- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manasongadina ny Olana Fototry ny Tsy Fahalalàna Tantara Ny Fitafian'Ilay Tarika Mahalefaka Japoney Mitovy Amin'ny Fanamian'ny Nazi

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina
nazi cosplay girl band

Sary nozaraina fatratra tao amin'ny media sosialy, avy amin'ny Keyakizaka 46 blog, efa nesorina taty aoriana. [1]

Fanamarihana: Ny antsointsika hoe “idole” no adika teny malagasy hoe “olo-mahalefaka” amin'ity lahatsoratra ity.

Niteraka fahatafintohinana iraisampirenena ny fomba fiakanjon'ny tarika japoney iray be mpankafy raha nitafy nitovy tamin'ny fanamian'ny miaramila Nazi tamin'ny rindrankira Halloween tao Yokohama tamin'ny 22 Oktobra. Efa nanao fialantsiny imasom-bahoaka talohan'ny 31 oktobra na ny mpamokatry ny tarika na ny mpandrakitra ny hirany ao amin'ny marika Sony Music rehefa nampirisihan'ny Foibe Simon Wiesenthal, fikambanana iraisampirenena iray mpiaro ny zon'olombelona miady amin'ny Antisemitisma.

Niteraka adihevitra ihany koa ny fialantsinin'ny tsy fahalalàna tantaram-pirenena nisafidianana fomba fiakanjon'ny tarika ka nampideraderana ny sariohatra Nazi ao Japan.

Famoronana “olo-mahalefaka” amin'ny hira

Keyakizaka46 [2] dia tarika zazavavy mahalefaka nosainina, natsangana ary narahin'ilay mpamokatra hira Japoney nanana ny lazany Akimoto Yasushi [3]. Maro sady maro karazana ireo tarika malaza mahalefaka natsangan'i Akimoto, 58 taona, ary anisan'izany ny AK48 [4]. Ny fanaovan-kiran'i AK48 sy Keyakizaka46 dia vokarina kokoa ho tambajotran-tarika mpihira [5], ahitana ireo zana-bondrona kely any amin'ny faritra maro ao amin'ny firenena, ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankasitraka eny ifotony.

AKB48 affiliated acts

Natsangana sy narafitr'i Akimoto Yasushi, manana zana-tarika sy tambajotran-tarika mpihira ny KB48, ary ao anatin'izany ny Keyakizaka46. Dikasary avy amin'ny Wikipedia [4].

Ny tanjon'ny tarika olo-mahalefaka dia ny hiteraka fidiram-bola ho an'ireo orinasa mpandrakitra sy mpamoaka hira betsaka araka izay tratra, ary ireo zazavavy mandrafitra ny tarika sy ireo zana-tarika rehetra any amin'ny faritra ireo dia singa iray monja amin'ny milin'ny haivarotra [6]. Raisina hiasa tanora [7] ireo zazavavy ireo (maro amin'izy ireo no tsy nahafeno akory ny fianarana eny amin'ny lisea nialoha ny hiasana amin'ny sehatry ny fampialana voly), ary ny asany voalohany dia ny hahafatifaty (fa tsy ny harani-tsaina [8]) rehefa eny ambony sehatra.

Ao anatin'ny fampivelarana ny marika iavahan'ny isan-tarika olo-mahalefaka ny fanaovana fitafiana iraisana sy ireo fitafiana mianjaika hafa.

Tamin'ity tranga iray ity, amin'ny maha-mpanatontosa na mpamokatra azy, dia fitafiana iraisana saika mitovy amin'ny an'ny Nazi no nataon'i Akimoto hamarotana an'i Keyakizaka46.

Koa tsy dia nisy loatra ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo Japoney mpankasitraka ny ampitson'ny namoahan'i Keyakizaka46 ireo fitafiana iraisana hilanonana amin'ny Halloween tao Yokohama tamin'ny 22 Oktobra.

“Mahatonga azy ireo hitovy amin'ny mpamosavy ny fitafiana iraisana miloko maintin'i Keyakizaka46″

Ny ampitso marainan'ny fampisehoana rindran-kira, dia nanamarika ny ZIP TV [9], fandaharana televiziona iray mivoaka isan'andro ao amin'ny sampan'ny Yomiuri amin'ny Nippon TV [10], fa mitovy amin'ny “mpamosavy” ry zareo nitafy ny fanamiana miaramila nanaovan-dry zareo nandritra ny fampisehoana tao Yokohama:

Dikasary tamin'ny TV: ny fanamiana mainty nanaovan-dry Keyakizaka46 dia mahatonga azy ireo hitovy amin'ny mpamosavy.

