- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo Mpandresy Tamin'ny Marathon Klasika Andiany Faha-34 Tao Athena

Sokajy: Eoropa Andrefana, Gresy, Kenyà, Fahasalamàna, Fanatanjahantena, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tanora, Vaovao Tsara
Athens Authentic Classic Marathon, 2016. Photo: Athens Classic Marathon Facebook Page [1]

Marathon miavaka tao Athena , 2016. Sary: Pejy Facebook Athens Classic Marathon

Natao tany Gresy tamin'ny faran'ny herinandro teo ny Marathon Atena Klasika  faha-34. Nanamarika [2] ny faha 120 taonan'ny marathon maoderina voalohany izay nokarakaraina tamin'ny Lalao Olympika voalohany tamin'ny taona 1896 ny hazakazaka tamin'ny 13 Novambra tamin'ity taona ity. Mankalaza ny faha 70 taona nandresen'ilay  mpihazakazaka grika Stelios Kyriakides [3]—iray amin'ireo Grika mpanao fanatanjahantena lehibe indrindra nahazo fahombiazana iraisam-pirenena—tamin'ny Marathon Boston ihany koa ity fotoana ity.

Manome voninahitra ny hazakazak'ilay miaramila Athenianina fahiny nitondra ny hafatry ny fandresena an'i Persia tany Athena taorian'ny Ady tao Marathon [4] tamin'ny taona 490 talohan'ny Jesoa Kristy ny marathon klasika .

Ankoatra ny làlana mahazatra 42 kilometatra, dia nisy ihany koa ny lalana fohy kokoa 5 kilometatra sy 10 kilometatra, ny dia an-tongotra, ny ‘hazakazaky ny ankizy, ary ny hazakazaka Lalao Olaimpika  manokana .

Mitombo isan-taona ny isan'ny mpandray anjara, misarika mpihazakazaka matihanina na mpankafy fotsiny amin'ny sokajin-taona sy fiaviana samihafa. Olona  50.000 no nandray anjara tamin'ity marathon nahitana mpandray anjara betsaka indrindra ity, araka ny Federasiona Atletisma Grika.

50.000 ny olona mankafy ny fandraisan'izy ireo anjara [tao amin'ny Marathon], amin'ny fomba araka izay tiany avy sy araka ny fahatanjahany.

Maro ihany koa ireo nanatevin-daharana an-tsitrapo tamin'ny hetsika, nampiasa ny rafitra [8] vaovao fisoratana anarana an-tserasera  .

Ireo mpandresy

Ilay Kenyana Luka Rotich Lobuwan 28 taona no mpandresy tamin'ity fifaninanana ity, izay nahavita ny 42 kilometatra niala avy eo an-tanandehiben'i Marathon nankany Athena tao anatin'ny 2 ora, 12 minitra sy 49 segondra. Kenyana roa hafa Kipruto Benson sy Kimtai Andrew Ben no nahazo ny laharana faha roa sy faha telo.

Marathon 2016: Luka Rotich Lobuwan avy any Kenya no mpandresy.

Christoforos Merousis no grika mpandresy voalohany, izay laharana fahafolo, nahavita 2:24:56.

Izy no  grika voalohany nahavita ny Marathon 2016 tao Athena.

Tao amin'ny hazakazaka sokajy vehivavy, ilay Kenyana Nancy Arusei no nahazo ny laharana voalohany nahavita izany tao anatin'ny 2:38:13, raha nahavita ny hazakazaka tao anatin'ny 2:49:24 ilay vehivavy grika voalohany  Rania Rebouli.

Fandraisana anjara maro be

Tahaka ny teo aloha, nisy ny fandraisana anjara maro tamin'ny hazakazaka fohy 5 kilometatra sy 10 kilometatra, izay natao vao maraina ao afovoan-tanànan'i Athena, ary mifarana ao amin'ny “marbra avokoa” toerana fanaovana fanatanjahantena fahiny ao Atena [15]. Mandritra izany, misy ny hazakazaka manokana ho an'ny tanora mpifaninana sy Lalao Olaimpika manokana [16] ho an'ny atleta .

Nitranga tao amin'ny media sosialy grika ny “Marathon hafa”, raha maro ny olona nihazakazaka mba haneho hevitra momba ny hetsika sy ireo mpandray anjara, tamin'ny fampiasana ny tenirohy #AthensMarathon [5] .

Nisy ireo fanehoan-kevitra miiba mikasika ny zava-misy fa ho lasa malaza be sy ho ankafizin'ny olona ato ho ato ny hetsika toy izany, miaraka amin'ny fiheverana ny fitomboan'ny mpandray anjara izay tsy voafantina mba hahavita izany ara-batana .

Rahampitso, mihazakazaka ho an'i Athena isika rehetra, hanao selfie maro, hanao fisarihana ny saina sy fandrakofam-baovao, hanao dokambarotra, hanao “ekeko” [Facebook]…

-Nahoana ianao no manao fanamiana sy kiraro fanaovana fanatanjahantena?
-Handeha ho any amin'ny Marathon aho.
-Firy kilometatra no zakanao?
-Eo amin'ny fakana sary 20 eo ihany.

Toy ny mahazatra, ny fifandraisana am-pinday grika Wind Hellas no mpanohana ofisialin'ny ny hazakazaka tamin'ity taona ity, izay nanasa ny vahoaka hisoratra anarana amin'ny fanantevenan-daharana ny ekipan'ny fanatanjahantena .

BRAVO mafy be ho an'ny mpihazakazaka rehetra!

Ankoatra ny olon-tsotra, nanatevin-daharana ny hazakazaka ihany koa [27] ireo mpanao lalàna Grika maro  , angamba nanantena ny hahazo tombony ara-politika amin'ny alalan'ny fakana sary atao dokambarotra.  Mangarahara loatra ny tetika rehetra ho an'ireo mpisera ao an-toerana :

Mazava ho azy fa ny isan'ny fisoratana anarana nomena taorian'ny 20.000 dia mifototra amin'ny fepetram-pahalalin-tsaina irery. [mampiseho depiote grika 3 malaza avy amin'ny antoko politika samy hafa ny sary]

Ny Adiko [Nalaina tamin'ny bokin'i Adolf Hitler “Mein Kampf” –  mampiseho ilay nasionalista grika  mpanao politika ao amin'ny elatra havanana Adonis Georgiadis [32] ny sary]

Toera-miavaka ho an'ny olona maro manerana izao tontolo izao ny mihazakazaka eo amin'ny lalana natokana hanaovana Marathon.

Efa nandritra ny 6 taona  izay no nanamarihako tao anatin'ny #bokylisitra [33] ny zavatra efa vitako. Mirehareha aho momba izany. #AthensMarathon [5] #DinganaAminnyTantara [34] #Miavaka [35] #Tantara [36]

Tsy andriko ny ahatongavana any Athena hanaovana #AthensMarathon [5] ??. Eo amin'ny telo herinandro eo vao ho tonga izany … Ho https://t.co/ [38]1agmBcEFF0 [38]

Amin'ny herintaona indray any Athena !