Iray amin'ireo tanàna be mponina indrindra manerantany i Dhaka [2], renivohitr'i Bangladesh. Fantatra amin'ny tsy fisian'ny fitateram-bahoaka mahomby sy ny lazan'ny fitohanan'ny fiara [3]izy. Tsy tomombana [4]sady tsy azo antoka ny tolotra fiarakaretsaka misy. Ka tsy mahagaga raha noderain'ny maro ny fametrahana tolotra taxi Uber [5].
.@Uber [6] launches operation amid corruption-hit public #transport [7] system of #Dhaka [8] city in #Bangladesh [9]
— Sam Jahan (@samjahanAFP) November 22, 2016 [10]
Manomboka miasa ao anatin'ny rafi-pitateram-bahoaka feno kolikoly ao an-tanànan'i #Dhaka [8] ao #Bangladesh [9] ny@Uber [6]
Great to have @Uber [6] in Bangladesh. Just checked, Lalmatia-Greenroad will cost around 100 tk. Great deal indeed. pic.twitter.com/fC5uOpLGmX [11]
— ibtihaj ahmed fahad (@fahadbd24) November 22, 2016 [12]
Faly fa manana @Uber [6] ao Bangladesh. Hamarino fotsiny, hitentina 100 TK eo ho eo i Lalmatia-Greenroad. Raharaham-barotra goavana tokoa.
Use promo code ‘UberBDLaunch’ and get free ride as a new rider in Dhaka.#UberFact [13] #UberInBangladesh [14] #UberInDhaka [15] #Uber [16]
— BisawajitChakravarty (@Bisawajit) November 22, 2016 [17]
Ampiasao ny kaody promo ‘UberBDLaunch’ ary mahazoa fitaingenana maimaim-poana amin'ny maha mpitaingina vaovao ao Dhaka.#UberFact [13] #UberInBangladesh [14] #UberInDhaka [15] #Uber [16]
Misy ao amin'ny tanàna 450 manerantany ny Uber, orinasam-pitaterana antserasera Amerikana manana ny foibeny ao San Francisco. Iray amin'ireo zava-tsarotra ny fitadiavana fiarakaretsaka ao Dhaka ary zara raha misy ireo tolotra taxi antsoina an-tariby. Miaraka amin'ny Uber, afaka miantso taxi mora foana [18] ny mpandeha amin'ny alalan'ny fampiharana hita maso amin'ny finday ary avy eo misy maka. Afaka manombana amin'ny alalan'ny tolotra na ny fitondran-tenan'ny mpamily ny mpandeha ary tahaka izany ihany koa, afaka manombana ny mpandeha ny mpamily. Mandray fandoavam-bola eo ho eo [19] ny Uber ao Bangladesh rehefa vita ny dia. Nitsangana tamin'ny taona lasa [20]ny tolotra hafa tahaka izany antsoina hoe Chalo, saingy tsy nahavita nampisy fiantraikany bebe kokoa.
So @Uber_BD [21] launched in Bangladesh today and this is impressive. Having said that, also one of the most upscale neighborhoods in town. pic.twitter.com/GwuapsrkHe [22]
— Zyma Islam (@zymaislam) November 22, 2016 [23]
Ka nampahanfatarina tao Bangladesh androany ny @Uber_BD [21] ary mahatalanjona izany. Lazaina koa fa, iray amin'ireo mampiaka-danja ny manodidina izany.
Folks with 2+ cars complaining about how #Uber [16] will make the already #hotmess [24] of a #DhakaTraffic [25] worse.#smh [26] #Dhaka [8] #traffic [27] #UberInDhaka [15]
— Karim Waheed (@karimwaheed25) November 22, 2016 [28]
Mitaraina ny olona manana fiara maherin'ny 2 fa hanampy trotraka ny fitohanan'ny fiara efa miha-ratsy ao #Dhaka [25] ny fisian'ny #Uber [16].
Manana fiara eo amin'ny 300 eo miasa [29] ao Dhaka ny Uber ary miampy tsikelikely isan'andro izany.
nientanentana momba ny Uber ao Dhaka i Bakhtiyar Ashraful [30] :
What an uber surprise! This is going to help our city.
Uber Tsy nampoizina! Hanampy ny tanànantsika izany.
Uber has taken a massive challenge launching the service in Dhaka. Kudos to them. Hope they succeed.
— Asif Ferdous (@aasiferdous) November 22, 2016 [31]
Nandray fanamby goavana amin'ny fametrahana ny tolotra ao Dhaka ny Uber. Miarahaba azy ireo. Antenaina fa hahomby izy ireo.
Milaza [32] ny Uber fa hampihena ny fitohanan'ny fiara ao an-tanàna ny tolotra. Saingy tsy niombon-kevitra tamin'izany i Solaiman Sukhon [33]:
উবার কিন্তু উড়ে না !!
ঢাকার মহাকাব্যিক যানজটে সিএনজি,রিকশা আর উবার সবই এক.
Tsy manidina ny Uber!!
Amin'ny fitohanan'ny fiara lavabe ao Dhaka, mitovy avokoa ny kodiaran-telo, ny posy-bisiliketa ary ny Uber.
Rezaur Rahman [34] kosa mihevitra fa ny (fiarahan'ny maro mitaingina fiara iray) no vahaolana amin'ny olan'ny fitohanan'ny fiara ao Dhaka:
I don't really understand why there is such excitement about Uber entering the Bangladesh market when it has been fully or partially banned in cities across the US, Japan, Germany, France, the Netherlands, Australia etc. for its subversion of labor laws, flouting of licensing regulations, competition and consumer laws and exposing passengers to sexual assault. Don't be seduced by the brand name or the ‘ease’ of mobility it supposedly offers.
Tena tsy takatro ny antom-piasian'ny fientanentanana tahaka izao noho ny Uber miditra amin'ny tsena ao Bangladesh kanefa voaràra tanteraka na amin'ny ampahany any amin'ny tanàna manerana an'i Etazonia, Japana, Alemana, Frantsa, Holandy, Aostralia sns izy noho ny fanakorontanany ny lalàna momba ny asa, mandika ny lalànan'ny fahazoan-dalana, ny lalànan'ny fifaninanana sy mpanjifa ary mahatonga ny mpandeha ho mora lasibatry ny herisetra ara-nofo. Aza sodoka amin'ny anarana marika na ny ‘fahamoran'ny’ tolotra lazaina fa atolony.
Misy ihany koa ny fanahiana hafa [35] raha hahomby ao Bangladesh ny Uber. Saingy ny fotoana ihany no afaka hilaza raha tena mila tolotra taxi tsara kokoa sy azo antoka ny olona ao Dhaka.