Miresaka Ny Fitsarana An-tendrony Ao Amin'ny Firenena Ny Lahatsary Mannequin Challenge Bahrainita

A screenshot of the Bahrain mannequin challenge.

Pikantsarin'ny lahatsary Mannequin Challenge Bahrain.

Nanome endrika Mannequin Challenge  mba hiresahana ny fitsarana an-tendrony ao Bahrain i Omar Farooq , mpanatontosa sarimihetsika sady mpikatroka Bahrainita .

Nalaza be tao amin'ny media sosialy ny Mannequin Challenge, izay ahitana mpandray anjara tsy mihetsika ao anaty mozika sy fakan-tsary mandehandeha ao amin'ny efitrano. Nilaza ny mpanolotra fandaharana Amerikana ao amin'ny fahitalavitra NPR fa ” niainga avy amin'ny lahatsarin'ny mpisera @pvrity___ izany rehetra izany izay ahitana vondrona mpinamana tao amin'ny lisea Edward H. White any Jacksonville, Fla., izay namorona ny lahatsary voalohany [tamin'izany fomba izany].”

#manequinchallenge ZARAO‼️ RT‼️ pic.twitter.com/k1BqR6iZ1p

Ao anatin'ity lahatsary amin'ny endrika Bahrainita ity, na izany aza, nisafidy ny hanasongadina ny feon'ny  mpandray anjara tsirairay mba hitsikerana ny fiarahamoniny i Farooq.

Manomboka amin'ny teny ‘fampitandremana’ mivaky toy izao ny lahatsary :

في هذا المقطع، نحن لا نقصد فئة معينة. نحن نقصدكم كلكم… كل المجتمع!

Tsy miresaka momba ny [fiaraha-monina] iray fotsiny izahay ao amin'ity lahatsary ity. Ianareo rehetra no tianay ambara, ny fiarahamonina rehetra.

Ary avy eo dia nanontany i Farooq  hoe: “Ahoana no hevitry ny fiarahamonina?”

Toy izao manaraka izao ny filazan'ny mpandray anjara tsirairay :

Man in a khaki shirt: Heh, you are thinking Masha Allah! Do you want me to tell you how?
Man reading newspaper: The youth of today are petty. May Allah prevent calamities.
Three women wearing the hijab: All of them? Your problem is that you love to generalize.
Man with green wristband: Why are you talking about people who wear the turban [worn by Shia Muslim clerics]? Do not offend those who wear turban, you sectarians!
Man with the agal [a sort of black headband]: What did you mean, ‘us'? You're the sectarians!
Cool girl: This how society thinks. This is why I am detached from you.
ISIS (also known as Daesh or ISIL) sympathizer: Your fates are in hell. The banner of Allah endures.
Man with eyeglasses: Avoid conflict everyone! This is precisely what the West wants us to do.
Man with Nirvana shirt: Conflict? May Allah have mercy on Saddam [usually said by someone who supports Saddam Hussein].
Other man: What? May God put you together in the afterlife [an expression that means ‘May God punish you’]
Anglophones: Whatever. Guys, it’s not even that important.
Man on bicycle: You're ignorant! Speak Arabic!
Man in blue: No one is ignorant but the governments.
Other man: Governments and rules are crowns over your heads, you traitors!
Man with the agal with the man in a suit: Iran is the reason for everything that happens to us.
Man sitting: We are here. We can defend ourselves even with fighting.
Other man: Do you know that hatred causes violence? I wish you loved one another more.
Two men sitting: Love one another? You're obviously talking about gay marriage.
Two men: This is a product of the vindictive Masonic media.
Other man: What does Masonic mean?
Man in red: [in a mocking tone] Ma-Sony or Ma-Apple?
Man with iPhone: Apple is the brainchild of one person who changed the world. What have you done?
Women protesting: Are you saying that girls don’t have any role in the society?
Condescending man: I wish I could see protesting every day!
Poor man sitting: Why is it so? Why do they have everything while I don’t even have enough food to feed myself.
Man in wheelchair: Thank God. At least you can walk.

