora-droa izay nisolo ny Trano Fotsy—malaza amin'ny fisokajan'i Trump azy ho an'ny «saranga tena antonony»—tahaka ny tamin'ny sezan'ny filoha Amerikana telo taona lasa izay, ireo mpikambana lehibe ao amin'ny fitondrana Trump miaraka amin'ireo mpahairaha eo ampanifihana drafitra fandimbiasan-toerana raha mbola misioka hatrany i Trump.

Amin'ireo media ao an–toerana eo ambanin'ny fifehezan'ny fianakaviana Trump tanteraka sy feno dokambarotry ny vokatry marika Trump, ny sioka vitsivitsy an'i Donald Trump no mitoetra ho laharanom-baovao lehibe amin'ny famantarana ny fiasan'ny iray amin'ireo didy jadona hafakely indrindra manerantany ho an'ireo mpanao gazety vahiny sy mpampianatra ambony miezaka mivelona ivelan'ny fahantran'ny repoblika tsy mila mandany fotoana fanampiny ao intsony.

“Somary lavaka mainty ny toerana, raha ny tena marina”, hoy i Marie Rosales, mpampianatra Psykôlôjia ao amin'ny Oniversiten'i Guadalajara, ary mpanoratra ny Mihoatra Ny Zavamisy Manalika: Tsy Fitovian-Dokanga Ara-Pisainana Sy ilay Kasiga Trump Tao amin'ny Fandresen'i Trump Tamin'ny taona 2016 sy Ny Marin'i Trump: Lainga Fotsiny.

“Hanao Trump aho raha nilaza fa nahafantatra betsaka momba izany!” hoy izy.

Fitoniana Taorian'ny Firongatry ny Twitter

Niseho taorian'ny firongatry ny siokan'i Trump tamin'ny Alahady ny fahanginana nandritra ny iray andro sy tapany, izay nikendry indrindra ireo heverin'ity mpitondra 75 taona ity fa fahavalo ao anatin'ny fiarahamonina diplomatika ankapobeny.

Tamin'io fotoana io, niharan'ny fanitsakitsahana ny praiministra Kanadiana Justin Trudeau malaza, izay nanaiky ireo fangatahana fialokalofana an-tapitrisany avy ao Etazonia taorian'ny fandresen'i Trump tamin'ny fifidianana voalohany dimy taona lasa izay.

t

Justin Trudeau izany bandy be resaka manabontsi-tena fa tsy bôgôsy araka ny eritreriny. Kanadiana mpisotro ranomboankazo erabla. RESY LAVA!

screen-shot-2016-11-09-at-23-55-17

magazay taiza no nividianan'i Horace Johnson Minisitry ny Raharaham-Bahiny Britanika ny volony? Tsy tsara! Solovolon'ariary roa! Ratsy fiafara ho azy ireo ny Brexit!

screen-shot-2016-11-10-at-00-07-33

Tsia ka, tsy mbola niteny mihitsy aho hoe nanohana ny BREXITt, niteny aho hoe nanohana ny BREAKFAST [sakafo maraina amin'ny teny anglisy mitovitovy feo amin'ny Brexit] Mandeha ho azy izany hanombohana ny maraina ry zareo a! Ny ahy izao miaraka amin'ny trumpflakes!

screen-shot-2016-11-09-at-23-45-42-1

Oay, Tsikera izao ao amin'ny UN [Firenena Mikambana] tsy tiam-bahoaka izao! Tsy misy zavatra goavana mivoaka avy ao! Efa izaho rahateo no UNiverse! Na mety ho zavatra ngezangeza kokoa noho izany aza! [kilalaonteny anglisy avokoa izany]

screen-shot-2016-11-10-at-00-16-51

Vao nahita an'i Trudeau nanoroka saka tao amin'ny Canada News Natwork (eny lasa koa ry zareo) [Tonga ao an-tsaina amin'izany ny CNN] Mpitarika lefaka ao amin'ny tambajotra malemy vitsy mpijery!

screen-shot-2016-11-10-at-00-29-18

Tsy mety azoko an-telefonina mihitsy ny filoha rosiana namako Vladimir Potinina na dia niezaka ny niantso nandritra ny andro aza aho. Tsy olana! matoky aho fa mbola feno ny programany!

