Notànana Vonjimaika Ny Mpanao Lahatsary Iray Ao Frantsa, Misongadina ny Fomba Hafahafa Ampiasan'i Frantsa Ny Fahamehana

Calais Jungle janv 2016

Alan'i Calais, 17 janoary 2016, saripika Flickr an'i malachybrowne. Lisansa CC BY 2.0

Notazonina vonjimaika i Gaspard Glanz, mpanao lahatsary sady mpamoaka vaovao mahaleotena, tamin'ny 26 oktobra raha nandrakitra an-tsary ny fandravana ny « alan'i » Calais ho an'ny tranonkalam-baovaony sady sampam-baovaony Taranis News. Navotsotra izy 33 ora taty aoriana, sady nahazo fandrarana tsy mahazo monina – mandeha any amin'ny « toerana efa tsinjo ny hisian'ny fikorontanam-bahoaka » indrindra fa ao amin'ny boriborin-tanin'i Calais, « mandra-pahatapitry ny fotoan'ny fahalatsahana ankaterena », ary terena ihany koa izy tsy maintsy handeha isak'asabotsy ao amin'ny komisariàn'ny tanànan'i Strasbourg, tanandehibe onenany amin'ny amin'ny 600 km miala io toerana nandehanany io, natao izany hanasarotana ny fanohizany ny asany.

Navoakan'ny didim-pitondran'i prefe amin'ny antsipirihany ireo fepetra ireo sy ny valan-tsehatra ampiharana azy ary mifanaraka amin'ny fepetram-pametrahana ny fotoam-pahamehana ao Frantsa taorian'ny fanafihana tamin'ny novambra 2015 ary mbola mihatra mandraka androany. Ao anatin'io lasitra io dia afa-mametraka fari-piarovana sy filaminana ny prefe, solontenam-panjakana ao an-toerana, ary nampiharina izany tao Calais tamin'ny 23 oktobra 2016. Voalazan'ny didim-pitondrana ihany koa ny fitoriana azy eny amin'ny fitsarana.

Ny trangan-javatra

Tsy saripika ihany no nilain'ny mpanangom-baovao tamin'ity indray mitoraka ity hotantaraina ao amin'ny tranonkalany, amin'ny fomba feno hafanampo sady mifandraika amin'ny zavamisy, fa ny fizotran'ny nampanatsoana azy arahin'ny fitanana azy, heverina fa baiko « avy any ambony dia ambony any ».

Notsiniana izy, izay ny antony voalohany, fa niditra tsy nanana karatra maha-mpamoaka vaovao – efa nangatahana fa mbola tsy azo – tamin'ny « faritra voaaron'ny fotoam-pahamehana ».

Ny antony faharoa indray dia lazaina fa nisy ny fangalarana talkie-walkie an'ny mpitandro ny filaminana, naseho tamin-tsy fitandremana tao amin'ny Twitter ho « haza an'ady ». Notoriana ho nanivaiva mpiasam-panjakana polisy miisa 12 tao Rennes ihany koa izy, izay namoahany ny sarin'ireo vondron'olona ireo tao amin'ny Facebook miaraka amin'ny lahatsoratra manao hoe « Ein Reich, ein Volk, ein Führer » (Vahoaka tokana, firenena tokana, mpitarika tokana, teny filamatry ny antoko nazi tamin'ny taompolo 1930). Tsy notononina ny voambolana “nazi” fa mangarahara ny tian-kambara. Ny andininy 433-5 amin'ny fehezan-dalàna momba ny heloka bevava frantsay dia manasazy ny fanivaivana atao amin'olona « mihazona ny fahefam-bahoaka » (tafiditra ao anatin'izany ny polisy) amin'ny famonjana enimbolana sy lamandy 7 500 euros. Ireo fiampangana roa farany ireo no mahatonga azy hiatrika ny fitsarana roa amin'ny janoary sy marsa 2017. 

