- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mankalaza Ny Fandresen'i Trump Ny Nasionalista Sy Ny Mpandrendri-Bahoaka Any Serbia Sy Makedonia

Sokajy: Amerika Avaratra, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Etazonia, Makedonia, Serbia, Slovenia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona
Widely shared photo-montage by unknown author presenting Donald Trump as a Crusader carrying the old Macedonian flag.

Sary namboarina nozaraina fatratra avy amin'olon-tsy fantatra mampisehjo an'i Donald Trump ho ilay irak'Andriamanitra mpanao Kroazady mitondra ny saina makedoniana fahiny.

Nampientanentana fatratra ireo politisiana elatra havanana sy ireo mpikambana ao aminy any amin'ny firenen'i Balkan maro ny fandresen'i Donald Trump [1] tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tany Etazonia.

Maro ny antony mahatonga ny fanehoan-kevitra tahaka izany, izay miainga amin'ny rikoriko manoloana an-dry Clintons, ny fahatsapana firaisan-kina amin'ny elatra havanana amerikana, ka hatramin'ny fitoviam-pijery itoviana amin'i Trump ho samy tsy tia finoana Islamo. Ankoatra izany, eo ambany tara-kevitra rosiana [2] mirona kokoa amin'ny fandresen'i Trump ny hevi-bahoaka any amin'ireo firenena ireo.

Ao Serbia, ny fomba fielezan'ny fomba fijerin'i Trump dia mifototra amin'ny petra-kevitra hoe ‘namako ny fahavalon'ny fahavaloko.’ Ny fanoherana an-dry Clintons, izay nanome tsiny ny fandarohana baomba nandritra ny adin'i Kosovo [3] tamin'ny taona 1998-99, sy ny fidirana an-tsehatra nataon'ny OTAN nandritra ny fitsaboana nandritra ny ady Yogoslavy [4], no nametraka an'i Trump ho tsara toerana ao amin'ny fitiavan'ny politisiana nasionalista elatra havanana [5] tahaka an'i Vojislav Šešelj [6] avy amin'i Antoko Radikaly Serba farany ankavanana.

Ny ampitso marainan'ny fifidianana tao Etazonia, nanambara ny tonian'i Informer, gazety iray mpanohana ny governemanta mpanaitaitra ao Serbia, fa nametraka afisy lehibe iray miarahaba an'i Trump ao Belgrade ry zareo, “Miarahaba anao ilay Serba izahay ry Trump!”.

Indreto izahay, aty an-dalambe :)))

Heverina ho tena akaiky dia akaiky ny governemantan'ny praiminisitra serba Aleksandar Vučić ny Informer, ary tafiditra lalina tamin'ny ‘fanaovana hazalambo ny fampitam-baovao’ [9]fanentanana fanosoram-potaka [10] ary famoahana fandrahonana [11] ireo mpilaza vaovao fanadihadiana [12] namoaka trangan-kolikoly avo lenta maromaro [13].

Nitatitra [14] ny tranonkalam-baovao Balkan Insight fa any ampitan'ny sisintanin'i Serbia, any Kosovo sy Bosnia sy Herzegovina, “maro ireo Albaney sy Bosniaka no mitaraindraina amin'ny faharesen'i Hillary Clinton.”

Tahaka ny hita any amin'ny faritra hafa eto amin'izao tontolo izao, dia feno fanehoan-kevitra momba ny vokatry ny fifidianana tany Etazonia ihany koa ny tambajotran-tserasera makedoniana. Maneho hevitra amin'ny tsy fifanaraham-peo ara-pahalalana amin'ny fanomezan-tsiny an-dry Clinton nefa minia tsy mijery ny vokatry ny zavatra nataon'ilay mpitondra tsy refesi-mandidy Slobodan Milošević [15] ny mpisera Twitter Srbak.

- Dombo
– Dombo kokoa
– Tompon'antoka i Hillary satria nentinny bibidia meloka tamin'ny fandripaham-bahoaka sy fanitsakitsahana ny zon'olombelona rehetra i Serbia.

Amin'ny ankapobeny fanambarana ofisialy fohy [17] no navoakan'ny politisiana Makedoniana momba ireo kandidà rehetra. Na izany aza dia maro ireo mpikambana ao amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana, elatra havanana VMRO-DPMNE, no naneho hafaliana tamin'ny fandresen'ny Repoblikana any Etazonia, izay heverin-dry zareo ho mpiara-dia sy mpanohana. Maro ireo nampita ny dikasary avy amin'i Antonijo Milošoski, mpikambana ao amin'ny parlemanta sady minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha tao amin'ny Facebook ofisialin'ny antoko. Tao izy nanova ny fanafohezan-tenin'ny VMRO, izay midika hoe Fikambanana Revolisionera Makedoniana Anatiny [18], tamin'ny fanoloana ny teny hoe “Revolisionera” ho lasa “Repoblikana.”

Ho fanomezam-boninahitra ny fandresen'i Trump, nomen'i Milošoski “anaram-baovao” ny VMRO-DPMNE!

Maro ireo asa hafa natao Photoshop. Iray amin'ireo ohatra tena lasa lavindra (jereo ny sary ambony indrindra amin'ity lahatsoratra ity) ilay mampiseho an'i Trump ho Manamboninahitra an-tsoavalin'ny Tempoly manao kroazady (amin'ny miozolomana) nirahin'Andriamanitra (maneho ny soatoavina mahazatra ara-pianakaviana) manofahofa ny saina Makedoniana [22] taona 1992-95 dia ny Masoandro Vergina [23]  (mampiseho ny fitohizan'ny firenena Makedoniana hatrany amin'ny fotoana nanjakan'i Alexander ilay Lehibe).