Lehilahy mitafy lobaka kaki: Eh, ianareo mieritreritra Masha Allah [vaovao tsara]! Moa ve tianareo ny hilazako aminareo ny fomba anaovana izany?
Lehilahy mamaky gazety: Tsy matotra ny tanora amin'izao andro izao . Enga anie Allah hisoroka ny loza.
Vehivavy telo mitafy  hijab: Izy rehetra ireo? Tia manao safobemantsina ny olana aminareo.
Lehilahy manao fehitanana maitso : Nahoana ianareo no miresaka momba ny olona mitafy hamama [fitafin'ny mpitondra fivavahana Shiita]? Aza manafintohina ireo mitafy hamama, ianareo mpanavakavaka ara-pivavahana !
Lehilahy mitafy agal [karazana fehiloha mainty ]: Inona no tianareo holazaina: ‘isika'? Ianareo no mpanavakavaka ara-pivavahana!
Ankizivavy milamina : Izany no fomba fijerin'ny fiarahamonina. Izany no antony hialako aminareo.
Mpanohana ISIS (fantatra ihany koa amin'ny hoe Daesh na ISIL) : Any amin'ny helo no anjaranareo. Maharitra ny fanevan'i Allah .
Lehilahy manao solomaso: Alaviro ny ady ry zareo! Izany indrindra no tian'ny Tandrefana ataontsika .
Lehilahy manao lobaka Nirvana : Fifandirana? Enga anie Allah hamindrà fo amin'i Saddam [matetika tenenin'ny olona manohana an'i Saddam Hussein].
Lehilahy iray hafa : Ahoana? Enga anie Andriamanitra handefa anareo any ankoatra [izay midika hoe “Andriamanitra anie hanasazy anareo ‘]
Mpiteny anglisy: Na inona na inona. Ry zalahy, tsy dia tena manan-danja izany.
Lehilahy mitaingina bisikileta: Tsy mahalala ianareo ! Mitenena teny arabo!
Lehilahy mitafy manga: Tsy misy ny tsy mahalala afatsy ny fitondram-panjakana.
Lehilahy iray hafa:  Satroboninahitra eo ambony lohanareo ny fitondram-panjakana sy ny lalàna, ry mpamadika a!
Lehilahy manao agal sy lehilahy mitafy palitao: Irana no anton'ny zava-drehetra izay mitranga amintsika.
Lehilahy mipetraka: Eto izahay. Tsy afaka miaro ny tenanay izahay na dia miady aza.
Lehilahy iray hafa: Fantatrao ve fa ny fankahalana no mahatonga ny herisetra? Enga anie hifankatia bebe kokoa ianareo.
Lehilahy roa mipetraka : Mifankatia hoe? Mazava ho azy fa miresaka momba fanambadian'ny pelaka ianareo.
Lehilahy roa : Vokatry ny fampitam-baovao framasao mpamaly faty izany.
Lehilahy iray hafa: Inona no dikan'ny framasao?
Lehilahy mitafy mena: [amin'ny feo maneso] Ma-Sony na Ma-Apple?
Lehilahy mitondra iPhone: Famoronan'ny olona iray izay nanova an'izao tontolo izao ny Apple. F'inona ‘ty nataonareo?
Vehivavy manao hetsi-panoherana: Moa ve ianareo milaza fa tsy manana anjara ao amin'ny fiarahamonina ny ankizivavy ?
Lehilahy miavonavom-pijery : Tiako raha mba mahita fihetsiketsehana isan'andro aho!
Lehilahy mihantra mipetraka: Nahoana no toy izany? Nahoana izy Ireo no manana ny zava-drehetra kanefa tsy manana akory aho na dia sakafo hohanina aza.
Lehilahy mipetraka amin'ny seza misy kodiarana: Misaotra an'Andriamanitra. Fara faharatsiny afaka mandeha ianareo.

Tamin'ny antsafa niarahana tamin'ny fantsom-baovao Saodiana Al-Arabiya, nilaza i Farooq fa natao hanaovana sarimihetsika ireo hevitra ireo, kanefa nanapa-kevitra ny hanararaotra ny fanaovana izany izy rehefa nahita ny Mannequin Challenge nalaza an-tserasera  ;

Nanambara ny tanjony tao ambadiky ny lahatsary ilay Bahrainita mpandefa lahatsary YouTube Omar Farook.

Nanovo hevitra avy amin'ny fitroarana malaza izay nanomboka tao Bahrain dimy taona lasa izay [mg] i Farooq rehefa nanontaniana momba ny hevi-dehibe sy ny hafatra avy ao amin'ny lahatsary. Nisedra famoretana mahery setra avy amin'ny manampahefana io hetsika io:

As Bahrainis, we witnessed a crisis in 2011. I think that the conflict between Sunnis and Shiites must be stopped. There are still people who use sectarian jokes that might provoke discord in society and hatred among the people.

Nanatri-maso ny krizy tamin'ny taona 2011 izahay Bahrainita. Mino aho fa tokony hatsahatra ny ady teo amin'ny Sonita sy ny Shiita. Mbola misy olona mampiasa vazivazy mpanavakavaka ara-pivavahana izay mety ahatonga fifandirana eo amin'ny fiarahamonina sy fankahalana eo amin'ny vahoaka.

Nahazo mpijery maherin'ny 263.000 ny lahatsary hatramin'ny nivoahany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.