Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Miafina Ambadiky Lambam-Baravarana Ny Adihevitra Tati-baovao Momba an'i Putin ao amin'ny Esquire Rosiana

Photo: Kremlin Press Service / Edited by RuNet Echo

Sary: Sampan-gazety Kremlin / Namboarin'ny RuNet Echo

Tamin'ity herinandro ity, hitan'ny vahoaka kokoa ny fomba fandehan'ny famoahan-dahatsoratra ao amin'ny gazetiboky Esquire Rosiana, tao anatin'ny fisafotofotoana ity gazetiboky ity vao haingana, taorian'ny nandaozan'ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra roa, teo anelanelan'ny Aogositra sy Oktobra, sy ireo mpiasa maromaro tsy niandry filaminan-draharaha.

Tamin'ny Alarobia, nandefa ny tsy fitovian-kevitra teo amin'ireo mpiasa roa ao amin'ny gazetiboky: lehiben'ny tonian-dahatsoratra, Sergei Minaev sy ny tonian-dahatsoratry ny media sosialy Janelle Kuandykova ny kaonty media sosialin'ny Esquire ao amin'ny tambajotra fandefasan-kafatra Telegram:

Teo amin'ny fifanakalon-kevitra hitam-bahoaka, nangatahan'i Minaev i Kuandykova mba tsy “hampitondra enta-mavesatra” ny mpamakin'ny Esquire, taorian'ny nanaovany fanamarihana vao haingana ao amin'ny “ny tsongan-teny androany” an'i Vladimir Putin .

Sergei Minaev. Sary: Facebook

“Afaka miezaka mitady zavatra hafa ao amin'ny halehiben'ny tontolon'ny media mahafinaritra ve ianao?” Hoy i Minaev nanoratra, ary nampiany hoe: “Efa nanontany anao momba izany aho.”

Nilaza tamin'ny tranonkala TJournal i Kuandykova fa manana fifandraisana arak'asa tsara amin'i Minaev, izay nilaza fa leo politika ireo mpamaky ny Esquire. “Saingy milaza aminao aho,” hoy Kuandykova nanizingizina, “fa ny mpamaky no maneho hevitra betsaka indrindra amin'ny resa-politika rehetra.”

Tao amin'ny Facebook, niaro ny fanoherany amin'ny famoahana vaovao ara-politika be loatra ao amin'ny Telegram i Minaev, nilaza fa azo inoana hanome tsiny azy noho ny fitantohana be loatra amin'i Putin ireo mpitsikera, raha tsy niasa nanitatra ny sehatra fitateram-baovaon'ny Esquire izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.