- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Velona Ao Amin'ny Aterineto Ny Taompolo 1990 Tao Japana Noho Ny Sangan'asan'ny Lehilahy Iray

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina
Retro photo of Tokyo

Tokyo. Sary avy amin'i Lyle Hiroshi Saxon. Creative Commons Attribution 3.0.

Nandrakitra an-tantara ny fiainana tao Tokyo nandritra ny 25 taona mahery i Lyle Hiroshi Saxon. Manome fialamboly betsaka ny tranonkalany miitatra amin'ny sehatra marobe, ary milaza ny tantaran'ny aterineto mihitsy aza. Maro amin'ireo tetikasa an-tseraseran'i Saxon no ahitana pejy voafango HTML tsotra hatramin'ny fiposahan'ny World Wide Web, mankany amin'ny bilaogy, YouTube, ary farany ny media sosialy, anisan'izany ny Twitter. Mitantara ny fiainana tamin'ny fiafaran'ny firoboroboan'ny “Bubble Economy (toekarena mihiboka)” [1] [mg] tao Japana, 25 taona lasa ireo sary sy lahatsary.

Goavana ny fisian'i Saxon ao amin'ny aterineto, ary ny bilaoginy [2], ny kaontiny Twitter [3]sy YouTube [4]nohavaozina matetika no fomba tsara indrindra hanombohana ny fitrandrahana ny sangan'asany, izay amin'ny ankapobeny mandrakitra an'i Japana nanomboka tamin'ny taompolo 1990.

Tsara marihina indrindra ny LL-Letters [5], tahirin-dahatsoratra bilaogy sy taratasy momba ny fiainan'i Saxon tao Tokyo nandritra ny taona maro. Manome fomba tsotra indrindra ahafahana mitopimaso ny fiainana ao Tokyo tamin'ny taompolo 1990 ny YouTube. Namoaka lahatsary am-polony maro tao amin'ny YouTube i Saxon ary efa nandrindra ny maro tamin'izany tao anaty lisitra (playlist) araka ny taona:

Ity misy lahatsary nalaina “tetsy sy teroa” tao Tokyo tamin'ny 1990.

Ity lahatsary misy ny Fiantsonana Shinjuku feno olona, lahatsary nalaina tao Tokyo tamin'izany taona izany ihany.

Tamin'ny Fanontaniaina sy Valiny [10] momba ny angon-tsary sy lahatsary goavana nataony, nilaza i Saxon fa ny filozofia fototra ambadiky ny tetikasany dia “izay zava-mahazatra ao amin'ny toerana iray dia mety ho zava-tsy fahita any amin'ny toeran-kafa, ary manasongadina ny zava-misy andavan'andro eo amin'ny fiainantsika, misy ny fahamarinana lalina miafina ao amin'ny antsipirihan'ny fiainana efa mahazatra.”

Nilaza ihany koa i Saxon hoe:

I started the LL-Project when it occurred to me that, while people used to have no other way of communicating with other groups than to appoint a representative who would travel to distant lands to represent them, now that the Internet enables people to directly communicate with each other, they should do so! The further up you go in politics and (too often) in business, the fouler it gets, so for quality communication and – dare I say it – the future of the human race, we have got to start/maintain effective lateral networking.

Nanomboka ny tetikasa LL-Project aho raha nahita fa tsy nanana fomba hafa hifandraisana amin'ny vondrona hafa ny olona ankoatra ny hoe manendry solontena hitsidika firenena lavitra mba hisolotena azy ireo, ankehitriny manome fahafahana ho an'ny olona mba hifandray mivantana amin'ny tsirairay ny aterineto, tokony hanao izany izy ireo! Arakaraka ny hidiranao politika sy amin'ny fandraharahana  (matetika) no hahazoanao fifandraisana tsara sy ho avin'ny taranak'olombelona, sahiko ny milaza izany, tsy maintsy manomboka / mitàna ny tambajotra marindrano mahomby isika.

Mampiseho rohy mankany amin'ireo zana-tsokajy isan-karazany ihany koa ny pejy fandraisana [11]amin'ny tranonkala voalohany an'i Saxon. Ahitana rohy am-polony ny raki-tsary [12], raha toerana tsara hikarohana sary momba ny lohahevitra manokana kosa ny tondro-tsary [13].