- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Misy Maodelinà Hafatra Sandoka Alefa Ao Amin'ny Facebook, Ampiasaina ho Fialantsiny Hanafihana Ireo Hindo any Bangladesh

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Communal attacks against the Hindus in the past 10 months - 36 Attacks in 28 districts. An infographic by Polash Datta. Used with permission. [1]

Fanafihana ireo Hindo tany amin'ny kaominina tato anatin'ireo 10 volana lasa: fanafihana 36 tany aminà distrika 28. Sary torohay avy tamin'i Polash Datta. Nampiasaina miaraka amin'ny fanomezandàlana. (Tsindrio ny sary hanalehibeazana azy.)

Any Bangladesh, misy mampitahotra ny fiaraha-miaina am-pilaminana eo amin'ireo Hindo sy Silamo. Tato ho ato, nitombo tokoa ireo fanafihana ireo Hindo, olona zanatany, ary ireo vitsy an'isa sasany,  noho ireo olana fangalàna tany sy ireo antony hafa ara-politika

Amin'ireo tranga maro, mody atao ho hetsik'ireo vahoaka maro tezitra ireo fanafihana ireo, lazaina fa noho ireo fihantsiana mivantana sy fanafintohinana amin'ny “resaka fivavahana.” Lazaina fa kotrehin'ireo Silamo eo amin'ny firenena ireo fanafihana ireo ary tohanan'ireo mpanao pôlitika amin'ny fandaharanasan'izy ireo manokana.

Ny 30 Oktobra, farafahakeliny fiangonana Hindo 15 tany Nasirnagar-n'i Brahmanbaria no nopotehan [2]‘ny vondrona jiolahimboto 150 ka hatramin'ny 200, izay nikendry trano an-jatony ihany koa tao amin'ny vondrom-piarahamonina Hindo teo an-toerana. Araka ireo tatitra [3], nisy vondron'olona nikarakara hetsika roa misaraka teo amin'ny foiben'i Upazila tamin'io andron'io, lazaina fa manao hetsi-panoherana ny lahatsoratra Facebook manafintohina navoaka andro vitsy tany aloha.

fiangonana 15 nopotehina, trano an-jatony nosimbaàa sy norobaina, lehilahy sy vehivavy 300 ao Bangladesh voaratra noho ny maha-Hindo azy ireo. Matokia ahy, laika izahay! Mahamenatra

Avy tamin'ilay mpanjono teo an-toerana mitondra ny anarana hoe Roshraj Das ilay lazaina ho fihantsiana, izay nolazaina fa nikirakira tamin'ny alàlan'ny photoshop ny sarin'ny andriamanitra Hindo, Shiva, mipetraka eo amin'ny Kaaba [6] sharif, toerana masina Silamo. Nisintona ny fijery [7] ho any amin'ny lahatsoratr'i Das tao amin'ny Facebook avy eo ny vohikala tsy dia malaza loatra antsoina hoe Banglamail71.com. I “Noyon Chatterje” no nandefa voalohany ilay votoaty, anarana ao amin'ny Facebook tantanàn'ireo mpikatroka mafana fo Chhatra Shibir, izay nihantsy fankahalàna ireo Hindo efa hatry ny ela. Io lahatsoratra io sy ireo vaovao no voalaza ho nahatonga ireo fanafihana feno herisetra tao Nasirnagar.

Talohan'ny nanombohan'ireo hetsika feno herisetra, efa nisambotra an'i Das sahady ny polisy, Das izay nandà fatratra ireo fiampangàna natao taminy, nilaza [8] fa nisy nijirika ny kaonty Facebook-ny. “Tsy fantatro hoe iza no nandefa iny sary iny avy tamin'ny kaontiko,” hoy izy, “fa tsy izaho no nanao azy. Tonga dia nofafako teo noho eo iny vao hitako ary te-hiala tsiny amin'ny rehetra noho ny amin'iny aho”.

Ito ny lahatsarin'ilay fanafihana [9]:

Milaza [7] ireo tati-baovao fa ireo mpitondra sasany eo an-toerana avy amin'ireo fikambanana Silamo sasany, Ahle Sunnat Wal Jamaat, Hefazat-e-Islam, ary na ny Ligy Awami eo amin'ny fitondrana aza no tena mpikotrika [10] tao an-damosin'ireo fanafihana ireo.

Olona teo amin'ny 50 teo no fantatry [11] ny polisy avy tamin'ireo lahatsary nalaina tamin'ireo finday nandritra ilay tranga, ary nisambotra [12] olona 44, hatreto. Nampiato [13] mpitondra telo teo an-toerana ihany koa ny Ligy Awami, noho izy ireo voalaza ho voarohirohy tao amin'ilay tranga niseho.

Tsy tapitra teo anefa ny tantara. Nandeha tany Nasirnagar i Muhammed Sayedul Hoque, mpikambana ao amin'ny parlemanta avy any Brahmanbarhia sy ny minisitry ny jono sy ny fiompiana ao amin'ny firenena, andro roa taorian'ireo fanafihana. Nahatezitra mpampiasa Aterineto maro ireo fanambaràny sy ny fihetsiny [14] tamin'io diany io, izay nampiseho fanaovana tsinotsinona ny maha-goavana ilay herisetra niseho. Taty aoriana, tamin'ny famoriana mpanao gazety, niampanga ireo mpanao gazety ho “manitatra” ny zava-nitranga i Hoque.

