Anio no andron'ny #GivingTuesday – Fanolorana Fanomezana Ho An'ny Global Voices

Androany no atao hoe #GivingTuesday, [manome andro talata] andro iray natokana ho an'ny fahalalahan-tanana maneran-tany isan-karazany, ary manantena izahay fa iray amin'ireo fikambanana tohananao amin'ny alalan'ny fanaovana fanomezana ny Global Voices.

Nampahatsiahy tamin-kery lehibe ny fiovana nitranga manerana izao tontolo izao tamin'ity taona ity fa tsy vita mihitsy ny asa fanorenana tetezana hifandraisan'ireo olona sy ireo vondrom-piarahamonina ary ny fiarovana ny zo fototra.

Nanangana vondrom-piarahamonina matanjaka sy be fangorahana izahay tato amin'ny Global Voices tamin'ny alalan'ny fitaterana tantara sy tamin'ny fanorenana fifandraisana lalina amin'ireo kolontsaina, fiteny ary fahasamihafan-kevitra. Ny asanay tato anatin'ny 11 taona no porofo fa afaka manova ny fomba fijerin'ny olona momba izao tontolo izao ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny alàlan'ny  kolontsaina sy ny fiteny.

Satria katsahin'ny olona ny hahazo ny fomba tokony hiainana mirindra ao anatin'ny tontolo iainana manerantany manahirana dia anisan'ny laharam-pahamehana ao amin'ny tanjonay ny fizarana sy ny fanatsarana traikefa ary ny fahaiza-manao .

Noho izany amin'ity #GivingTuesday ity, miangavy anao mba hanolotra fanomezana hanampiana anay hanohy ny asa fanorenana tetezana, mba hiadiana amin'ny herin'ny fankahalana sy ny tsy fandeferana izay mandrahona ny tontolontsika ho toerana tsy azo onenana.

GT_logo2013-final1-1024x85

Donate now »

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.