screen-shot-2016-11-13-at-10-38-12

Mivoaka ny boky vaovao! Ny Fahaizana Mihiaka: Teknikam-pampijaliana folo tsara ho an'ny mpitarika matanjaka. hitanao any amin'ny fivarotam-bokin'ny repoblika Trump rehetra!

screen-shot-2016-11-10-at-00-33-50

Tsy azoko mihitsy hoe maninona no mahazo mpanjohy maro dia maro i Trudeau amin'izao fotoana izao! Mitarika fanjakana tsy mahovoka tokoa izy! Twitter no ZAVATRO!!!

Nilaza ny mpitondratenin'ny governemantan'i Trudeau tamin'ny Alatsinainy fa nanantena i Canada fa “afaka mamaha ireo olana marobe ny mpiara-dia aminay taloha ary handroso any amin'ny fandravonana ny fifandraisan'ny roa tonta ao anatin'ny saina tia filaminana, fahafamihafana sy fitiavana ho tombontsoan'ny vahoaka rehetra na inona foko, finoana sy volo-koditra mlisy azy”.

«Satria rehefa dinihana tokoa, taona 2021 izao,» hoy ny mpitondrateny.

Trump Marefo, Repoblika Trump diso marefo loatra

Saingy matahotra ny mpitsikera fa tsy vonona hiditra amin'ny fandravonana akory ny Repoblika Trump. Volana vitsy monja taorian'ny fandresena miezinezina azon'i Trump tamin'ny herintaona, nihetsika hanafoana ny fikomiana notarihan'ilay separatista avy ao Vermont, Bernard Sanders sy ny baomba mandatsa-dranomasony ary ny tafondron-dranony, ny fitondrana. Nanamarika tamin-tsy firaharahiana ny vokatry ny latsa-bato ny iraka Rosiana mpanaramaso iray fa “nibaribary na dia amin'ny lasitray aza” ny hala-bato sy ny fandikan-dalàna hafa”.

Nahazo vato latsaky ny 10% ireo mpifaninana roa nifanakaiky indrindra tamin'ny azon'i Trump, ny zanaka vavy, Ivanka Trump sy ny vinantolahiny Jared Kushner, samy nanao fampielezan-kevitra miaraka amin'ny teny filamatra «Mamerina ho Goavana Kokoa ny Repoblika Trump, Saingy Mbola Ngeza Noho Ny Ho Ataon'i Donald Trump (Indray).’

Chris Christie, property manager for Trump Tower is not viewed as a likely successor. "He just orders their pizza," Marie Rosales of the University of Guadlajara told Global Voices.

Kandidà tamin'ny fifidianana tsy miady loatra tamin'ny 2020 ihany koa i Chris Christie, filohan'ny fiarovana ny Tilikambon'i Trump, saingy tsy noraisina ho mety ho mpandimby. “Nanafatra ny pizza ho azy ireo fotsiny izy,” hoy i Marie Rosales ao amin'ny Oniversiten'i Guadalajara tamin'ny Global Voices. Creative Commons [2].

Nilaza ireo mpiaro an'i Trump ao anatin'ny Antokon'ny fitondrana Trumpublikana fa ny fandikan-dalàna notaterina dia tsy nanova ny voka-pifidianana satria ny ankamaroan'ny mpifidy tsy niombon-kevitra tamin'ny politikan'i Trump dia nandositra ny firenena efa ela talohan'ny nahavitan'i Trump ny fanamboarana ny rindrina efatra nandaniam-bola be manerana ny sisintany atsimo (“mba hanakanana azy ireo tsy hiditra”), ny sisintany avaratra ( «hanakanana azy ireo tsy hivoaka») ary ny sisiny atsinanana sy andrefana (mba hanakonana fotsiny ny tazana amin'ny ranomasina).

Nilaza ny iray amin'ireo olona vitsy manana fahalalana manokana momba ny fiasan'ny fitondrana fa nahatratra “halehibe mandravarava” ny tahotra tafahoatra ao amin'i Trump sy ny firoborobon'ny fanompoana olona.

Tony Blair refused to be paid in Trump Tokens. Wikipedia image.

