- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Tsia’ Ho An'ny Lalàna Hijab Ao Iràna Hoy Ilay Indiana Mpitifitra, Heena Sidhu, ary Mitambatra Aoriany Ireo Tambajotra Sosialy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Azia Atsimo, India, Iràna, Fanatanjahantena, Fanoherana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
heena-sidhu [1]

Heena Sidhu taorian'ny nahazoany ny medaly volamenan'ny tompondaka Vehivavy tamin'ny tifitra 10 m Poleta rivotra tao amin'ny lalao famaranana ny Tompondaka Erantany ISSF (International Shooting Sport Federation) 2013 tany Munich.

Mandà ny hanaraka ny didy tsy maintsy hisaloran'ny vehivavy hijab ao Iràna, ilay teratany Indiana mpitifitra Heena Sidhu [2] dia niala tamin'ny andiany faha-9 fiadiana izay ho Tompondakan'ny Poleta Rivotra Aziatika, izay hatao ny volana Desambra any Iràna amin'ity taona ity.

Mijoro amin'ny fanapahankeviny hitoetra lavitry ny fifaninanana, nampiasa ny Twitter sy ny kaontiny Facebook ofisialy i Heena mba hanazavana ny eritreriny. Tamin'ny 29 Oktobra, nibotsika izy:

Tsy revolisionera aho. Fa mahatsapa aho hoe ny fanerena fa na ny olona iray mpanao fanatanjahantena aza tsy maintsy misalotra hijab dia tsy ao amin'ny fanahin'ny fanatanjahantena mihitsy. (2)

Notohizany tamin'ny fitenenana fa fanapahankevitra manokana izany ary tsy tiany ny hamadihana izany ho resa-politika ary tokony amin'ny fifaninanana no mifantoka fa tsy amin'ny hijab.

Nahazo fanohanana maro ny fijoroan'i Heena, sady tao India no teo amin'ireo ampahanà Iraniana liberaly koa.

Nisioka ny fanohanany i Harsha Bhogle [4], mpaanmakafaka ny lalao cricket Indiana sady mpanao gazety  :

Tena miombon-kevitra aminao ry @HeenaSidhu10 [5]. Mampalahelo ny fanerena ireo atleta mba hanaraka ny fepetram-pitafy ao an-toerana mandritra ny fihaonana iraisam-pirenena.

Sorabh Pant, mpanao hatsikana, nilaza hoe :

Niala tsy hiady ny Tompondakan'ny Poleta Rivotra Aziatika ao Iràna  noho ny lalàna tsy maintsy arahina mikasika ny hijab i Heena Sidhu.
Lalàna adaladala.
Ary, hetsika feno herim-po

Raha miresaka momba ny fitsidihana vao haingana nataon'ny Minisitry ny Raharaha Ivelany Sushma Swaraj tany Iràna, izay toerana nahitana ny minisitra nanarona ny lohany, nisioka ny bilaogera SamSays [7]:

Na i SushmaSwaraj aza nanaraka ny fanerena hisalotra hijab ao Iràna tamin'ny fanaronana ny lohany tamin'ny saron-doha. Mahafinaritra ny fijoroana ry #HeenaSidhu [8].

Fanohanana maro ihany koa no miraradraraka eo amin'ny Pejiny Facebook Ofisialy [10].

Hitan'ireo Iraniana liberaly ho toy ny dingana soa ny fanapahankevitr'i Heena tsy hiditra amin'ny fanarahana ilay fitakiana fanaovana hijab ary notehafan'ireo mpikatroka miady amin'ny lalàna hijab napetraka amin'ny vehivavy Iraniana. mpanao gazety Iraniana nahazo loka, miaina an-tsesitany Masih Alinejad, izay mitantana ny pejy Facebook antsoina hoe Ny Fahalalahako An-tsokosoko izay mampiseho ireo vehivavy Iraniana tsy manao hijab imasom-bahoaka, nanoratra [11] tao amin'ny seha-baovao mitodika amin'ny tanora Youth Ki Awaaz [12]

Any Iràna, miady amin'ny fombany manokana ihany koa ireo vehivavy manohitra ny fenerena hisalotra hijab. Rehefa nifidy ny hanohitra ny fanerena ny fisalorana hijab ao Iràna i Heena, nizara ny sariny [13] tao amin'ny pejy fanentanana Ny Fahalalahako An-tsokosoko sy ny Instagram [14]-ako aho. Vehivavy maro tao Iràna no nitehaka ny zavatra nataony, mampirisika azy toy ny rahavavy ao anatina ady mitovy.

Tsy izany no ohatra voalohany tamina olona mpanao fanatanjahantena manohitra ny fanerena hanao hijab ao Iràna. Niala vao haingana tamin'ny  tompondakan'ny lalao ‘ echec ‘ tokony hatao ao Iràna amin'ny Desambra hoavy koa, noho ny antony mitovy, ary manangon-tsonia mba hamindràna ilay fifaninanana i Nazi Paikidze-Barnes.