GV Face: Filoha Obama, Fotoana Izao Hamindranao Fo An'i Oscar López Rivera Izao [Mivantana Amin'ny 6 Hariva GMT Amin'ny 23 Nov]

Iray amin'ireo gadra politika migadra ela indrindra eto amin'izao tontolo izao izy. Efa nandany ny antsasaky ny fiainany tany am-ponja izy..

Nogadraina nandritra ny 35 taona ilay Pôrtô Rikàna Oscar López Rivera, voaheloka ho nanao teti-dratsy hikomy noho ny tolony ho amin'ny fahaleovantenan'i Pôrtô Rokô. Kanefa tsy voampanga na voaheloka ho nitera-doza ho an'ny olona izy. Migadra mandritra ny 70 taona i López Rivera, ka mahatonga azy ho gadra politika nigadra ela indrindra teo amin'ny tantaran'i Pôrtô Rikô.

73 taona i Oscar, ary handray 80 taona amin'ny daty voalaza fa hamotsorana azy amin'ny taona 2023. Mangataka amin'ny filoha Barack Obama mba hamotsotra azy alohan'ny hialàny amin'ny toerany amin'ny Janoary 2017 ny hetsika eny ifotony izay tohanan'ireo mpitarika isan-karazany ara-politika, sivika sy mpitondra fivavahana ary koa mpanakanto sy olo-malaza.

Amin'ity fizarana amin'ny andiana Global Voices Hangout, GV Face ity, hiresaka momba ny hetsika ho famindràna fo an'i Oscar López Rivera miaraka amin'ny ekipa manabngom-baovao momba an'i Pôrtô Rikô ho an'ny Global Voices izahay: Firuzeh Shokooh Valle, tonian-dahatsoratra namantsika amin'ny teny Espaniola; Angel Carrión, mpiangaly mozika sady mpandray anjara ato amin'ny GV; ary ilay mpahay tantara sady mpandray anjara amin'ny GV, Ana Gabriela Calderóna.

Ny hajian-tsary ampiasaina amin'ity tantara ity dia milaza Fanafahana an'i Oscar ary avy amin'i Kike Estrada, nahazoana alalana avy amin'ny planetakike.com

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.