Maro ireo fifanakalozan-kevitra miresaka ny fandresen'ny elatra havanana ao Etazonia, ampifandraisina amin'ny fifidianana ho avy amin'ny volana desambra ao Makedonia, ao anatin'ny lantom-peo mitovitovy amin'ny fahafinaretana miresaka ny Brexit [24]. Etsy ankilan'izay dia manamarika ihany koa ny sasany fa nifidy hiala amin'ny tsy-fihetsehana ny vahoaka Amerikana, izay raha avadika amin'ny zava-misy ao Makedonia dia midika ho faharesen'ny elatra havanana.

Nampita fomba fijery [25] iray avy amin'i Slobodan Jakjoski, mpisera media sosialy malaza iray ny vavahadim-baovao Okno.mk:

Би рекол дека тие што не ја разбираат победата на Трамп и импликациите врз светот, Балканот и нас не го сфаќаат духот на времето.

Сржта на проблемот е што либералната демократија од финансиски неолиберален тип не функционира. На глобално ниво. Не функционира, затоа што и тој економски раст што го испорачува се редистрибуира крајно нееднакво. Незадоволниците од овој систем со право бараат суштински промени.

Тие промени, секако, им ги нудат десничарски демагози и популисти во вид на едноставни решенија („ќе изградам ѕид, ќе забранам влез на муслимани, ќе излеземе од ЕУ“).

Нашиот случај е различен бидејќи тој систем кај нас ВЕЌЕ е крахиран, веќе краткото искуство со либералната демократија е доживеано како целосен неуспех и веќе 10 години владеат десничарски популисти кои на огромен дел од населението му испорачуваат едноставни решенија за егзистенцијалните проблеми.

Да, зборувам за клиентелистичкиот систем на ВМРО. Ако мислите дека вработениот во администрација после години невработеност НЕ ЗНАЕ за фактот дека некого утепала полиција и се обидела да скрие, дека државата безочно се краде, дека УБК прислушкува и снима сè живо и диво, тогаш се лажете.

Многу добро знаат. Но, кога егзистенцијата ти е доведена во прашање, ќе замижеш пред секакви неправди и ќе си рационализираш дека оние што се осмелуваат да ти го нарушаат ресурсниот раат се предавници, комуњари, исти… или на крајот на краиштата, не се замараш со политика.

Te-hiteny aho fa ireo fa ireo izay tsy mahatakatra ny fandresen'i Trump sy ny fiantraikany ho an'izao tontolo izao, dia tsy mahay mandrombaka ny fanahin'ny fotoana i Balkans sy isika eto [Makedonia].

Ny votoatin'olana dia tsy mahomby ny demaokrasia liberaly amin'ny karazana neo-liberaly ara-bola. Eo amin'ny sehatra maneratany. Tsy mandeha satria tsy voazara ara-drariny ny harin-karenany. Manan-jò ny hitaky fanovana ankapobeny ireo tsy afa-po amin'io rafitra io.

Atolotr'ireo mpandrendri-bahoaka avy amin'ny elatra havia ao anatin'ny vahaolana tsotra ho azy ireo izany fanovana izany (“Hanangana rindrina aho; handrara ny fidiran'ny Miozolomana aho; hiala amin'ny Vondrona Eoropeana isika”).

Hafa ny traka Makedoniana satria efa rava ny rafitra ao. Efa jerenaho toy ny tsy fahombiazana manontolo ny fotoana fohy niainana demaokrasia liberaly tao, izay nitarika nakany amin'ny fanjakan'ny mpandrendri-bahoaka amin'ny elatra havanana nitondra vahaolana tsotra amin'ny olana ara-pisiana eo amin'ny fiainan'ny ankapoben'ny mponina tao anatin'ny 10-taona.

Eny, miresaka ny rafitra fakana mpanjifa [26] ataon'ny VMRO aho. Raha mihevitra ianao fa ilay olona ampiasaina ao amin'ny fitantanam-panjakana mibontsina rehefa nizaka tsy fananana asa an-taonany maro dia tsy mahalala ny zava-misy namonoan'ny polisy olona ary niezaka ny manafina izany [27], fa tsy misy ny fanakanana ny hala-bolam-panjakana, fa manao fanaraha-maso tsy ara-dalàna hatraiza hatraiza [28]ny polisy miafina dia mamita-tena ianao.

Mahafantatra tsara ny zava-drehetra izy ireo. Fa raha voakitikitika ny fiainanao dia hikimpy amin'ny karazana tsy rariny rehetra ianao ary hiezaka hanazava tena fa mpamadika, komonista,sns … ireo rehetra sahy hiaika ity spoils system [rafitra manome toerana ny akamakama ao amin'ny asam-panjakana] ity. Ary ny fialana bala farany, dia manambara izy ireo fa ‘tsy liana amin'ny politika. ‘

Mandritra izany fotoana izany, ao Slovenia, nanomana lanonam-pankalazana tao amin'ny toeram-pisotroana iray [29] ao an-tanànan'i Sevnica niaviany ny sasantsasany amin'ireo mpiray tanindrazana fahiny amin'i Melania vadin'i Trump [30] [mg]. Toa tsy dia misy idiran'ny resaka foto-kevitra loatra ity fankalazana ity, ankoatra ny fitiavan-tanindrazana ao an-toerana.