- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miafina Ambadiky Lambam-Baravarana Ny Adihevitra Tati-baovao Momba an'i Putin ao amin'ny Esquire Rosiana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Akon'ny RuNet
Photo: Kremlin Press Service / Edited by RuNet Echo

Sary: Sampan-gazety Kremlin / Namboarin'ny RuNet Echo

Tamin'ity herinandro ity, hitan'ny vahoaka kokoa ny fomba fandehan'ny famoahan-dahatsoratra ao amin'ny gazetiboky Esquire Rosiana, tao anatin'ny fisafotofotoana ity gazetiboky ity vao haingana, taorian'ny nandaozan'ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra roa [1], teo anelanelan'ny Aogositra sy Oktobra, sy ireo mpiasa maromaro tsy niandry filaminan-draharaha.

Tamin'ny Alarobia, nandefa ny tsy fitovian-kevitra teo amin'ireo mpiasa roa ao amin'ny gazetiboky: lehiben'ny tonian-dahatsoratra, Sergei Minaev sy ny tonian-dahatsoratry ny media sosialy Janelle Kuandykova ny kaonty [2] media sosialin'ny Esquire ao amin'ny tambajotra fandefasan-kafatra Telegram:

Teo amin'ny fifanakalon-kevitra hitam-bahoaka, nangatahan'i Minaev i Kuandykova mba tsy “hampitondra enta-mavesatra” ny mpamakin'ny Esquire, taorian'ny nanaovany fanamarihana vao haingana ao amin'ny “ny tsongan-teny androany” an'i Vladimir Putin .

Sergei Minaev. Sary: Facebook

“Afaka miezaka mitady zavatra hafa ao amin'ny halehiben'ny tontolon'ny media mahafinaritra ve ianao?” Hoy i Minaev nanoratra, ary nampiany hoe: “Efa nanontany anao momba izany aho.”

Nilaza tamin'ny tranonkala TJournal [3] i Kuandykova fa manana fifandraisana arak'asa tsara amin'i Minaev, izay nilaza fa leo politika ireo mpamaky ny Esquire. “Saingy milaza aminao aho,” hoy Kuandykova nanizingizina, “fa ny mpamaky no maneho hevitra betsaka indrindra amin'ny resa-politika rehetra.”

Tao amin'ny Facebook, niaro [4] ny fanoherany amin'ny famoahana vaovao ara-politika be loatra ao amin'ny Telegram i Minaev, nilaza fa azo inoana hanome tsiny azy noho ny fitantohana be loatra amin'i Putin ireo mpitsikera, raha tsy niasa nanitatra ny sehatra fitateram-baovaon'ny Esquire izy.