Sioka: #keyakizaka46 #ZIP #HirateYurina #SehoTVMaraina

Na izany aza, voamariky ny maro amin'ireo japoney mpisera ny media sosialy haingana ny fanamiana misy itovizana betsaka dia betsaka amin'ny fanamian'ny Nazi tamin'ny ady lehibe faharoa. Nalaza eo noho eo amin'ny Twitter ny voambolana “fanamiana Nazi” [17].

Ny ampitso, nifampizarana fatratra tao amin'ny Twitter sy ireo tranonkalan-dinika kolontsaina pop ny sary iray mampiharihary ny fitoviana eo amin'ny fanamian'ny tarika sy ny fanamian'ny Nazi.

Momba ny fitafiana vaovaon-dry Keyakizaka46 mitovy amin'ny fanamiana Nazi tsotra izao… LOL! (tsindrio ny rohy raha hijery ny sary)

Avy eo ny tantara nalain'ny fampitam-baovao miteny anglisy [21] ivelan'i Japan hotantaraina, amin'ny ankapobeny hatao ho ohatra amin'i “Japan hafahafa” [22].

Miteraka “tebiteby goavana amin'ireo lasibatry ny fandripahana nataon'ny Nazi”

Nihovitrovitra tao amin'ny media sosialy sy ireo gazety amin'ny teny anglisy nandritra ny herinandro ny tantara mialoha ny niantsoan'ny Foibe Simon Wiesenthal ny mpandrakitra ny hiran'i Keyakizak46, Sony Music, sy an'i  Akimoto Yasushi, mpamokatra hanao fialantsiny tamin'ny 31 Oktobra :

Mandrisika ny mpamokatra ny an'i Sony Music izahay hanao fialantsiny amin'ilay fanamiana Nazi nanaovan'ireo tarika zazavavy mpihira,…

Ny Foibe Simon Wiesenthal Center, amin'ny maha-fikambanana iraisampirenena mandala ny zon'olombelona [26] azy dia manoka-toerana ny fikolokoloana ny tsiaron'ny Fandevonana [Holocaust], dia efa ela nanandra-teny hanoherana ny Antisemitisma manerana izao tontolo izao. Ao amin'ny fanambarana momba ny fanamian'ny tarika, taorian'ny niantsoana mivantana an'i Akimoto mpamokatra hanao fialantsiny, dia naneho ny “rikorikony” ny foibe, tamin'ny nanatsongàny ny tenin'i [27]Rabbi Abraham Cooper manao hoe :

Watching young teens on the stage and in the audience dancing in Nazi-style uniforms causes great distress to the victims of the Nazi genocide.

Miteraka tebiteby goavana amin'ireo lasibatry ny fandripahana nataon'ny Nazi ny fijerena tanora eo ambony sehatra sy manoloana ny mpijery mandihy amin'ny fanamiana mitovy amin'ny Nazi

Fifanandrifian-javatra ve fa efa niomana ny handeha ho any Japan indrindra ny Rabbi Cooper hanao fampirantiana momba an'i Anne Frank sy i Sugihara Chiune [28] (diplaomaty Japoney nandritra ny fotoan'ady nahazo ny voninahitry ny Olo-marina avy amin'ny Firenenkafa [29]) niara-nomanin'ny Foibe Wiesenthal sy ny Oniversite Soka [30] ao Japan izao fahatezerana tamin'ny fanamian'ny tarika izao.

Notaterin'ny fampitambaovao Japoney ny ampitso moa ny fanamelohana avy amin'ny Foibe Simon Wiesenthal.

Sioka: Niangavy ny Keyakizaka46 ny vondrona jiosy hanao fialantsiny amin'ny fanamiana mitovy amin'ny an'ny Nazi.

Tsongan-dahatsoratra: Taorian'ny nanaovan'ny tarika “Keyakizaka46″ fanamiana mitovy amin'ny Nazi alema teo ambony sehatra, nanao antso isian'ny fialantsiny ny vondrona jiosy.

‘Manome ny fialantsiny avy any am-ponay lalina any ho izahay raha misy ny fanafintohinana nataonay tamin'ny iray aminareo’

Vao 12 ora monja taorian'ny namoahan'ny Foibe Simon Wiesenthal ny siokany, dia samy efa nanao fialantsiny ampahibemaso avokoa [35] na ny Sony Music na i Akimoto Yasushi.

Betsaka tamin'ireo fampitam-baovao no nitatitra ny mea culpa. Niantsafa tamin'i Akimoto sy ny orinasa iray mpiara-miasa aminy, [36] Voa sy Voninkazo ny NHK, fampitam-baovaom-pirenena an-tsary sy feo, momba ny fifandiran-kevitra manoloana ny fanamiana.

Nandany ny fandaharana maraina tao amin'ny NHK (fampielezan-tsary sy feo nasionaly) ny fialantsiny momba an'i Keyakizaka46.