Hita any amin'ny sehatra rehetra ahitana fanoherana

Manana ny toerany manokana ny Taranis News eo amin'ny tontolon'ny fampitam-baovao frantsay. Liana amin'ny hetsika ara-piarahamonina sy fanoherana rehetra izy – ary maro izy ireo ao Frantsa ta anatin'ny taona faramparany izay, hatramin'ny fanoherana ny tetikasan-tseranam-piaramanidina ao Notre-Dame des Landes ka hatramin'ny bemidina ao Calais rehefa nandalo tany amin'ny fihetsiketsehana Nuit Debout sy ny fanentanana hanoherana ny lalànan'ny asa.

Hita na aiza na aiza ny Taranis News ao Frantsa rehefa misy fihetsiketsehana, na avy aiza na avy amin'ny vondron'olona iza no manao izany fihetsiketsehana izany, na misy ny famoretana na tsia, eny fa na dia amin'ny fihetsiketsehana ataon'ny polisy aza.

Ny endrika filazam-baovao ataon'ny Taranis News, ny fivoahana avy ao anatin'ny mpanao fihetsiketsehana ihany koa aza, dia mety hampidi-doza na ara-batana – mety ho voadaroka mandritra ny fifandonana ifanaovan'ny mpitandro ny filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana – na ara-pitsarana, asongadin'ilay fitiavana manao fihantsiana araka ny hita eo amin'ny teny filamatr'i Gaspard Glanz ao amin'ny kaonty Twitter-ny hoe « Tiako ny fofona etona mandatsa-dranomaso amin'ny maraina  » –  araka izay mahazo azy ankehitriny. Izany fahazarany izany, izay mila fahafahana mivezivezy eny an-kianja hatrany, dia voasakan'ny fanerena azy tsy maintsy mankany amin'ny polisin'ny tanànany isan-kerinandro :

M’obliger à pointer tous les samedi au commissariat de Strasbourg, ça va détruire mon activité professionnelle. Il faut comprendre que je me déplace en permanence, que j’ai fais des dizaines de milliers de kilomètres depuis le début de l’année en faisant des aller/retours entre Rennes, Nantes, Paris, Lille, Calais et je ne suis resté à Strasbourg que moins d’un mois en cumulé sur toute l’année. M’obliger à faire 1600km à 1800km aller/retour (si je suis à Rennes ou à Nantes par exemple) chaque semaine et juste pour pointer au commissariat de Strasbourg, économiquement cela va me laminer.

Manimba ny asako izany fanerena ahy tsy maintsy mankany amin'ny komisariàn'i Strasbourg izany. Tokony ho fantatra fa mifindrafindra toerana hatrany aho, ary analiny kilaometatra izany fivezivezena izany hatramin'ny voalohan'ny taona amin'ny fanaovana mandroso sy miverina an'i Rennes, Nantes, Paris, Lille, Calais ary latsaky ny iray volana ihany no ijanonako ao Strasbourg raha atambatra daholo ny mandritra ny taona. Mampihena ny vola miditra amiko izany fanerena ahy hanao 1600km ka hatramin'ny 1800km mandroso sy miverina (raha any Rennes aho na any Nantes ohatra) isan-kerinandro hankao amin'ny komisarian'i Strasbourg izany

Mpamoaka vaovao SADY/NA mpikatroka

Manamarika ny tsy fisian'ny firaisankina eo amin'ny tontolon'ny fampitam-baovao ity siokan'ny mpamoaka vaovao Michel Mompontet ao amin'ny kaontiny manokana ity :

Hafahafa ireo mpamoaka vaovao tafapetraka ireto izany manazava anao amim-pitokisana fa tsy mpanao gazety i @GaspardGlanz fa mpikatroka.

