Mafana Fo Te-hanangana Tsangambato Ho an'ilay Mpanao Ratsy Malaza Indrindra Anty Sarimihetsika Any Rosia

Sergei Bodrov Jr. Loharaono: Youtube.
Fotoana fohy taorian'ny Revolisiona EuroMaidan sy ny fakàna an-keriny an'i Krimea tamin'ny 2014, nanapa-kevitra i Roman Sergeev, lehilahy 36 taona, talen'ny trano mpamokatra rakitsary ao Mosko, fa hanatanteraka nofinofy efa ela: hanorina tsangambato ho an'i Sergei Bodrov Jr., ilay mpilalao izay namelona an'i Danila Bragov tao anatin'ilay rakitsary Rosiana Brat (1997) sy Brat II (2000) niondanan'ny maro. Noho i Rosia manohana ireo hetsika mpisintaka any atsinanan'i Okraina sady manao fampielezankevitra an'habakabaka any Siria, te-hanao an'i Bodrov Jr sy ny fahitany ny herin'ny Rosiana ananany ho tonga tsangambato i Sergeev sy ireo hafa mpamorona ny tetikasa “Brat Danila”: “Mihoatra noho ny hatramin'izay”, hoy ny soratr'izy ireo ao amin'ny tranonkalany, “tsaroanay ny filàna marika iray fanehoana ny fiarovana ny [tanin'i] Rosia sy ny vahoakany.”
Ankehitriny, taona roa mahery taty aoriana, nanomboka nahazo endrika ilay tetikasa: hatramin'ny nanombohan'ny fanentanana fanangonam-bola tamin'ny volana jona, nahangona mihoatra ny 300.000 robla, (4.650 Dolara), na manodidina ny 85 isan-jaton'ny 350.000 robla, tanjona tratrariny. (Io vola io dia ho an'ny fanomanana ny asa ho an'ny tsangambato fotsiny; raha raisina hatramin'ny hetra sy ny vidin'ny fanamboarana ny fananganana, tombanana ho 2.685.000 robla, na 41.622 dolara ny vidin'ilay tsangambato.)
Te-hanangana sarivongana varahina ao Maosko na St Petersburg, izay toerana nandraketana an-tsary ny Brat sy Brat II ireo ekipan'ny Brat Danila; any amin'ny tena toerana izay mbola mila fantarina tsara amin'ny alalan'ny fitsapankevitra natao tao amin'ny vohikalan'ny tetikasa sy amin'ny fiarahamiasa amin'ny manampahefan'ny tanàna. Amin'izao fotoana izao, mitarika ny fitsapankevitra an-tserasera i St Petersburg aminà elanelan'isa midadasika.
Ny lafy roan'i Brad dia milaza ny tantaran'i Danila Bragov, miaramila Rosiana izay niverina nody tao amin'ny fireneny rehefa avy niady tamin'ny Ady Voalohany tany Tsetsenia, ary nandray anjara tamin'ny vono olona mahery setra tany St Petersburg. Nanjary iray amin'ireo mpamono olona natahorana indrindra tao an-tanàna izy, mampiseho ny fihetsika mifantoka amin'ny tontolo “farany andrefana” nananan'ny heloka bevava voaomana tao Rosia tamin'ny 1990.
Mampiakatra ny lazan'i Bodrov Jr ny Brat Danila, na dia tapaka antenantenany tamin'ny 2002 aza ny fiainany sy ny asany, fony izy sy mpikambana 27 mpikambana ao amin'ny ekipa sarimihetsika namoy ny ainy tamin'ny fihotsahan'ny tany tany amin'ny tendrombohitr'i Caucase. Nitombo ny lova navelan'i Bodrov Jr taorian'iny fahafatesany nampalahelo iny, ary mbola mitoetra ho iray amin'ireo mpilalao sarimihetsika malaza indrindra amin'ny sarimihetsika taorian'ny vanimpotoana Sovietika i Bragov: ny endrik'i Bodrov Jr dia maneho karazana jiolahy-manindrahindra lehilahy- iray amin'ny hery, voninahitra ary tsy fivadihana – izay mitana toerana lehibe ao amin'ny fiarahamonina lehilahy Rosiana ankehitriny.
Ny hetsika Brat Danila dia tonga tao anatin'ny ezaka mivelatra kokoa nataon'ireo Rosiana manampahefana mba hanorina ho tsangambato ireo olo-malaza ara-tantara: vao haingana ny sarivongan'i Vladimir Lehibe no naseho tany ivelan'i Kremlin, ary tamin'ny volana Oktobra ny tanànan'i Oriol nanangana ny sarivongan'i Ivan-Ilay-Lozabe. Misy mihitsy aza eritreritra hanorenana ny sarivongan'i Mikhail Kalashnikov, mpamorona ilay basy mitondra ny anarany.
Toy izany koa, antenain'ny Brat Danila fa ilay tsangambato dia “hiaro ny sarin'i Danila ho toy ny vato fehizoro manandanja ho an'ny kolontsaina fitiavan-tanindrazana” ary “hamorona marika iray hanampy hitondra ny olona hivondrona.” Amin'ilay tetikasa pejy fanangonambola, ireo mpanorina ny Brat Danila manoratra hoe inoan'izy ireo fa “ho afaka hampiray ny olona sy hanao fanambaràna mazava momba ny hevi-pirenena [Rosiana] i Danila Bagrov”.
Аналогов российская культура не создавала более пятнадцати лет. Появившись на экране во время глубочайшего кризиса нашей страны, Данила стал настоящим примером и опорой для многих ребят того времени, росших без отца или старшего брата.
Ny kolontsaina Rosiana tsy namorona na inona na inona toa azy nandritra ny 15 taona. Niseho teo amin'ny efijery mandritra ny krizy lalin'ny firenena, Danila lasa tena modely amin'ny fomba fanohanana ny ankizy maro izay nitombo tao anatin'ny fotoana tsy nisy ray na zokilahy.
Ireo seho an-tsehatra fohy voalohany nataon'i Vasily Goncharov, mampiseho an'i Bodrov Hr miakanjo toa an'i Bragov, manao akanjo bà matevina ary mitondra kitapo babena. Ho atao amin'ny alimo ilay sarivongana ary hosokirina manara-drefy.

