Ao Amin'ny Amerika Vaovaon'I Trump, Hanorina Ny Rindrin'ny Fitserana i San Francisco

Sarin'ny Rindrin'ny Fitserana ao amin'ny toerana faha-16 fandraisana fiara, ao amin'ny làlana BART ao San Francisco. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Hetsika Mandan'ny Fiaraha-miory
Miaraka amin'ireo hetsi-panoherana an-jatony manohitra an'i Trump manerana an'i Etazonia, naorina tany amin'ny fiantsonan'ny fiaran-dalamby ambanin'ny tany any San Francisco ny Rindrin'ny fitserana iraisan'ny daholobe mba hanolorana fitsaboana itambarambe taorian'ny iray amin'ireo vanimpotoam-pifidianana faran'izy mampisara-bazana sy nampifanenjana indrindra tamin'ny tantaran'i Amerika.
Muriel MacDonald, Tamilla Mir, ary Melissa Goldman, ireo vehivavy telo ekipa mpandamina tao ambadiky ny tetikasan-javakanto iaraha-miasa ao San Francisco, dia nilaza fa “hetsika tamin'ny taratasy kely fandraikitra” nitovitovy tamin'izao natao tany New York no nanainga fanahy azy ireo, ary notapahan'izy ireo ny hevitra fa homena anarana “Rindrin'ny Fitserana ” ny tetikasan'izy ireo – amin'ny ampahany toy ny kilalaon-teny mikendry ilay fampanantenan'ny Filoha voafidy, Trump, hanangana rindrina eo anelanelan'i Etazonia sy Meksika.
Iray amin'ireo tanàna mivoatra indrindra any Etazonia i San Francisco, ary ny maro an'isa dia nifidy an'i Hillary Clinton. Tao amin'ity tanàna/faritra ity, 10 isan-jato monja no vato azon'ny Filoha-voafidy Trump, ary ny fampielezankeviny izay mivoy tsy fandeferana, fanavahana ny maha-lahy sy maha-vavy, ary fanavakavaham-bolonkoditra dia tsy azon'ny maro ekena, ao an-tanàna, ary hatramin'ireo mponin'i Kalifornia manerana ny fanjakàna, izay nahitana mpifidy efa ho roa avo heny amin'ny mpihidy no nanohana an'i Clinton noho i Trump.
Nanodidina ny olona telo arivo no nanohina ny antso ho an'ny hetsika “Rindrin'ny Fitserana ” ary tao anatin'ny 24 ora, taratasikely miloko marevaka efa ho an'arivony no nilahatra tamin'ireo rindrina tao amin'ny fiantsonan'ny fiarandalamby ambanin'ny tany miisa telo ao San Francisco.
Noforonina tany amin'ireo fiantsonana telo maro olona indrindra ao an-tanàna ny rindrina vonjimaika: ny 16th and Mission, ny 24th and Mission, ary Montgomery – ny roa amin'ireo ao amin'ny distrika Latina manan-tantaran'i San Francisco, The Mission. Vantany vao miakatra ny tohatra mekanika ireo mpandeha, dia hahita ireo taratasikely, markers fanoratana, ary naoty. Maro no variana mamaky ny fanamarihana fa ny sasany nanomboka nanoratra ny hafatra fanohanany teo amin'ireo taratasy.
Mampiasa ny tenifototra #WallofEmpathy iIreo mpiaramiasa ao ambadik'ilay tetikasa ary miantso ny tenany ho “Tafik'i Dumbledore” (manondro vondrona mpiady anaty akata noforonina tao anatin'ny lahatsary Harry Potter ary Lamin'ny Phoenix.) ary @DAGuerillas ety anaty haino aman-jery sosialy. Nanomboka tamin'ny 14 Novambra ny tetikasa ary hiaina hatramin'ny harivan'ny 18 Novambra, rehefa hanao famaranana ny hetsika amin'ny alalan'ny fanaovana mozika sy fafanakalozan-dresaka, mialoha ny handravàna ilay tetikasa zavakanto vonjimaika.
Ny “Tafik'i Dumbledore” dia manantena hanohy hamorona “asa ifotony ho an'ny zavakatom-bahoaka” mba hanoherana ny “fiantraikan'i Trump”. Nifandray tamin'i Tamilla Mirn, iray amin'ireo mpikarakara ny vondrona, ny Global Voices, izay azonao vakiana eto ambany ny tafatafa.
Global Voices (GV): Inona no nanentana anao manokana hikarakara ny Rindrin'ny Fitserana ?
Tamilla Mir (TM): Tamilla Mir (TM):Teraka tany Azerbaijan, tao ambadiky ny rindrina tany aminà firenena kaominista aho. Niandry roa taona aho mba ho tafaraka indray tamin'ny reniko teto Etazonia.Tsy fantatray izay mety hitranga fa hitady fiainana tsaratsara izahay, ny nofinofy Amerikana raha tianao. Nanohina mpifindra monina sy fianakaviana maro izay nandositra ny herisetra sy ny kolikolin'ny governemanta ny fifidianana tamin'ny herinandro lasa teo. Nony farany tonga ny Fitserana avy any amin'ny toeran'ny fangirifiriana sy famoizana ary izay no antony naniriako hampivondrona ny vondrom-piarahamonina sy hizara hafatra miabo hoe tsy irery izahay ary afaka mandresy na inona na inona mety hitranga ato anatin'ny efatra taona manaraka.

Ny Rindrin'ny Fitserana eo amin'ny fiantsonana “16th and Mission BART”. Sary avy amin'i @mzhangx mpampiasa Instagram
GV: Inona no nanaitra anao momba ny fandraisana anjara? Nisy asa nifamaly tafapetraka ve?
