- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ahoana no Fomba Hiarovana ny Fomba Nentin-drazana sy Hampitàna Izany Amin'ireo Tanora Maliàna Amin'ny Alalan'ny Aterineto

Sokajy: Afrika Mainty, Mali, Fampandrosoana, Fanabeazana, Fiteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Vonjy Voina, Zavakanto & Kolontsaina, Rising Voices
Photo par l'auteur avec sa permission [1]

Sary an'ny mpanoratra, Boukary Konaté, miaraka amin'ny fanomezandàlany.

Harena fototra ho an'ny maha-izy azy ny firenena ny kolontsain'ireo vohitra maliàna: ireo fombandrazany, angano, mpitantara angano mitety vohitra, ohabolana sy ireo ray aman-dreny eo an-tanàna. Amin'izao fotoana izao, ny fifamatorany amin'ireo teknolojia vaovao (sary, fandraisampeo, sarimihetsika) dia ahafahana mitahiry io harena io satria, miaraka amin'ny famadihana ny tanàna ho tanàn-dehibe sy ireo olana politika maharitra elabe, dia mora manjavona vetivety io kolontsaina io. Izay indrindra no tanjon'ny tetikasa Rehefa mifoha ny vohitra [2] sy ny antony fototra namoronana azy. Ny tetikasa Rehefa mifoha ny vohitra dia tafiditra ao anatin'ireo nahazo famatsiambola avy amin'ny Rising Voices, tetikasa iray an'ny Global Voices.

Fanadihadiana an-dahatsary nataon'ireo mpanaramaso no mamintina ny nahaterahany sy ny tanjon'ilay tetikasa:

Manankarena aminà tantara fohy sy tantara nentindrazana ilay tranonkala, izay ahafahana milomano tsara ao anatin'io kolontsaina fahagola io, saingy hazavain'ilay tetikasa koa ny fomba maha-tena ilaina ny niomerika ao anatin'ity ezaka ho fitahirizana ny tantaran'i Mali ity. Ohatra iray amin'ireo asa natao ny fampidirana ireo zavatra voasoratra avy amin'ilay tetikasa mba ho any an-dakilasy hahafahan'ny tanora mianatra ny atao hoe fandrindràna sosialy [3] fony vaninandron'ireo zokiolontsika.

Mba hanamoràna ny fidiran'ny rehetra amin'ilay tetikasa, ary indrindra amin'ny finday, afaka trohana amin'ny endriny natao ho an'ny Android [4] ilay tranonkala.

Boukary Konaté, créateur du projet. Photo de l'auteur

Boukary Konaté, mpamorona ny tetikasa. Sary an'ny mpanoratra.

Tao anaty tafa iray niarahana tamin'i Samir Abdelkrim avy amin'ny Tech Afrique, hazavainay amin'ny antsipirihany ny niandohan'ny tetikasa [5]:

Ny tselatra voalohany dia tamin'ny fotoana nahatongavako tany amin'ireo faritra dogon, faritra izay tiako tokoa noho ny lovany, nifankahazatra tamin'ireo tanora aho, raha tokony hanorina ny tranony eny an-tampon'ny havoana toy ny nataon'ireo zokiolona, dia teny amin'ny tany marina no nanomboka nanorina ry zareo. Hoy aho an'eritreritro hoe indray andro any, azo antoka hanjavona ato anatin'ity foko ity ireo fotodrafitrasa tsara tarehy ireo,  miaraka amin'ny rakitry ny ela nandrafitra azy. Ity foko ity izay nahay nitahiry ny lasan'ireo razambe hatramin'izao androntsika izao.

Tonga tao an-tsaiko ny hevitra, taorian'ny nahitàko ireo loza mitatao amin'ny ho fanjavonan'ireo fomba fanao nentindrazana sy ireo kolontsaina, indrindra fa tao amin'ny vohitra. Tonga tao an.tsaiko araka izany ny hikaroka fomba hitahirizana sy hampiroboroboana ny lova ara-kolontsaina manankarena ananan'ny fireneko, raha tsy Afrika mihitsy aza, mba hametrahana toerana virtoaly, angon-drakitra iray ho an'ny kolontsaina mba ho an'ireo taranaka any aoriana mety tsy hanana vintana ny hianatra / hahafantatra azy ireny intsony avy amin'ireo zokiolona toy ny nataon'ny ray aman-drenintsika.

Ny nitety isam-bohitra no natao mba hanangonana ny sarin'ireo zavatra ara-kolontsaina sy nentindrazana manomboka manjavona, hamaritana ny anjara toerany ao anatin'ny fiarahamonina, handraisana feo ireo zokiolona momba ireo fomba tranainy fanao ara-kolontsaina sy ireo tombony azo aminy ho an'ny tontolo ankehitriny, indrindra ho an'ny fandriampahalemana sy ny firaisan'ny fiarahamonina,  hamokarana lahatsoratra hatao amin'ny bilaogy ary lahatsary momba ireo lanonana nentindrazana sy ara-kolontsaina.

Feno ohatra maro karazana aminà votoaty tsy hay sokajiana amin'izay efa hita ao amin'ny tranonkala, toy ity lahatsary ity izay ahitàna ny fomban'ireo mpanjono ao amin'ny faritra Dogon mba hiampitàna ny ony miaraka amin'ny ampondra iray sy soavaly iray :

na koa ity lanonana nentindrazana ity, andihizana aminà feon-tsodina iray :

Asehon'ilay lahatsary ny toerana lehibe tànan'ny sodina ao anatin'ny kolontsaina maliàna [6]:

Zavamaneno iray nentindrazana tena malaza any afrika afovoany sy andrefana ny sodina. Arahana zavamaneno maro hafa izy, toy ny jejy voatavo, mba hanafanàna ireo fety ara-kolontsaina, fampakarambady, batemy sy fety isan-taona…

Asa mila fikirizana ilay tetikasa, ary raha ny marina dia marobe ireo sakantsakana [5] saingy tsy nahafaty antoka ny nirotsaka nanao azy.

Ny fivezivezeana eny an-kianja no sakana voalohany: ny saran-dàlana, ny fiantranoana ary ny sakafo ho an'ireo ekipa mpidina an-tsehatra mikaroka ireo lovan-kolontsaina.

Mipetraka eo amin'izay olona hifandraisana any amin'ireo vohitra haleha ny sakana iray hafa. Hainareo tsara fa sarotra amin'ireo zokiolona ny misokatra amin'ireo tanora raha amin'io resaka fampitàna ny fahaizamanao nentindrazana sy kolontsaina io, ary indrindra, miahiahy be ry zareo rehefa tsy fantany hoe iza ilay olona hiarahany manao zavatra. Fantatray ireny ary hainay ny mampiasa azy rehefa miaraka amin'ireo ‘hendry’ mba hampahazo aina azy ireo sy hahazoana ny fitokisany. Io fahaizana manaja ny fitsipika fahazoana ny fahalalàna avy amin'ireo ‘hendry’ io dia nanamora tokoa ny fifandraisana tamin'ireo mpitahiry ny fombandrazana afrikàna.