Manolotra an-dRamatoa Ilhan Omar, miozolomana manana fiaviana Somaliana izay nahatonga ny fihetseham-po tamin'ny fifidianana amerikana tao amin'ny tranonkala Africa News, ilay bilaogera Carole Kouassi :
Ilhan Omar vient d’entrer dans l’histoire des états-Unis et dans celle de son pays d’origine, la Somalie. Mardi, elle a été la première femme somalienne et musulmane a être élue à la Chambre des représentants des Etats-Unis….
A 34 ans, l’activisme de la jeune analyste politique commence à payer. Alors qu‘à l‘âge de huit ans elle a dû quitter son pays natal en raison de la guerre civile, Ilhan Omar s’est retrouvé dans un centre de réfugiés kényan. De là, elle immigrera vers les États-Unis avec sa famille. Peu à peu, elle commence à se forger une carrure de femme politique et se bâtit une réputation au sein du DFL, parti au sein duquel son grand-père a également fait ses classes.
Vao haingana no niditra tao amin'ny tantaran'i Etazonia sy ny tantaran'ny tanindrazana niaviany, dia i Somalia, i Ilhan Omar. Tamin'ny talata, izy no vehivavy Somaliana miozolomana voalohany voafidy tao amin'ny Biraon'ny Mpisolontena ao Etazonia ….
Nanomboka nahitam-bokatra ny fikatrohan'ilay tanora mpandalina ara-politika 34 taona. Nipetraka tao amin'ny foiben'ny mpitsoa-ponenana Kenyana i Ilhan Omar raha tsy maintsy nandao ny tanindrazany, noho ny ady an-trano teo amin'ny faha valo taonany. Nifindra monina tany Etazonia niaraka tamin'ny fianakaviany izy taorian'izay . Nanomboka niofana tsikelikely ho vehivavy mpanao politika izy ary niha-nahazo laza tao amin'ny DFL izay antoko nahitana ny raibeny ihany koa .
Nanomboka tamin'ny faha 14 taonany i Ilhan no liana hanao politika, rehefa nanao mpandika teny ho an'ny raibeny izy tao amin'ny fivorian'ny Antokon'ny Mpiasa Demaokraty (DFL) tany ifotony. Ny fahitany ny mpiray vodirindrina nivory hitaky fiovana eny ifotony no nahafahany nandalina ny dingana ara-demaokratika.
Hisolo tena ny Antokon'ny Mpiasa Demokratika (DFL) izy, hetsika mifandray amin'ny Antoko Demaokraty ao amin'ny Distrika 60B Minneapolis, ao amin'ny fanjakan'i Minnesota.