- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mahita Hatsikana Sy Fihatsarambelatsihy Ao Amin'ny Fandresen'i Donald Trump Ny Afrikana

Sokajy: Afrika Mainty, Fifidianana, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika
America's 45th president Donald Trump. Cropped version of original photo by Michael Vadon. CC BY-SA 2.0 [1]

Ny Filoha faha 45 ao Etazonian'i Amerika Donald Trump. Sary namboarina avy amin'ny sary nalain'i Michael Vadon. CC BY-SA 2.0

Voafidy ho filoha faha 45-n'ny Etazonia tamin'ny 8 Novambra i Donald Trump ,kandidà filoham-pirenena Repoblikana, rehefa naharesy ny mpifaninana aminy ao amin'ny Antoko Demaokraty Hillary Clinton. Nahatohina olona maro manerana izao tontolo izao, anisan'izany ny Afrikana ny fandreseny, izay voalaza fa tsy nampoizina indrindra tamin'ny tantaran'i Amerika [2] .

Naneho hevitra tamin'ny fahatairana sy vazivazy ny olona avy any amin'ny firenena Afrikana tao amin'ny Twitter.

Nanontany i Bwesigye, Ogandey iray ao amin'ny Foibem-pitarihana Afrikana any Afrika Atsimo manao hoe

Raha firenena Afrikana i Etazonia , ahoana ny fomba hamaritan'ny manam-pahaizana Fotsy Hoditra izay zava-mitranga ankehitriny? Aoka isika hampiasa ireo teny famaritana ireo.

Namaly i Dikeledi Mokoena :

@LindaStruthers3 [4] @bwesigye [5] tokony antsoina hoe mpanao didy jadona tsy mahavita azy sy mpanao kolikoly ary mpampisara-bazana izy.

Naneho hevitra manoloana ny siokan'i Bwesigye ny Ogandey iray Rosebell Kagumire mpamolavola tetikady nomerika  ka nanoratra hoe:

@bwesigye [5] mangataka ireo tanora Amerikana rehetra mba hampitsahatra ny fanampiana an'i Afrika, hita mazava izao fa mila anareo bebe kokoa i Amerika !

Handeha hifoha sy hanarina ny firenena … Tsy misy intsony ny lalàn-kaleha !’

Nanamarika i Gidimeister fa manan-tantara ny fandreseny :

Naharesy taranaka mpitondra ara-politika roa i Trump tao amin'ny ry Clintons sy ry Bushes. Mahavariana, na inona na inona ny heverina momba ilay lehilahy.

Nanakiana ny tati-baovao mikasika ny fampielezan-kevitra i Nwachukwu Egbunike, mpanoratra ato amin'ny Global Voices [9] avy any Nizeria:

Amin'ny manaraka, tatero ny vaovao. Mampalahelo fa romotra nandritra ny #FifidiananaAmerikana [10] ny fampitam-baovao mahazatra – nahodiny ny vaovao!

Afaka manaiky ve isika rehetra fa mifanohitra amin'ny tena zava-misy ny lazain'ny fampitam-baovao mahazatra ao Etazonia? #FifidiananaAmerikana2016 [12]

Nanoratra ny mpisera iray hafa :

Tsy vazivazy amiko ny tena fampihorohoroana tsapan'ireo olona mainty hoditra maro any Amerika amin'izao fotoana izao  . Mainty aho ary natahotra tao Amerika nandritra ny herintaona …

Nanao fanehoan-kevitra fanavakavaham-bolonkoditra maro i Trump nandritra ny fampielezan-kevi-pifidianana.

Na izany aza, nihevitra i Eyo fa midika fahafahana ho an'ny fireneny hanao zavatra ny fandresen'i Trump sy ny fifidianana Brexit tany amin'ny Fanjakana Britanika izay natao hialana amin'ny Vondrona Eoropeana :

Tsy voina ho an'i Nizeria i Trump. Ny tena loza dia nanome antsika Fahafahana hanao zavatra i Etazonia sy ny Fanjakana Britanika tamin'ity taona 2016 ity … ary resitory i Nizeria .

Nangataka ny Afrikana mba handray ny fandresen'i Trump ho toy ny fahafahana iray hanadiovana ny firenena ny mpanolotra sady mpamokatra fandaharana adihevitra ao amin'ny fahitalavitra ao Nizeria Mo Abudu:

Andao hifoha ary hanarina ny firenentsika sy ny kaontinantantsika. Tsy misy làlan-kafa andosirana intsony! Andao hamaky ny soratra eo amin'ny rindrina!

‘Manomboka ny dia mankaty Afrika’

Nampanantena ny handroaka ireo mpifindra monina rehetra tsy ara-dalàna i Trump ary hampiasa “fanadihadiana lalina” ho an'ny mpifindra monina tonga ao Etazonia. Nampiasa ity fihetsika ity ireo mpisera Twitter ao Afrika mba ho fototry ny hatsikana maro .

Nizara ny sarin'ny fiaramanidina maro eo am-panidinana i Charles ary namazivazy hoe:

#AnkehitrinyEfaFilohaTrump [17]
Manomboka ny dia mankaty Afrika pic.twitter.com/PJ9SzG0WjA [18]

Raha niteny i Stefan hoe:

#AnkehitrinyEfaFilohaTrump [17] Hanararaotra hihinana popcorn aho, satria ho roahina hiverina any an-tananakely nihaviany ny vadiko taloha .

