- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sary-sy-Soratra Mampitokelaka Nahatonga Fanentanana Fitia Tsy Mba Hetra Ho An'ny Kilonga Ao Ghana

Sokajy: Afrika Mainty, Ghana, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina
Ghanaian Internet sensation Jake Amo. Photo taken by and shared on Instagram by

Jake Amo mahavalalanina ny aterineto ghaneana . Saripikan'i Carlos Cortes ary nozarain'i Solomon Adufah tao amin'ny Instagram.

Sary iray no nanombohan'ny zavatra rehetra. Ao anatin'io sary io misy kilongalahy iray antsoina hoe Jake Amo eo ampanoritsoritana anaty fifantohana lalina nandritra ny fianarana fahaiza-mamorona sy zavakanto tao an-tsekolin'ny tanànakeliny ao Asempanaye ao Ghana. Solomon Adufah, Ghaneana, nianatra ny zavakanto voakaly fatratra tao amin'ny Oniversite Illinois ao Etazonia, no mamelona ny kilasy. Nalain'i Carlos Cortes [1], izay eo am-pandraketana ny dian'i Adufah tao Ghana a tamin'ny Aogositra 2015 ny sary. Nozarain'i [2] Adufah tao amin'ny pejiny Instagram ny sary tamin'ny Janoary 2016.

Niteraka fahamiramiranana tato amin'ny aterineto ny pikantsary tamin'ny Septambra sy Oktobra 2016. Azo heverina fa tonga izany rehefa nanamboatra sary tahaka ny ato [3] sy ny ato [4] ireo mpisera aterineto Afrikana Tatsimo [5].

When they ask you to write down your past job experiences & you're writing you were an admin of Facebook page & whatsApp group". Screenshot from No chill in Mzansi" Facebook group. [4]

“Rehefa manontany anao hanoratra izay asa efa nataonao ianao & manoratra ianao fa admin pejy Facebook & vondrona whatsApp”. Dikasary avy amin'ny vondrona Facebook “No chill in Mzansi”.

Navadik'i Solomon Adufah ho fanangonam-bola ifarimbonam-bahoaka [6] hanohanana azy sy ireo ankizy hafa tahaka azy ao Ghana ankehitriny ilay sary lasa nalaza dia nalaza. Nahangona vola mihoatra ny $12.000 avy amin'ny mpanome mihoatra ny 500 isa ny fanentanana hatramin'ny andro faha-12.

Manazava ny fikasany ao amin'ity sombim-panentanana ity i Adufah:

Ho fanehoan-kevitra manoloana ny tantara, nanamarika [7]ny lazan'ilay sary-sy-soratra i Ayuba Fowoke, mpanoratra ao amin'ny Innovation Village [8], ary manasongadina ilay fomba fitenenana afrikana malaza manao hoe “ny fiarahamonina iray [manontolo] no tafiditra amin'ny fanabeazana zaza iray” ny vokatry ny fanentanana fanangonam-bola. Nanoratra [7] i Fowoke hoe:

There have been many stories of how crowdsourcing rescued many from challenges. But it is more exciting when a negative and hilarious meme is turned into a good tale like that of Jake. In addition, it is even better if the meme resolves a social problem.

This is what happens when government and local authorities abandon their responsibilities. There are millions of children out of school across Africa while the ones who are in school learn in dilapidated conditions.

[…]

There is no guarantee that many around Africa and the world will stop using Jake’s pictures for memes. However, what is sure is that Jake and his friends at Asempanaye, Koforidua will learn in a more conducive environment and with superior writing materials! Thanks to the pensive, and morose looking Jake, Solomon Adufah and Carlos Cortes.

Maro tantara ny milaza ny fomba namonjen'ny “fitia tsy mba hetra” olo-maro avy amin'ny fahasarotana. Fa ny tena mampientanentana kosa dia rehefa lasa nivadika ho tantara mahafinaritra tahaka ny an'i Jake ny sary-sy-soratra miiba sy mampitokelaka. Ankoatra izany, dia lasa tsaratsara kokoa aza raha mamaha ny olana ara-tsosialy ny sary-sy-soratra mahatsikaiky .

Izany no mitranga rehefa miala andraikitra ny manam-pahefana eo an-toerana sy ny governemanta. Misy an-tapitrisa ny ankizy ivelan'ny sekoly manerana an'i Afrika raha miaina ao anatin'ny toerana tsy misy fikarakarana ireo ankizy mba tafiditra sekoly.

[…]

Tsy misy antoka fa hitsahatra amin'ny fampiasana ny sarin'i Jake ho sary-sy-soratra ny maro manerana an'i Afrika sy izao tontolo izao. Na izany aza, ny azo antoka dia hianatra amin'ny tontolo azo iainana kokoa miaraka amin'ny fitaovana tsara kalitao kokoa i Jake sy ny namany ao Asempanaye, Koforidua! Noho ny fijery feno eritreritra sy malomalok'i Jake, Solomon Adufah ary Carlos Cortes.

Mamehy ny traika vitan'i Jake i Olwethu Mthathi:

Fanorolahy, olomangan'ny sary-sy-soratra afrikana sy ireo miara-miaina amin'ny media sosialy i Jake Amo