- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sorena Ary Nandao ny Commonwealth i Maldiva Fa Norahonana Haato Noho Ny Tarehimarika Momba ny Zon'Olombelona Any Aminy

Sokajy: Azia Atsimo, Maldiva, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika
The Commonwealth Heads of Government Meeting 2011- leaders family photo: Queen and leaders. Image from Flickr by The Commonwealth, CC BY-NC-ND 2.0 [1]

Fivorian'ireo Filohan'ny Governemantan'ny Commonwealth tamin'ny 2011. Ny Mpanjakavavy sy ireo Filoham-panjakana. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'ny Commonwealth, CC BY-NC-ND 2.0

Nambaran'ny governemantan'i Maldiva tamin'ny 13 Oktobra fa hiala [2] amin'ny Commonwealth izy, ( Commonwealth = vondron'ireo firenena mampiasa ampahany na manontolo ny teny anglisy) fikambanana iarahan'ny governemantanà fanjakana mpikambana 53 izay ny ankamaroany dia faritanin'ny fanjakana britanika teo aloha. Tamin'ny 1982, no nidiran'i  [3]Maldiva tao amin'io  vondronà [3] firenena sangany [3] io, izay mizara ny soatoavin'ny demokrasia, ny zon'olombelona, ary ny fanjakana tàn-dalàna.

Tamin'ny fotoam-pivorian’ [4]ny Vondron'Asan'ny Minisitry ny Commonwealth, vondrona mihodina ifandrimbonan'ireo minisitry ny raharaham-bahinin'ny firenena valo mpikambana ao, tamin'ny volana Septambra, [4] sy niresahana momba ny tsy fisian'ny fandrosoana [5]amin'ny fitadiavam-bahaolana amin'ny olana ara-politika lavareny any Maldiva no nipoiran'ilay fanapahan-kevitra. Napetrak'ilay fivoriana ao amin'ny lisitra araha-maso [6] i Maldiva sady nampitandremana fa raha tsy ahitana marika fivoarana goavana eo amin'izay sehatra laharam-pahamehana alohan'ny fivoriana manaraka amin'ny Martsa 2017, dia ho dinihin'ny vondrona ny hampiatoana ny firenena tsy ho ao amin'ny Commonwealth.

Nifototra tamin'ny tatitry ny iraka manokan'ny Commonwealth, Willy Mutunga, ilay lehiben'ny Fitsaràna taloha tany Kenya ny fandraisana fanapahan-kevitra tamin'ny fivoriana. Willy Mutunga izay indroa nitsidika an'i Maldiva sady nifandray taminà sokajin'olona samy hafa. Nambarany [7] tao anaty tatitra fa ” mafy loatra ny tahotra sady manjaka ny tsindry ara-politika ao amin'ilay nosy firenena”.

Mafy loatra ny tahotra sady manjaka ny tsindry any Maldiva, hoy ny Commonwealth…https://t.co/ND62mH4XG4 [8] avy tamin'i #hashimex [9] tao amin'ny @c0nvey [10]

Tamin'ny volana lasa ihany, nisy famelabelarana fanadihadiana  [12] niampanga ny Filohan'i Maldiva, Abdulla Yameen, sy ny governemantany ho nanao kolikoly sy famotsiambola nalefan'ny Al Jazeera. Lazain'ny mpanohitra ara-politika any Maldiva fa manandrana mampiasa tsindry, izay lavin'ny governemanta, ny mpitantana mba hanaronana ilay fiampangana.

Ny fahatongavan'i Yameen eo amin'ny fitondrana taminà fifidianana nampifanolana tamin'ny 2013 no nitarika ny olana ara-politika sy ny fanenjehana ireo mpanao politika ambony, isan'izany ny Filoha teo aloha Mohamed Nasheed [13] izay voasazy [14]13 taona an-tranomaizina noho ny fiampangana tamin'ny asa fampihorohoroana ary sesintany [15] any Angletera amin'izao fotoana izao.

Tsy faly amin'ny tsindry ataon'ny Commonwealth ny Maldiviana sasany :

Teren'ny Commonwealth sy ny mpanohitra any Maldiva ny jiolahy;  atsaharo ny fampitahorana anay. Mitoera ary avelao hiaina madio aloha ny faritra iandraiketanao

Mpanao politika maro ihany koa no niampanga ny Commonwealth ho nanery an'i Maldiva amin'ny raharaha anatiny.

Ampangain'ny minisitra any Maldiva ho manao tetika jiolahim-boto ny Commonwealth, manamafy ny hetsika fanoherana ny firenena taorian'ny nanesorana ny filoha tamin'ny 2012

Nolazain'ny [18]Minisitry ny raharaham-bahiny, ny Dr Mohamed Asim, tao amin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety [18]tamin'ny 13 Oktobra fa ” tena sarotra” ny fanapahankevitra hialana amin'ny [19]Commonwealth , nefa ilaina amin'ny “fiarovana ny fiandrianan'ny” tangoronosy.

Naneho ny hadisoam-panantenany tao amin'ny Twitter ny Filoha teo aloha Maumoon Abdul Gayoom raha nandre ilay vaovao :

Satria izaho no nampiditra an'i Maldive tao amin'ny Commonwealth, 34 taona lasa izay, ketraka aho fa niala isika. Tsy vahaolana amin'ny olana misy amintsika ny fitokàna-monina

Tena ilaina amin'ny fandresena ny olana maro tany aloha aty Maldiva ny fanohanan'ny Commonwealth. Manantena aho fa hiverina isika. @PScotlandCSG [21]

Naneho hevitra ihany koa ny sasany :

Hanakorontana ireo mpifanolobodirndrina ny fanapahan'i Maldiva hevitra hiala amin'ny Commonwealth. Hadisoana goavana amin'ny politika ivelany ! Ho avy ny fotoan-tsarotra ! @DevirupaM [23]

Moa ve izahay olom-pirenena tsy misy ilàna azy mba tsy mahazo miteny na manaiky na tsia ny fanatevenan-daharana ao amin'ny Commonwealth ? Sa firenen'olon-tokana fotsiny i Maldiva ankehitriny ?

Nanoratra tao amin'ny Facebook i Althaf Ali [26] :

Mandiso fanantenana lalina sy tsy misy antony ny fanapahan-kevitry ny governemanta hiala amin'ny Commonwealth. Na izany aza, tsy manafoana ny antso iraisam-pirenena amin'ny governemanta mba hamerina ny soatoavin'ny demokrasia sy hanaiky ny lalàm-panorenana izany finiavana izany, saingy dia mianotra, fotoana very maina sy fitokana-monina amin'ny vanim-potoana idirana amin'ny tontolo sy ny fahasamihafàna izany.

Manoloana ireo fanakianana tsy mitsaha-mitombo momba ny politikany mikasika ny zon'olombelona dia notsikerain'ny [27] antoko mpanohitra lehibe any Maldiva ny Filoha Yameen noho ny nialàny tamin'ny Commonwealth.

Maro no matahotra fa ho vidian'i Maldiva lafo io fialàna amin'ny Commonwealth io, indrindra eo amin'ny sehatry ny fanatanjahantena, [28]ny vatsim-pianarana ho an'ny tanora, sady manoka-monina ny firenena amin'ny sehatra iraisam-pirenena.