Mbola Lavitra Ny Làlana Hodiavina Amin'ny Ady Ho An'ny Zon'ny Vehivavy ao Afganistana

Girls in Afghanistan. DFID UK Flickr.

Ankizivavy ao  Afganistana. DFID UK Flickr.

Tamin'ity Novambra ity, nian-dahy niam-bavy ry zareo Afgàna nanatevin-daharana ireo hafa nanerana izao tontolo izao tao amin'ny Facebook, tamin'ny fandefasana ny mombamomba ny tena tao amin'ny Facebook ho ampahany amin'ny hetsika iray nokarakarain'ny Firenena Mikambana, naharitra roa herinandro, mba Hiarahana Mampitsahatra ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy.

Tafa iray natao vao haingana tao amin'ny fahitalavitra no manasongadina ny halehiben'ny asa ao anatin'ilay firenena ravan'ny fananiham-bohitry ny avy any ivelany sy rotiky ny fisamantsamahana avy ao anatiny.

Tany ampiandohan'io volana io ihany, tao amin'ny Aryanna TV, vehivavy roa fanta-bahoaka no niresaka an-databatra boribory niaraka tamin'ny solontenan'ny filankevitry ny mpitarika fivavahana ao Kabul, momba ny lalàna fanoherana ny sotasota izay vao avy nolaniana tao amin'ny parlemanta Afgàna.

Nanafintohina ny maro mpisera amin'ny aterineto ilay mpitarika fivavahana, noho ny niantsoany ny vehivavy ho “motraka fisainana” miaraka aminà “atidoha tsy mahataka-davitra” sy tamin'ny nanohanany ny heviny taminà andalan-tsoratra masina manavakavaka nofantenana avy ao anatin'ny bokim-pinoana islamika. Voatery nidina tamin'ny fampiasàna ny fiarovana ny vehivavy sy ny ankizivavy amin'ny maha-reny sy anabavy azy ireo vehivavy roa, toy ny tsy afaka manohana fotsiny izao ny hevitra hoe mendrika ny hitovy ny lahy sy ny vavy.

Ny fanehoankevitra momba ny vehivavy nataon'io mpitarika fivavahana mavitrika ety anaty media sosialy io dia nanaporofo lohahevitra iray mamay ao anatin'ny media sosialy Afgàna.

Nilofer Tahiri nanoratra tamin-katezerana mafy hoe :

‏معاون شورای علمای کابل: زنان ناقص العقل اند.
#نكته: پس تو بد بخت كه از يك #ناقص العقل به دنيا آمدي هيچ #عقل نداري.

Posted by Nilofer Tahiri on Saturday, November 12, 2016

Satria nateraky ny olona iray manana atidoha tsizarizary ho eto amin'ity tontolo ity, dia tsy maintsy olona tsy misy atidoha ihany koa ingahy solontenan'ny filankevitra ara-pivavahana eto Kabul

Tao anaty fandalinana iray tamin'ny 2011, nataon'iny Thomas Reuters Foundation, voatondro i Afganistàna ho toerana iray faran'izay mampididoza indrindra ho an'ny vehivavy noho ny haavon'ny taham-pahafatesana, ny tsy fahafahana manatona mpitsabo ary ny tsy fisian'ny zo ara-toekarena.

Taraiky ny vehivavy ao Afganistàna raha mitaha amin'ireo lehilahy noho ny tsy fisian'ny tohana ara-tsaina sy ara-drafitra hisian'ny hetsika ho an'ny zon'ny vehivavy, na dia vehivavy aza ny  antsasa-manilan'ireo parlemantera sy governora amin'ireo faritany roa (Dykundi sy  Bamiyan).

Mahazo laza noho ny fampiakarany feo manohitra ny tsy rariny ara-tsosialy ireo vehivavy sasany mpanao politika :

سیلی غفاری زن شجاع و دلیر افغان که همیش در جنایت کاران را در برنامه های سیاسی تلویزیون های با حرف هایش مانند مشت اهنین پولادی کوبیده است.

Posted by Sayed Paise Kunari on Saturday, April 25, 2015

Vehivavy Afgàna manam-pahasahiana i (MP ) Selay Ghaffari izay manakiana hatrany ireo mpanao heloka bevava amin'ny teniny any anatin'ireo adihevitra amin'ny fahitalavitra. Nalefan'i Sayed Paise Kunari tamin'ny Sabotsy, 25 April 2015

Raha tsy azo tsinontsinoavina ny fijoroana politika tahaka izany taorian'ny taona dimy nifehezan'ny governemanta talibàna fatra-pifikitra amin'ny fomban-drazana, izay tsy nananan'ireo vehivavy ny toerany teo amin'ny fiainam-bahoaka, dia mbola mahatsapa ry zareo na izany aza fa endrika iray miavaka ao anatin'ny firenena iray izay maro no manana hevitra raiki-tampisaka amin'ny fiheverana ny lehilahy ho ambony.

Ary amin'ireo tanàna efa somary maka endrika tanàndehibe no tena tsapa ny faneriterena atao amin'ny vehivavy. Any amin'ny faritra ambanivohitr'i Afganistàna, mitovy amin'ny lehilahy miasa mavitrika any ivelan'ny trano ny vehivavy, mazàna no tsy mirakotra voaly eny an-tany fambolena, fa tsy tahàka ireo vehivavy mitovy aminy any amin'ireo faritàny izay matanjaka kokoa ny resaka ara-pivavahana sy ny fanjakan-dehilahy.

Any amin'ireo faritra efa nivoatra ao amin'ny firenena noho ny taham-panabeazana tafakatra avobe sy ny fiahiana ara-tsosialy, manana fahafahana midadasika kokoa ny vehivavy, na mbola mijanona ho olana tsy voavaha aza ny sotasota ara-nofo.

Fomba ahoana no hanovàna ny tontolon'ny zon'ny vehivavy ao amin'ny firenena?

Koa satria efa manomboka omena lanja ny fanabeazana any anatin'ireo andrim-panjakana Afgàna, dia tena ain-dehibe tokoa ny firotsahana sy fanohanana mivantana avy amin'ireo oniversite sy ireo tranon-kevitra, ary hatramin'ireo sampana liam-pivoarana ao amin'ny governemanta.

Amin'izao fotoana izao dia misy andrim-panjakana vitsivitsy  hita mitolona ho an'ny zon'ny vehivavy, ary misy miavaka toy ny Kaomity Afgàna Tsy Mainkina Miaro ny Zon'Olombelona, izay mitàna anjara toerana amin'ny ampahany ho toy ny fitsaràna iray amin'ny fandraisana ireo herisetra an-tokantrano sy ireo endrika fanararaotana hafa manjo ny vehivavy, kanefa mbola mijanona ho zava-maningana ivelan'ny soritrasa ankapobeny.

Làlana iray nahafahan'ireo vehivavy nahazo ny haja sy ny maha-izy azy mendrika ho azy ireo tao Afganistàna ny fitanisàna andalan-tsoratra masina islamika, milaza andalana avy amin'ny Korany, na ny asan'ireo manampahaizana Silamo, mba hanaporofoana fa mifanohitra amin'ny finoana Silamo ny fanararaotana vehivavy.

Saingy hatreto dia tsy mahavita afa-tsy ny manohana ny zon'ireo vehivavy ny adihevitra iray momba ny zon'ny vehivavy afantoka fotsiny amin'ny resaka ara-pinoana. Mbola hisy hatrany ny sasany toy ilay solontenan'ny filankevitra ara-pivavahana ao Kabul vonona ny hamadika ireo soratra masina hamelezana indray ny vehivavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.