Ny lanonana dia hotontosaina anio 14 Novambra sy amin'ny [alarobia] 16 Novambra amin'ny 6 ora hariva ora Kenyana (UTC +3 izany hoe mitovy ora amintsika eto Madagasikara) ao amin'ny vondrona Facebook vaovao iray azon'ny rehetra idirana: Promoting Peace – Fighting Hate Speech.
Ny mpandamina amin'ity fotoana manokana mivantana ity dia i Chrispin Mwakideu, Kenyana mpamoaka vaovao mahaleotena an'i DW, mpanoratra sy mpiantsehatra [dihy], sy i Joan Okitoi, Kenyana mpamoaka vaovao. Handray anjara ihany koa i Shitemi Khamadi, Kenyana mpamoaka vaovao sady manampahaizana momba ny tenim-pankahalana an-tserasera.
Zava-dehibe tokoa ny miady amin'ny tenim-pankahalana, noho ireo toe-javatra nitranga vao tsy ela tao Kenya. Nanjaka ny herisetra taorian'ny fifidianana tamin'ny fifidianana ankapobeny tamin'ny taona 2007 tao. Anjatony ireo olona maty ary an'aliny ireo voatery nifindra toerana.
Eto ambany eto ny lahatsary YouTube fanairana fohy momba izany lanonana izany.