Nanorina tsy fitiavana azy, tsy ao amin'ny mpitandro ny filaminana ihany fa na dia amin'ny tontolon'ny gazety ihany koa aza i Gaspard Glanz, izay manasongadina ny filazam-baovao eo anelanelan'ny sisintany manjavozavo isarahan'ny vaovao sy ny katroka. Ny fitateram-baovaony, izay saika tsy misy fitenenana toy ny « No comment » an'i Euronews, saingy aseho avy amin'ny zoron'ny mpanao fihetsiketsehana, zoro tadiavin'ny AFP sy ny BBC.

Mpikatroka ? Tsy isalasalana, tsy lavitra loatra an-dry « No borders », hetsika mamelotena mitaky ny hanafoanana ny sisintany, avy amin'ny ankavian'ny elatra ankavia frantsay. Regards, fampitam-baovao iray amin'izany fironana izany no iray amin'ny voalohany naneho ny fanohanany, hatreto dia ireo gazety manakaiky an'io fironana politika io ihany, toy ny Mediapart, izay nanoratra toy izao no naneho ny fanohanany ilay mpamoaka vaovao:

La multiplication des poursuites pour des motifs contestables au regard de la liberté d’expression donne le sentiment d’un harcèlement à l’égard de Gaspard Glanz. La rédaction de Mediapart suivra avec attention le déroulé de ses procès à venir car ils ne concernent pas seulement le sort d’un journaliste professionnel même s’il ne possède pas de carte de presse, mais bien le respect des droits et de l’indépendance de toute une profession.

Ny fitomboan'isan'ny fanenjehana ara-pitsarana amin'ny antony izay azo tsikeraina manoloana ny fahalalahana maneho hevitra no toa ahatsapana fa misy ny fanorisorenana atao amin'i Gaspard Glanz.  Hanara-maso akaiky ny fizotran'ny fitsarana ho avy ny fanoratam-baovaon'ny Mediapart satria tsy resaka manjò ny mpamoaka vaovao matihanina iray ihany ity, na dia tsy manana karatry ny gazety aza izy, fa tena fanajana ny zo sy ny fahaleovantenan'ny vondronasa [indostria] iray manontolo.

Ny fikatrohana ataony – ary ny loza dia fanoherana ny rindra mijoro – ve no mahatonga azy ho mpamoaka vaovao sandoka  na ratsy ? Voavelively i Gaspard Glanz amin'ireo fanehoan-kevitra amin'ny lahatsoratra sy ao amin'ny tambajotra sosialy, amin'ny tsy fananany karatry ny gazety sy amin'ny maha-mpikatroka azy, izay toa hoe mifanohitra amin'ny etika maha-mpamoaka vaovao. Iray amin'ny fepetra fahazoana ny karatry ny gazety ny maha -mpiasan'ny fampitam-baovao iray azy – nefa maro amin'ireo mpamoaka vaovao no tsy izany ary tsy ahazoana antoka amin'ny fahaleovantena sy fanehoan-kevitra malalaka izany.

Fanararaotana fahamehana, hiarovana ny COP 21 sy ny fotoam-pifidianana ?

Nitarina faninefany izao, hatramin'ny farany volana janoary 2017 noho ny fanafihana tao Nice, ny fepetran'ny tany misy hotakotaka, najoro tao Frantsa taorian'ny fanafihana tamin'ny novambra 2015. Ny fanesorana ny famerana ny fahazoan'i Gaspard Glanz mivezivezy dia nankinina tamin'ny filazana famaranana ny fahamehana izay toa havaozina hatrany mandrapaha tsy fisian'ny fandrahonana fampihorohoroana intsony.

Io fahamehana io hatrany no fomba handraran'ny governemanta ireo karazana fihetsiketseham-panoherana rehetra miseho, sady mba tsy miparitaka loatra ny polisy tsy ampy isa rahateo. Nandritra ny COP 21 tao Paris tamin'ny novambra 2015 no nampiasana azy voalohany. Ao amin'ny boky fanangonana ny hevitr'i François Hollande ao amin'ny mangingina ary nivoaka vao haingana mitondra ny lohateny hoe: Un président ne devrait pas dire ça, [tsy tokony hiteny zavatra toy izany ny filoha] misy mivaky toy izao :

Le Président affirme dans le livre « C’est vrai, l’état d’urgence a servi à sécuriser la COP 21, ce qu’on n’aurait pas pu faire autrement », avoue sans fard Hollande. [Et il poursuit : «Imaginons quil ny ait pas eu les attentats, on naurait pas pu interpeller les zadistes pour les empêcher de venir manifester. Cela a été une facilité apportée par l’état durgence, pour dautres raisons que la lutte contre le terrorisme, pour éviter quil y ait des échauffourées] .