TM: Ny fanehoankevitra tsara betsaka no anisan'ny fandraisana anjara tsara indindra. Rehefa mitsangana eo alohan'ilay rindrina ianao ary mamaky ireo fanamarihana an-jatony izay milaza “Tiako ianao”, “Miaraka aminao aho”, “Ndao hitsangana miaraka”, manorina fihetsehampo mahery vaika izany. Ny alatsinainy, fony izahay nametraka ny fandaharanasa tamin'ny 7 ora maraina, nanana hafatra dimy izahay, nosoratanay ny telo tamin'ireo. Ora roa taty aoriana, nanomboka nanoratra ny olona, nony nifarana ny alatsinainy, feno ny rindrina manontolo ary nitohy hatrany izany. Ny tena nahafinaritra ahy dia ny mahita ny olona miakatra ny tohatra mekanika miaraka amin'ny fitaovana fihainoana, avy any nanao fanatanjahan-tena, na avy niasa, dia mijery, ary mamaky taratasy roa ary avy eo manapaka hevitra hanoratra zavatra tsara ihany koa. Ny hafatra tena nahafinaritra ahy dia “halako ianao, saingy tiako ianao”.
GV: Niteraka fiantombohan-dresaka hameno ny banga ve ilay rindrina?
TM: Nahita aho lehilahy nanao akanjo mihaja nizara sigara taminà olona tsy manan-kialofana, niresaka momba ny fanalalahana ny rongony izy ireo. Nisy lehilahy iray nohadihadianay ary nilaza fa tsy nitomany izy taorian'ny fifidianana, fa indroa nitomany tamin'ity herinandro ity. Niresaka taminà ramatoa iray miteny Espaniola aho, izay nonina teto Etazonia nandritra ny 26 taona ary nandoa hetra nandritra ny 20 taona, ary manana fahasarotana amin'ny fanazavana amin'ny zanany ny zavatra mitranga. Tamin'ny minitra farany no nitranga izany zavatra izany [ary] nampivondrona [maikamaika] nefa nampahazo toky ny mahita ireny resaka ireny mitranga.Te-hanao asa tsara kokoa izahay hampivondronana ny olona avy amin'ny fiaraha-onina samihafa amin'ny tetikasa hoavy.
GV: Lazao anay ny Momba ireo hafa mpikarakara. Ahoana no nahatonga anareo niaraka niasa?
TM: izahay sy i Muriel, mpiara-mikarakara amiko, dia efa mpinamana hatry ny ela. Nihaona tamin'ny alalan'ny namana ikambanana izahay. Nifampizarànay ny fahatairana sy alahelo lalina taorian'ny fifidianana tamin'ny herinandro lasa. Te hanao zavatra hafa ankoatry ny mamaky lahatsoratra ao amin'ny Facebook na mandefa hevitra amin'ny rindrin'ny namana izahay. Nentiny Melissa, izay nanampy anay hanohina ny haino aman-jery ary nikarakara nandritra ny hetsika. Manantena izahay ny mbola hanohy hampiasa tetikasan-javakanto iarahana mandray anjara eny amin'ny toerana iraisan'ny daholobe mba hisarihana ny saina ho amin'ny faneriterena ary hamondronana ny olona mba hihetsika.
GV: Iray amin'ireo tanàna mifangaro indrindra ary be fandeferana eto Etazonia i San Francisco, ahoana no ahafahantsika manampy hitondra izany kolotsaina izany hitety an'i Etazonia?
TM: Araka ny hevitro, mifangaroharo sady mandefitra i San Francisco fa isika koa dia manana olana amin'ny fanariana ilay fahasamihafana nateraky ny vidim-piainana lafo. Mino aho fa afaka asehontsika hoe tsara ilay fahasamihafana ary ny olona miara-miasa dia manao izay hahalasa izao tontolo izao ho toerana iray tsara kokoa, mety ho hafatra mahery ho an'ny sisa amin'ny firenena izany.
GV: Inona no torohevitra omenao ho an'ny olona hafa volonkoditra, mpifindra monina, na mpikambana amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ izay miady mafy mba hahita fahafahana mirotsaka hiaraka amin'ilay lafiny iray hafa izay nifidy an'i Trump?
TM: Heveriko, amin'ny fotoana iray rehefa manomboka mankahala ny lafiny iray ianao, tsy mahita azy ireo amin'ny maha-olona azy intsony ianao ary lasa manana endrika fahavalo izy ireny. Mitsahatra tsy hitanao intsony ny adiny sy ny fanaintainana izay iaretany. Amin'izay fotoana izay, ny herisetra dia miantso herisetra hatrany, ary araka izay tian'i Mahatma Gandhi holazaina “ny maso solon'ny maso dia mamela izao tontolo izao ho jamba”. Izany no zavatra atahorako indrindra aorian'izao fifidianana izao. Tonga ny fotoana iarahana sy hijoroana miaraka ho an'ilay Amerika ireharehantsika rehetra sy tsy ho iray hitondra tombontsoan'ny vitsivitsy monja.
GV: Mamely maro amin'ny maha-ianareo anareo ny drafitr'i Trump ho an'i Amerika: mpifindra monona, Silamo, vehivavy. Inona no manome fanantenana anareo?
TM: Nanome ahy fanantnana betsaka ity rindrina ity, tena marina. Ny famakiana ireo hafatra an-jatony avy amin'ny olona izay manohana ny mpifindra monina, izay manaiky ny finoana hafa, izay mampirisika handray andraikitra. Raha tahaka ny voazarazara ny firenena, izaho kosa faly dia faly mahita ny hamaroan'ny olona mifoha amin'ny andavanandrom-piainany ary manomboka mirotsaka mandray andraikitra amin'ny olana lehibe kokoa.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...