- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mozambika: Ny Anjara Asan'ny Serasera Vaovao Amin'ny Fampiroboroboana Ny Zo Hahazo Vaovao

Sokajy: Mozambika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka
Sede do CEC em Maputo. Foto: Manuel Ribeiro/GV

Foiben'ny CEC ao Maputo. Sary: Manuel Ribeiro/GV

Ny Lalànan'ny Fampitam-baovao sy ny Anjara Asan'ny Serasera Vaovao ao anatin'ny zo fampiroboroboana ny vaovao ao Mozambika no ho lohahevitra roa hifanakalozan-kevitra ao amin'ny Fihaonambe Iraisam-pirenena ho an'ny Foibem-pampianarana Marorantsana ho an'ny Serasera na CEC [1] sy ny Foibem-pampianarana sy fikarohana ho an'ny Serasera na Sekelekani [2]. Hotontosaina any Bilene ny fihaonana (tokony ho 200 km any avaratr'i Maputo), ny 24 sy 25 Novambra, ary hatrehin'ny mpikamban'ny fiarahamonim-pirenena ao Mozambika sy ireo mpanao gazety iraisampirenena .

Hanatrika ny fihaonambe ny Global Voices mba hiresaka momba ny asa fanaovan-gazetin'ny olom-pirenena eo amin'ny sehatry ny fampitam-baovao.