- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hitaro Ny Fahalalanao YouTube Amin'ireto Afrikana Nandresy Tamin'ny Famoronana Lahatsary An-tserasera Ireto

Sokajy: Afrika Mainty, Afrika Atsimo, Ghana, Kenyà, Nizeria, Oganda, Senegal, Tanzania, Zimbaboe, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia
Award for Tanzanian journalist Millard Ayo. Image shared on his Twitter page @millardayo.

Loka ho an'ny mpanao gazety Tanzaniana Millard Ayo. Sary nozaraina tao amin'ny pejiny Twitter  @millardayo.

Niarahaba Ireo Afrikana mpamorona lahatsary an-tserasera tao amin'ny fanokanana ny Lokan'ny Youtube any Afrika Atsimon'i Sahara  (SSA) [1] ny YouTube tamin'ny zoma 11 Novambra. Natao tao Johannesburg, Afrika Atsimo ny hetsika.  Efa natao tany amin'ny faritra hafa ny fanomezana ny loka hatramin'ny taona 2007.

Mpamorona  efatra amby roapolo no nambara fa nandresy tao anatin'ny sokajy miisa 22. Tsy maintsy manana, fara fahakeliny, mpanjohy (mpamandrika) miisa 50.000 ary monina any amin'ny iray amin'ireo firenena valo  any Afrika Atsimon'i Sahara ireo mpamorona mendrika. Ghana, Zimbabwe, Tanzania, Kenya, Nizeria, Afrika Atsimo, Ogandà ary Senegaly ireo firenena mpandray anjara  izay efa novahan'ny YouTube ny fahafahana mamadika ho vola ny votoaty avy amin'ireo firenena ireo.

Ity misy topimason'ny lahatsarin'ireo mpamorona nandresy :

Avy amin'i Ramscomics [2] / Supastrikas [3] ny lahatsary eto ambany, mpandresy tamin'ny sokajy sarimiaina/tantara an-tsary:

Vehivavy Mahia Ampandehanana, lahatsary avy amin'i NdaniTV [4] , mpandresy tamin'ny sokajy Fialamboly:

Nandresy tao amin'ny sokajy tsy mitady tombombarotra i Jim Nduruchi [5]:

Nahazo ny Lokan'ny Mpamorona Be mpamandrika indrindra ao Ogandà i Kansiime Anne [6]:

Manasongadina mpanao hatsikana 6 taona i Emmanuel Samuel, Mpamorona be mpamandrika indrindra ao Nizerià :

Diamond Platinumz [7] no Mpamorona Be Mpamandrika indrindra ao Tanzania :

Nahazo sitraka manokana amin'ny fananana mpamandrika miisa 1 tapitrisa ny fantson-kira Afrikana Tatsimo Yellow Brick Cinema [8] :

Jereo ato [1] ny lisitr'ireo mpandresy feno .