Ny nijoro tao amin'ny antsafa NHK [36] nifanaovana tamin'i Akimoto sy ny Voa sy Voninkazo dia ny lohateny lehibe sy matevina tamin'ireo fialantsiny: “Miala tsiny indrindra aho” (大変申し訳なく思う) avy amin'i Akimoto sy ny “Maneho ny fialantsiny avy amin'ny fonay tokoa izahay” (心よりおわび) avy amin'i Sony.

Saingy samy niezaka biala andraikitra sy niezaka nanodin-dresaka tamin'ny fanamiana mitovy amin'ny an'ny Nazi ny roa tonta. Samy niteny ny roa tonta, na ny Voa sy ny Voninkazo na i Akimoto, fa “tsy mahalala tsara” hoe mitovy amin'ny fanamian'ny Nazi ny fitafiana nanaovan'ny tarika tamin'ny Halloween.

Nilaza i Akimoto, izay tompon'andraikitra amin'ny fananganana ny tetipanoron'ny tarika Keyakizaka46 sy ireo tambajotram-pihira hafa, fa tsy mahalala ny momba ny fanamiana mandra-pahitany ny filazana momba izany tamin'ny famoaham-baovao, ary heverina fa nanome tsiny ny “staff”-ny, Voa sy Voninkazo, izy:

「ニュースで知りました。ありえない衣装でした。事前報告がなかったので、チェックもできませんでした。スタッフもナチスを想起させるものを作った訳ではないと思いますが、プロデューサーとして、監督不行き届きだったと思っております。[…] すべて事前にチェックし、スタッフ教育も徹底して行いたいと思います」

Avy amin'ny vaovao no nahitako ny momba ny fanamiana. Tena tsy mampino tokoa amin'ny mahafitafiana azy. Rehefa tsy nampilazaina mialoha [karazana fitafiana mety ho ampiasaina] aho, dia tsy afa-manamarina [raha mety ny fitafiana]. Raha misalasala aho hoe ny Nazi no noeritreretin'ny ekipa raha namorona ny fitafiana iraisana izy ireo, dia nanao tsirambina kosa aho amin'ny maha-mpanatontosa sy tale ahy. Amin'izao manaraka izao dia hanamarina [ny fitafiana] sy hiantoka amin'ny fahafantarana aho hoe voataiza tsara araka ny tokony ho izy ny ekipako.

Heverina ho nanonona ny tsy-fahalalana sy tsy-fialan-tsiny mahazatra kosa ny Voa sy Voninkazo, izay nametrahan'i Akimoto ny andraikitra amin'ny fivoahana amin'ny Halloween:

私どもの認識不足により、衣装の色やその他を含む全体のデザインが、そのようなイメージを想起させる部分があり […] 心よりおわび申し上げます。

私どもの認識不足により、衣装の色やその他を含む全体のデザインが、そのようなイメージを想起させる部分があり、ご不快な思いをさせてしまったことに対し、心よりおわび申し上げます。

Tsy fantatray ny mety ho fitoviana [amin'ny fanamiana Nazi] tamin'ny loko sy ny endrika ankapobeny. Atolotray ny fialantsiny avy amin'ny fonay lalina any raha nisy izay fanafintohinana nataonay tamin'ny tsirairay.

“Meloka tamin'ny finiavana tsy te-hahalala ny tantara”

Tsy ampy ny fialantsiny ho an'ny rehetra. Nokianin'ny Counter-Racist Action Collective (C.R.A.C. [39]) [Firaisankina Hanoherana ny Hetsika Mpanavakava-bolonkoditra] ao Japan ireo fialantsiny:

Ny fialan-tsinin'i Akimoto tamin'ny fanamiana Nazi nanaovandry Keyakizaka46 no ratsy indrindra! Ny ekipany no nokianiny, ary tsy manana eritreritra hitaratra ny fanamafisan-toeran'ny fanavakavahana ataon'ny tarika izy.

Tsy afa-po ihany koa [42] ny gazety mpanaitaitra Nikkan Gendai. Tao amin'ny lahatsoratra iray nivoaka tamin'ny 3 novambra tsy fantatra izay tena nanoratra azy, nanamarika ny mahazavadehibe ny fahatakarana na ara-tantara na amin'ny zavamisy ankehitriny amin'ny fampiasana fanamiana Nazi:

[…] ヨーロッパでは若者世代を中心に排斥主義が進み、ナチスを肯定する極右のネオナチ思想が台頭する中での大チョンボだけに、ウェブ上の謝罪で幕引きとはいかないだろう。

無邪気に歌って踊ってファンに手を振るアイドルの子たちは衣装の持つ意味など「カッコイイ」「ヤバイ」という以上には考えもしなかっただろう。だが、今回の騒動が単なる衣装のセレクトミスで済まされないのは、戦争体験や虐殺の記憶の風化に手を貸していることへの無自覚さこそが問題だから根が深い。欅坂は解散の危機を乗り越えられるか。

Lavaka be mangotantana izy ity amin'ny fotoana ahitanao ny tanora any Eoropa mihamaro ny maka ny fotokevitra fankahalam-bahiny neo-Nazi. Tsy ampy izany fialantsiny mivoaka amin'ny tranonkala izany.