😂😂😂😂😂 pic.twitter.com/9D4C6HAwID [20]

Nivazivazy i Kulayo hoe:

#AnkehitrinyEfaFilohaTrump [17] Ao amin'ny seranam-piaramanidina ho aty Afrika ny dadatoako pic.twitter.com/oIXpUiO1N9 [22] .

Niteny i Ruth Tsonnie hoe:

#AnkehitrinyEfaFilohaTrump [17]  Any Afrika aho no hivelona sy ho faty  😂😂

Nahita ny fandresen'i Trump ho toy ny porofo i Hassan Ha-g fa azo atao ny zava-drehetra, na dia tsy misy aza ny traikefa :

#AnkehitrinyEfaFilohaTrump [17]  Efa fantatro ny lesona hoe tsy manome antoka ny asa ny traikefa. Mandehana mitady io asa izay mitaky traikefa 10 taona io .

‘Lainga izany rariny mamirapiratra any Etazonia izany’

Ho an'ny mpanara-maso maro monina aty Afrika, manasongadina ny fihatsaram-belatsihin'i Etazonia amin'ny fanohanana ny politika Afrikana ny fifidianana an'i Trump.

Nahita i Alexander Waweru ao Nairobi fa:

#AnkehitrinyEfaFilohaTrump [17] Tsy tokony hanoro hevitra anay izay ho fidianay amin'ny 2017 ny Amerikana.

Handeha any amin'ny biraom-pifidianana ireo Keniana amin'ny taona 2017.

Nanao izao fandinihana [27] manaraka izao i Ifeatu Nnaobi, Nizeriana mpanoratra:

Donald Trump is the 45th President of the USA and the story of America as a shining beacon of justice is a lie. If it weren’t a lie then he wouldn’t be president. If it weren’t a lie then Clinton should have won by a landslide but well over 58 million Americans elected this excuse of a man as President. Like many liberal non-Americans around the world, I never thought this day would come. But after Brexit, and now this, there’s the sinking realisation that the world is a shittier place that we thought. What we missed, I believe is the fact that the America we know from leftist television, press and perhaps short visits is vastly different from the America that voted in Donald Trump. The real America.

 

Filohan'ny Etazonia faha 45 i Donald Trump ary lainga ny tantaran'i Amerika ho toy ny fanilo mamirapiratra manazava ny rariny. Raha tsy lainga izany dia tokony tsy ho nandresy izy ary naharesy i Clinton, kanefa Amerikana maherin'ny 58 tapitrisa no nifidy ilay lehilahy mitonon-tena ho tena Filoha. Tahaka ireo liberaly tsy Amerikana maro manerana izao tontolo izao, tsy nieritreritra izany andro izany  ho avy aho. Fa taorian'ny Brexit, sy ity zavatra ankehitriny ity, takatry ny saina ihany fa ratsy kokoa noho ny nieritreretana azy izao tontolo izao. Ny tsy hitantsika, hoy aho dia ny hoe samy hafa tanteraka amin'i Amerika izay nifidy an'i Donald Trump i Amerika izay fantatsika avy amin'ny fahitalavitra helatra ankavia, ny gazety ary angamba ihany koa noho ny fitsidihana fohy natao. Ilay tena Amerika.

Nanamarika [27] izy fa:

The bottom-line is that if America was really as progressive as we thought, Trump never should have gotten close. The fact that he ran for the elections after allegations of sexual assault and after running a campaign fuelled by lies shows that Americans are not as progressive as they’ve led the world to believe.

Farany, raha toa ka tena mihevitena ho liam-pandrosoana tokoa araka ny noeritreretinay i Amerika, tsy tokony ho eo amin'ny fitondrana i Trump .Matoa izy afaka nilatsaka ho fidiana taorian'ny fiampangana azy tamin'ny herisetra ara-nofo ary rehefa nanao fampielezan-kevitra feno lainga dia mampiseho izany fa tsy mandroso tahaka izay efa nampinoany an’ izao tontolo izao ny Amerikana.

Na izany aza niaiky izy fa tsy ny rehetra akory no very [27] :

While this seems very grim, we must acknowledge a few strides that were made. California Attorney General Kamala Harris made history on Tuesday night when she won the Senate race and became the second Black woman to be elected to the US Senate. Former refugee Ilhan Omar has been named the first Somali-American legislator for the United States. Finally, for the first time, an openly LGBT governor Kate Brown, was elected in Oregon. These women winning seats is tremendous progress but against the hate brought to light by the Trump campaign, they look like a few rays of light penetrating a very dusty window.

Tsy maintsy manaiky ny dingana vitsivitsy efa natao isika na dia toa tena maizina aza izany. Niditra tao amin'ny tantara ny lehiben'ny Fampanoavana ao California i Kamala Harris  rehefa nandresy tamin'ny fifidianana tao amin'ny Antenimieran-doholona Amerikana tamin'ny Talata alina ary lasa vehivavy mainty faharoa voafidy ao amin'ny Antenimieran-doholona Amerikana. Ilay mpitsoa-ponenana teo aloha Ilhan Omar no lasa mpanao lalàna Somali-Amerikana voalohany ao Etazonia. Voalohany teo amin'ny tantara no nisy governora LGBT ampahibemaso voafidy tao Oregon: Kate Brown. Ireo vehivavy ireo izay vao voafidy no fandrosoana goavana manohitra ny fankahalana izay nasongadina tao amin'ny fampielezan-kevitr'i Trump. Mitondra tara-pahazavana vitsivitsy mamakivaky ny fitaratra feno vovoka izy ireo.