Raha nandeha nijery azy ireo mpitarika Hindo teo an-toerana, nilaza i Hoque fa ireo “zanaka Malauns” sasany dia  “manitatra be ny zavatra tsy misy dikany.” (Malaun no fiteny entina milaza sy fanavahana ara-piaviana entina hanadrohadroana ireo Hindo.)

Midika hoe ‘voaozona’ ny hoe ‘Malaun’ na ‘অভিশপ্ত’, na ‘Tsy Mahazo ny Fahasoavan'Andriamanitra’. Indraindray aho mahatsapa hoe miaina anatinà fanjakana ‘malaun’ izahay ! :’-(

Niantso ireo Hindo hoe ‘Malaun’ izay midika hoe ‘voaozona’ ny minisitry ny parlemantani Bangladesh

Nanaraka avy eo ireo fanafihana bebe kokoa an'ireo #hindo [16]

Nahatonga hetsi-panoherana bebe kokoa io avy eo, ankehitriny, itakiana ny fametraham-pialan'ny [19] Minisitra Sayedul. Ireo sasany nanao hetsi-panoherana tao amin'ny media sosialy, mampiasa ny tenifototra toy ny #IamMalaun (MalaunAho).

Fikambanana maro any #Bangladesh [20] no mangataka ny femetraham-pialàn'ny solombavam-bahoaka Brahmanbarhia, Muhammed Sayedul amin'ny maha minisitra azy noho ireo fanafihana fankahalàna atao amin'ireo Hindo

Manoratra izao ao amin'ny Facebook i Afsan Chowdhury [23]:

Hanjaka foana ny hevitry ny vondrom-piarahamonina araka ny anehoan'ny tantarantsika azy. Ary miparitaka be sy mitombo fatratra ny hatezeranay noho ny zava-nitranga tao Nasirnagar.

Samy miteny daholo isika rehetra hoe, ” Malaun aho “, tafiditra amin'izany ny tenako. Tsy mbola nahita firaisankina toy izany izahay teo aloha.

Kanefa, mandà tsy nanao izany fanambaràna izany ny minisitra:

Sayedul: Hiala aho raha misy olona iray afaka manaporofo fa nanao izany fanamarihana manafintohina izany aho

Tamin'ny andiany faharoan'ny fanafihana, ny Zomà, trano dimy [27] tao Nasirnagar upazila, distrika Brahmanbaria, no nataon'ireo mpanao hetsika foana tsy misy na inona na inona. Nahavita niala [28] taminà fanandramana fanafihana hafa ny tranony ireo teo an-toerana ny marainan'ny 5 Novambra.

Nanoratra izao i Mansura Sumi [29] raha naneho hevitra tamin'ny hetsika Facebook nitondra ny lohateny hoe “Menatra sy miala tsiny amin'ireo fanafihana tao amin'ny kaominina tao Nasirnagar izahay [30]“:

Ho an'ireo olona niharan-doza tao Nasirnagar, Brahmmanbaria. Samy Bangla daholo isika. Samy Bangali daholo isika. Tsy olona mpankahala ny hafa finoana sy hafa hevitra isika. Ka noho izany, asandrato ny fenonao manokana. Silamo, Hindo, Bodista, Kristiana, samy Mpirahalahy daholo isika. — Asandrato ny feonao.

Protest in Dhaka against the brutal attack against the Hindus. Image via Megh Roy Sarkar [31]

Hetsi-panoherana tany Dhaka nanoherana ny fanafihana feno herisetra natao tamin'ireo Hindo. Sary avy amin'i Megh Roy Sarkar.

Mampiseho maodelinà fanafihana mitovitovy amin'izany natao tamin'ireo vitsy an'isa ny zava-nitranga tao Nasirnagar, toy ireo fanafihana ny Ramu [32] ny taona 2012. Nisy lahatsoratra faikany tamin'ny Facebook izay notaterina tao amin'ny vohikalam-baovao mampiahiahy. Avy eo, nisy hetsi-panoherana sy fanafihana mahery vaika. Samy tsy nahomby ireo manampahefana teo an-toerana tamin'ireo tranga roa ireo.

Ny 8 Novambra 2016, tao Kulaura, Avaratra Atsinanan'i Bangladesh, olona efatra no notazonina [33] taminà tranga hafa izay nahitàna famoahana “sary feno faniratsiràna finoana” tao amin'ny Facebook. Tonga dia nandray fepetra haingana ireo manampahefana teo an-toerana mba hiarovana ny vondrom-piarahamonina Hindo sy ny fananany, satria niantso herisetra indray ireo vondrona hafa maro.

Milaza ireo eo an-toerana fa navoaka tamin'ny kaonty Facebook-ny olona iray fantatra ho tsy mahay mamaky teny ilay lahatsoratra manafintohina.