Mety ho tsy nisy ny fikasana lalina kokoa mihoatra noho izay ieritreretan'ny olona fa “tsara” na “tsy voafolaka” ilay fanamiana rehefa manofahofa ny tanany amin'ireo mpankasitraka azy mandritra ny fihirany sy ny fandihizany ireto olo-mahalefaka tso-pisainana ireto. Saingy, tsy tokony ialana bala amin'ny “fahadisoana ara-pitafiana” fotsiny izao tabataba izao. Manahirana kokoa ny raharaha. Ny tena olana dia misy ny fironana hamafa ny tantaran'ny ady sy ny horohoro naterany—meloka amin'ny tsy firaharahiana ny tantara.

Tsy fahalalana ara-tantara “olana fototra”?

Nanamarika ny mpisera Twitter @lautrea fa efa ela ihany no nisian'ny ezaka hampidirana tsikelikely ny fakana sary an-tsaina Nazi tao amin'ny marika Keyakizaka. Efa hita nanao fanamiana mitovitovy amin'izao ny mpikambana ao amin'ny tarika mahalefaka olona ity tany aloha tany—fanamiana novolavolain'i Onai Kimika [43] mpanjaitra ny akanjon'ny AK48—tamin'ny fandaharana nandeha tamin'ny fotoana be mpanaraka izay niresaka ny tantaran'ny Nazisma [44]:

Ireo mpikamban'ny Keyakizaka46 ireo anie ka efa nipoitra tamin'ny fizaran-tantara “Ny mpampianatra Shikuji – Tantaran'ny sekolin'i Tanaka” natokana ho fampidirana amin'ny lohahevitra Nazisma, ka nanao ny fanamiana Nazi izay nozairin'i — efa fantatrao — Onai Kimika e.

Tena hainy tsara kosa ny namorona ilay endrika ara-miaramila e.

Nanasongadina ihany koa ny mpisera Twitter iray hafa fa tsy vao sambany no nisy tarika zazavavy mahalefaka voasaringotra amin'ny resaka Nazisma tahaka izao. Tamin'ny taona 2008, mpiara-miasa amin'ny Hello Project [51], tarika iray notarihan'i Tsunku [52], lehilahy mpanatontosa malaza, no niantso an'i Adolf Hitler ho “lehilahy mahafinaritra” [53] (偉人) raha nivoaka tamin'ny fantsona TV Tokyo. Niteraka fialantsiny sy filazana ho “tsy fahalalana ny tantara” ihany koa izany toe-javatra izany:

Sioka: nahare aho fa efa nahitana zava-mitranga tahaka izao ihany koa tamin'i AK48. Tena ratsy mihitsy izany tantara miverimberina izany. Olana fototra?

Tsonga amin'ny lahatsoratra: “Hitler, lehilahy mahafinaritra”? namoaka ny fialan-tsiny voasoratra noho ny “tsy fahatakarana ny tantara ny TV Tokyo.

Ho an'ny misera Twitter @lautrea, izay nahamarina ilay lohahevitra Nazi tamin'ny fitafiana fianjaikan'i Keyakizaka, ny fialantsinin'ny TV Tokyo no hitany ho mety kokoa noho ny nataon'i Akimoto mpanatontosa an'i Keyakizaka:

Ny fialantsiny nataon'ny TV Tokyo valo taona lasa izay no nampiseho ny tokony ho natao. Nosoratan'ny TV Tokyo indrindra izay “fahadisoam-pandraisana ny tantara” [toy izay ny filazana fa tsy mahafantatra an'izany araka izay nataon'i Akimoto].

fialantsinin'ny TV Tokyo:

Fialantsiny avy aminay

Tamin'ny herinandro tao amin'ny fandaharana Yorusen, nisy ny ampahany nantsoina hoe “Ireo olona mahafinaritra avy amin'izao tontolo izao!” tamin'ny 4 Desambra, nifanakalo hevitra momba an'i Adolf Hitler izahay. Noho ny fahadisoam-pandraisana ny tantara (誤った歴史認識), namoaka votoaty tsy araka ny tokony ho izy izahay. Ho an'ny mpijery anay rehetra maneho ny fialantsiny lalina indrindra izahay.