Taorian'ny Namonoan'ny Manamboninahitra iray an'ilay “Mpisetrasetra Fantadaza”, 15 taona , Ny Paikan'ny Polisy Izao no Kendren'ireo Trinidadiana

Fiaran'ny sampandraharahan'ny polisy ao Trinidad sy Tobago (TTPS). Sary an'i Taran Rampersad, nahazoana alàlana.
Mizarazara ny hevitra ao Trinidad sy Tobago momba ilay namonoan'ny polisy an'ilay zazalahy 15 taona, Josiah Ramsahai, tamin'ny 17 Novambra 2016 teo. Ireo manamboninahitra misisika milaza fa nitondra fitaovampiadiana ary nitifitra azy ireo ilay zazalahy talohan'ny nahafaty azy tao anaty fifanjevoana. Ny havan'ny maty kosa manambara fa novonoina izy.
Mifandray amin'izany dia nampiseho basy poleta 9mm ny polisy izay lazain-dry zareo fa nentin'i Ramsahai, ary ‘mpisetrasetra fantadaza’ no anondroan-dry zareo azy, satria efa nanana vesatra 13 hafa nanenjehana azy izy tany aloha tany, isan'izany ny hafatra, ny fitaovampiadiana ary ny fitànana zava-mahadomelina, sy fanolanana.
Isisihan'ny havany ny filazàna fa ‘raharaha notefena’ sy noforonina daholo ireny vesatra ireny. Nafahana avy any amin'ny fonja natao ho an'ny zaza tsy ampy taona i Ramsahai rehefa nandoa onitra, volana iray talohan'ny namonoana azy.
Nilaza ny fianakavian'ilay zazalahy fa nametraka fitoriana an'ireo polisy roalahy izay lazain-dry zareo fa nandrahona hatrany an'i Ramsahai hatramin'ny namotsorana azy, saingy nolazain'ny Police Complaints Authority (PCA), sampana mpandray fitarainana, fa tsy misy na inona na inona voarakitra momba izany any amin'izy ireo.
Mandritra izany, misy tatitra mampifanditra mikasika ilay tranga. Ny sasany amin'ny nanatri-maso nilaza fa tsy nampiasa fitaovampiadiana velively i Ramsahai, fa naleony nisafidy ny handositra ireo polisy; ny hafa milaza fa nitifitra ireo polisy izy, izay namaly tifitra sy voalaza fa nitifitra azy in-6 ka hatramin'ny in-17 teo.
Ilay famonoana dia nampipoitra indray ny olan'ny fahatokian'ny vahoaka ny polisy, izay mazàna no heverina fa maka ny lalàna ho eo am-pelatanan-dry zareo manokana. Tsy ela akory izay ny lehiben'ny polisy ao amin'ny firenena, Stephen Williams, no nilaza fa eo amin'ny 150 eo ho eo ireo polisy fatritran'olona no natsahatra tamin'ny asany noho ny fiahiahiana azy ireny tamina heloka bevava maro, tafiditra amin'izany ny famonoana olona.. Wired868 nanakiana hoe:
Fantatrareo tsara fa henjana mihoatra lavitra noho izay heverinareo ny olan'ny heloka bevava eto amin'ny firenenareo, miaraka amin'ny fahitàna fa nidiran'ireo mpanao heloka bevava gaigy lahy ny sampandraharahan'ny polisy mba hahalasa azy ireo ho matianina […] Heverin'Ing. Live Wire fa làlana iray tsara hampihenana ny heloka bevava ny fanaovana an-tsapaka tobin-dasantsy iray ka mandeha any ary mibeda ny olona rehetra noho ilay Lalàna miady amin'ny Fikambanan-jiolahy.
Ao amin'ny Facebook, nafàna ny fifankalozankevitra. Nitanisa ny fanentanana Black Lives Matter (Misy Vidiny ny Ain'ny Mainty) any Etazonia i Rhoda Bharath, tamin'ny fitenenana hoe :
Aty Trinidad, any Etazonia ihany no misy vidiny ny Ain'ny Mainty.
Nefa dia misy ao ny dingana araka ny lalàna.
Eto isika manana ireo mpandravarava izay mikaroka izay zavatra azony.