Nitsahatra tsy nanolo-tsaina ho an'ny fitondrana intsony i Tony Blair rehefa nanomboka nandoa vola ho azy amin'ny Trump Tokens izy ireo. Creative Commons [3].

“Lasa tsy afaka miasa i Donald raha tsy voahodidin'ny fianakaviany, na amin'ny alalan'ny sarin'ireo tiany amin'ny fotoana rehetra,” hoy ny Praiminisitra Britanika teo aloha Tony Blair tamin'ny Global Voices. Niasa ho kisarisarim-pakankevitr'i Trump nanomboka tamin'ny taona 2016 ka hatramin'ny taona 2020 i Blair.

“Tamin'ny iray tamin'ireo fitsidihana vitsivitsy nataony tany ivelany tamin'ny herintaona, notsidihana i Filipina sy ny Filoha Rodrigo Duterte, nangatahana i Duterte mba hanao sarintavan'i Trump hanomeza-toky azy fotsiny fa misy Trump iray hafa mitovy aminy any.”

Nilaza i Blair, izay niasa ihany koa tamin'ilay Kazakh Nursultan Nazarbayev, mpanao didy jadona eo amin'ny faha-fitopolo taonany, fa tsy azo inoana hoe hitsahatra hisioka noho ny “antony tsy ara-pahasalamana” i Trump.

“Ny ahiahiako dia nandiso daozy ny tenany izy,” hoy i Blair. “Tena tantara mampalahelo idiran'ny jeografia-politika izany, ary iray amin'ny faly aho hilaza manontolo amin'ny sarany tokony ho izy.”

Tahaka ny ahoana ireo mpandova ao amin'ny lohan'i Trump?

Amin'ny #Trumpnottweeting [4] malaza ao amin'ny faritra maro eto amin'izao tontolo izao izay mbola mitodika any amin'ny firenena nataon'ilay mpanao didy jadona handohalika eo anoloany, mitombo ny sahoan-dresaka amin'izay handrombaka ny fitantanana ao anatin'ny fotoana fohy.

Heverina ho miandrandra ny fahefana, ankilan'ny zanakalahin'ny filoham-pirenena, Donald Trump Junior sy ny rahalahin'i Trump, Robert Trump izay nosokajiana ho ivelan'ny faribolan'ny olona akaiky, i Kushner sy ny vadiny Ivanka, izay voalaza honohono fa manana ny ampahan-karena betsaka ao anatin'ny toekarena mihavasoka, anisan'izany ny ankamaroan'ny fahitalavitra ao amin'ny firenena izay fantatra ho mitarika loatra ny hevi-bahoaka ny haino aman-jeriny,

Trump-watchers have said daughter Ivanka's surname would be important in a potential succession struggle. Wikipedia image. Creative commons.

Nilaza ireo mpitazana ny Repoblika Trump fa mety ho [tombon-dalana be ho azy] ny anaran'ny zanakavavy Ivanka eo amin'ny tolona amin'ny fifandimbiasan-toerana mety misy. Creative commons [5].

Saingy naminavina i Rosales ao amin'ny Oniversiten'i Guadalajara fa mety hanome vahana ny endrika “regence (fitondrana entin'ny solon'ny filoha) [6]” i Melania Trump, vady fahatelo, izay nisioka resaka fomba fitondrana vonjimaika hanomanan'ireo mpanolo-tsaina akaiky ny zananilahy 14 taona, Barron Trump, haka ny fahefana amin'ny fotoana rehetra, anisan'izany mpanolo-tsaina izany i Ben Carson,dokoteram-pianakaviana.Feno fisalasalana tanteraka anefa i Rosales raha nanontaniana hoe mety hanampy hanafaingana ny fanavaozana demaokratika sy toekarena miankina aman'aina ve ny Repoblika Trump.

“Tsy nahita ny fotoanan'i Joffrey ho Tompon'ny Fitondram-Panjaka Fito ao amin'ny [sarimihetsika klasika] Game of Thrones na Lalaon'ny Seza Fiandrianana ve ianao?” hoy izy. “Milaza ny famantarana rehetra fa hahazo ny ratsy indrindra ity firenena ity alohan'ny mety hihatsarany kokoa!”