Nanamafy ny filoha tao amin'ny boky : “marina fa ho fiarovana ny COP 21, no nanaovana ny fahalatsahana an-katerena, nefa tsy afaka natao tamin'ny fomba hafa izany“, hoy i Hollande tsy nihambahamba. [Ary dia notohizany: “Raiso an-tsaina anie hoe tsy nisy ilay fampihorohoroana,  tsy ho azo natao ny nampitandrina ny zadista mba tsy hahatongavan-dry zareo hanao fihetsiketsehana. Ny fahalatsahana ankaterena no nanamora ny raharaha, raha amin'ny antony hafa ankoatra ny ady amin'ny fampihorohoroana, mba isorohana amin'ny mety isian'ny fifandonana”]

Amin'ity tranga misy ankehitriny ity sy ao anatin'izao toe-java-misy ara-politika tsy itokisan'ny olona indrindra ny filoha nefa ankatoky ny fifidianana filoham-pirenena 2017 izao, dia mety hanimba tanteraka ny firindran'ny filazana avoakan'ny governemanta ny sary mivantana fanesorana ny tobin'ny Jungle sy ny famindran-toerana ireo mpifindramonina mankany an-toeran-kafa amin'ny alalan'ny bus mety hotontosaina sy havoakan'ny Taranis News, araka izay nanoritsoritan'ny gazety le Monde [lahatsoratra natao ho an'ny mpamandrika ihany] azy:

La « com’» était presque parfaite… Dès la préparation du démantèlement de la « jungle » de Calais, la Place Beauvau [le Ministère de l'Intérieur] et la préfète du Pas-de-Calais, Fabienne Buccio, ont travaillé le dispositif d’évacuation du bidonville pour qu’il raconte la belle histoire d’une France terre des droits de l’homme et de l’asile. Tout a été pensé pour convaincre le public qu’il s’agissait d’une opération humanitaire.

Saiky lavorary tanteraka ilay “com'”… hatramin'ny fiomanana fanesorana ny « jungle »-n'i Calais, niasa tamin'ny fametrapetrahana ireo fomba hialana amin'ny tobin'i Calais ny tao amin'ny Place Beauvau [Minisiteran'ny Atitany] sy ny prefen'i Pas-de-Calais, Rtoa Fabienne Buccio, mba ho tantara mahafinaritra momba an'i Frantsa tanin'ny zon'olombelona sy fialokalofana no hivoaka. Novisavisaina tsara daholo ny zava-drehetra handresen-dahatra ny olona fa asam-panavotan'olona no atao izao.

Fahalalahana mampita vaovao sy fanakelezana ny fanjakan-dalàna

Raha mbola iadian-kevitra ny antony nisamborana azy, dia hita kosa ny tena mampanahy amin'ny fomba nampiasana, ampiasaina ary hampiasana ny fahalatsahana ankaterena hanakombonam-bava ireo fihetsiketseham-panoherana.

Miahiahy fatratra ery ireo fampitam-baovao frantsay goavana amin'ny manjo ireo mitovy asa aminy ao Torkia sy ao Hongria amin'izao fotoana izao. Saingy toa tsy miontana kosa indray ry zareo manoloana ireo « fipoapoakan'ny fitoriana » mahazo an'i Gaspard Glanz eny amin'ny fitsarana satria hoe latsaka ankaterena ny firenena amin'izao fotoana izao.

Hitanao ato ny pejy Facebook an'i Taranis News.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.