#DeViceCyahDone
Ireo fanehoankevitra tamin'io tohivakana io dia niainga avy aminà mpampiasa Facebook iray nilaza hoe lasa tsy rototra intsony amin'ny herisetra ny fiarahamonina, ary tonga aminà iray hafa tsy mety resy lahatra hoe efa notezaina ny vahoaka mba “hipetraka sy handray ny Laza Oprah rehetra avy amina tanora iray jiolahimboto.”
Tohizan'ilay tohivakana, miaraka amin'ny mpaneho hevitra iray manindry ny teboka hoe “misy fahasamihafàny ny hoe tsy manantsiny sy ny hoe mpanao heloka bevava […] Ny olona tsy manantsiny novonoina dia vono olona no iantsoana azy…ireo mpanao heloka bevava novonoina dia rariny no fiantso azy.” Avy hatrany i Jere Blacks dia namaly:
Ny olana dia ny hoe “iza” no mandray fanapahankevitra hilaza hoe itsy dia mpanao heloka bevava na tsia.
Iray hafa mpaneho hevitra, Danielle Ifayemisi Frederick, no nanosoka hevitra hoe ao anatin'ny raharaha tahaka io dia miditra an-tsehatra ihany koa ny vola sy ny fifandraisana, nampiany hoe:
Zavatra mitovy ihany ny ataon'ny polisy sy ny media….samy manome tsiny ilay niharan-doza….misy fiampangàna mihantona ity iray ity[…] tsy misy fanamelohana, fiampangàna….ho antsika dia azo ampifamadihana toerana izy roa ireo ary manamarina ireo famonoana ivelan'ny fitsaràna….Tsy milaza akory aho hoe marina na diso, saingy ialako tsiny raha toa aho TSY maka ny tenin'ireo mpikambana mendri-panajàna ao amin'ny TTPS ho toy ny tenin'ny soratra masina !!
Ny tsy fahaizana miasa tamin'ny nanosorana ilay tanora ho tsy nisy hafa afa-tsy olona mampiahiahy koa dia fametrahana fanamarihana marikivy amin'ireo mpampiasa media sosialy. Vernal Damion Cadogan nanazava hoe:
Tsy ilay fitifirana no olana, ny olana dia ireo fomba fanao tsy matianina sy tsy misy firaharahiana ataon'ny polisy mampidina ny ain'olombelona ho amin'ny laharan'ny “mpisetrasetra fantadaza” sy ny fomba maharikoriko mahazatra ny olompirenena mitehaka ireny famonoana ireny alohan'ny hanombohana fanamarinana hoe nety sa tsia ilay famonoana, na filazàna ho fanta-bahoaka ireo antsipirihany rehetra momba ilay fitifirana ka hahafahana mihevitra toy izany.
Raha izao fizotra izao, dia nitifitra tanora iray Afro-Trini fotsiny ny TTPS ary nanosotra azy ho “mpisetrasetra fantadaza” ka ho faly ny vahoaka amin'izany satria eo ambany vahohon'ireo mpanao heloka bevava ry zareo [tsss].
Tsy inoako ny hisian'ny fanavotana ho an'i Trinidad miaraka amin'izao toetran'ny olompirenena mandrafitra azy ankehitriny izao.
Taty aoriana kely, nampiany hoe :
Ny ampahany tena mandreraka marina momba ireny fifanakalozankevitra ireny dia ny hoe hojeren'ny olona, ary ho adikany fankasitrahana ilay namoy ny ainy ary fanoherana ny TTPS [Trinidad and Tobago Police Service].ireo fanehoankevitra, toy ny ahy.
Iray naneho hevitra, milaza ny tenany ho manamboninahitry ny polisy, namaly hoe :
Teny efa fampiasa foana ny Mpifanolobodirindrina/vohitra Mpisetrasetra, ary hitako ho hafahafa raha tampotampoka eo lasa manana olana amin'izany ny vahoaka satria ilay izy resaka ankizy 16 taona [tsss]. Nahafantatra manokana io ankizy io ve ianareo? Izaho manokana, eny, ary tsy tambo ho isaina ireo manamboninahitra hafa ato anatin'ny distrika niresaka taminy momba ireo fanafihana nataony, indrisy tsy nanampy velively ny fianakaviana.
Efa nampanao fanadihadiana momba ilay famonoana ny Sampana mpandray fitarainana ao amin'ny polisy.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...