- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitiavana Mandresy Fankahalàna: Ny Podcast-n'ny Herinandro Lasa Teto Amin'ny Global Voices

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Amerika Avaratra, Amerika Latina, Azia Atsinanana, Etazonia, Kiobà, Syria, Taiwan (ROC), Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Global Voices Podcast

Amin'ity herinandro ity, atombotsika amin'i Etazonia izay itantaran'i Omar Mohammed ny sombin-tantara nosoratany, “Amerika  Nitia Anao Aho [1]” ary avy eo ho entinay ianao ho ao Kiobà, Siria ary Taiwan, ho amin'ireo tantaram-pitiavana sy fahalalahana maneho hevitra tao anatin'ireo fotoanan'ny fahasamihafàna sy ny fankahalàna mihitsy koa aza.

Ny podcast-n'ny Herinandro Lasa dia mijery ny sasany amin'ireo tantara izay nivoaka tsy ela avy ato amin'ny efitrano famoahambaovaon'ny Global Voices. Eto izahay dia mampifandray anao amin'ireo olona, toerana ary hetsika avy any amin'ny lafivalon'ny tany izay tsy omen'ireo media ny fandrakofana mendrika ho azy ireny.

Fisaorana mitafotafo ho an'i Omar Mohammed [2], I-Fan Lin, [3] Budour Hassan [4], Andrea Chong Bras sy Sara Holmes [5]ary Firuzeh Shokooh Valle sy ireo mpanoratra rehetra, mpandika ary tonia mpamoaka lahatsoratra, izay nanampy nahatontosàna ity ampahany ity.

Ao anatin'ity ampahany ity, nasongadinay ireo mozika nampiasàna ny lisansa Creative Commons avy ao amin'ny Free Music Archive, isan'izany ny Please Listen Carefully an'i Jahzaar [6]; I’m what you’d be without her [7] an'i Doctor Turtle; Solitude [8] an'i Jahzarr, Crying Earth [9] an'i Kai Engel; ary I fell too much in love [10] an'i Nick Jaina.

Fisaorana manokana ho an'i Andrea Arzaba, mpandray anjara ato amin'ny Global Voices tamin'ny nanampiany anay tamin'ny lafiny mozika.

Ny sary asongadina dia avy amin'ny hetsika iray nanoherana an'i Trump tao New York ny 12 Novambra 2016 teo. Sary an'i [11] B.C. Lorio (CC BY-NC-ND 2.0).