Ny seho an-tsehatra fohy sy famaritana ny momba ilay tsangambaton'i Sergei Bodrov, haorina ao Maosko na St Petersburg.
Hosoratana eo an-tongotr'i Bodrov Jr ny fehezanteny “mino aho fa ao anatin'ny fahamarinana no misy ny tanjaka” notsoahina angamba avy amin'ny sehatra malaza indrindra tao amin'ny Brat II, izay anontanian'i Danila ny Amerikana iray mikasika ny fifandraisana misy amin'ny vola, tanjaka ary fahamarinana.
Вот скажи мне, американец, в чём сила! Разве в деньгах? Вот и брат говорит, что в деньгах. У тебя много денег, и чего? Я вот думаю, что сила в правде: у кого правда, тот и сильней! Вот ты обманул кого-то, денег нажил, и чего — ты сильней стал? Нет, не стал, потому что правды за тобой нету! А тот, кого обманул, за ним правда! Значит, он сильней!
Lazao amiko ry Amerikana, inona ny tanjaka. Tena ny vola ve izy io? Ny rahalahiko mteny hoe vola izy io. Manana vola be ianao, nefa inona no dikany? Mino aho fa mifandray amin'ny fahamarinana ny tanjaka: izay manao ny marina dia mahery! Nanambaka olona tsy manambola ianao, dia inona no tohiny – niha-nahery kokoa ve ianao? Tsia, tsy niha-nahery ianao, satria tsy marina ianao. Ary ilay olona nambakainao, marina izy. Midika izany fa mahery kokoa izy.
Eo afovoan'ny fihemoran'ny toekarena sy ny kabary tsara lahatra manohitra ny Amerikana avy amin'ireo manampahefana sy ny andrim-panjakana, moramora kokoa ny mahita ny antony mahatonga ny sarivongan ‘i Bodrov mety hanako amin'ny Rosiana.
Nahatsangana fisiana manan-danja teny anaty haino aman-jery sosialy ny Brat Danila, tamin'ny fitantanana kaontyInstagram, VKontakte, sy Odnoklassniki. Ao anaty lahatsary iray fampahafantarana eo amin'ny tranonkalany, mangataka amin'ireo mpankafy i Sergeev mba haka sary azy ireo manoroka ny namany sy ny ray aman-dreniny miaraka amin'ny tenifototra #БратДАНИЛА
Efa dodona ireo mpampiasa Instagram hampiasa ilay tenifototra mandritra ny volana hatramin'ny nanombohan'ny tetikasa.
Sary nalefan'i Брат Данила (@bratdanila)
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy

Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...