- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lanonana Mivantana Facebook Hampiroboroboana ny Fandriampahalemana sy Iadiana amin'ny Tenim-pankahalana ao Kenya

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

The logo of the public Facebook group - Promoting Peace - Fighting Hate Speech. [1]

Fangon'ny vondrona Facebook azon'ny rehetra idirana: Promoting Peace – Fighting Hate Speech [Mampiroborobo ny Fandriampahalemana – Miady amin'ny Tenim-pankahalana].

DW Akademie [2], fikambanana alemana ho fampandrosoana ny fampitam-baovao iraisampirenena no m anomana lanonana avantana amin'ny Facebook amin'ny tetipanorona rehetra iadiana amin'ny tenim-pankahalana ao Kenya mialoha ny fifidianana ankapobeny hotontosaina amin'ny herintaona.

Ny lanonana dia hotontosaina anio 14 Novambra sy amin'ny [alarobia] 16 Novambra amin'ny 6 ora hariva ora Kenyana (UTC +3 izany hoe mitovy ora amintsika eto Madagasikara) ao amin'ny vondrona Facebook vaovao iray azon'ny rehetra idirana: Promoting Peace – Fighting Hate Speech [3].

Ny mpandamina amin'ity fotoana manokana mivantana ity dia i Chrispin Mwakideu [4], Kenyana mpamoaka vaovao mahaleotena an'i DW, mpanoratra sy mpiantsehatra [dihy], sy i Joan Okitoi, Kenyana mpamoaka vaovao. Handray anjara ihany koa i Shitemi Khamadi [5], Kenyana  mpamoaka vaovao sady manampahaizana momba ny tenim-pankahalana an-tserasera.

Zava-dehibe tokoa ny miady amin'ny tenim-pankahalana, noho ireo toe-javatra nitranga vao tsy ela tao Kenya. Nanjaka ny herisetra taorian'ny fifidianana [6] tamin'ny fifidianana ankapobeny tamin'ny taona 2007 tao. Anjatony ireo olona maty ary an'aliny ireo voatery nifindra toerana.

Eto ambany eto ny lahatsary YouTube fanairana fohy momba izany lanonana izany.