- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ezahan'izao Tontolo izao ny Hanakatra ny Dikan'ny ‘Trumpocalypse’

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika
Black Lives Matter Protest. Public Domain picture form Pixabay.

Hetsi-panoherana Black Lives Matter. Sary ho an'ny sehatry ny daholobe, tao amin'ny Pixabay.

Fandresena tsy nampoizina ho an'ny sasany, efa nandrasana ho an'ny hafa, ary fahatairana ho an'ny ankamaroan'ny olona. Voafidy [1] ho Filohan'i Etazonia ny 8 Novambra 2016 teo ilay mpirotsaka avy amin'ny elatra farany havanana, Donald Trump. Ny tena nampahalaza an'i Trump teny amin'ireo mpomba azy, voalohany indrindra eo imason'izy ireny, dia izy tsy misy ifandraisany amin'ny establishment’ – fianakavian'ireo mpibodo fahefana –  izay efa tsy ananan'izy ireo fitokiana intsony.

Betsaka ireo manampahaizana manokana (sy mpanao gazety marobe) no tsy nahavita nahatakatra azy. Tany ivelan'i Etazonia, nanontany tena izao tontolo izao momba ny fomba nahatongavana amin'izao.

Ity Tsy Hoe Fotsiny Nifidy Trump Ireo Fotsy Mahantra. Ity no ilay Amerika nahazatra antsika ny niaina tao anatiny, fa niboridana fotsiny ankehitriny

Nisy Firenena iray tsy nifidy an'i Trump. Fa ity kosa nifidy. Nanao izany ireo mpiray vodirindrina aminao sy ny fianakavianao ary ireo mpiara-miasa sy namana.

Latoya Peterson, mpanakiana ny resaka foko sy kolontsaina, mpiara-manoratra ny bilaogy  Racialicious [4], nibitsika hoe ::

Tsy hatahotra [ny vokatry ny fifidianana] aho. Mamono ny fanahy ny tahotra. Fahafatesana kely izay mitondra ho amin'ny famafàna tateraka ny aminao ny tahotra. Hiatrika ny tahotro aho.

Ilay safiotra Amerikàna-Palestiniana, Sara Yasin, no mampiseho ny tahotra iainan'ny vondrom-piarahamonina miozolmana ao Etazonia :

Tovovavy miozolmana iray avy ao Caroline Avaratra no maneho hevitra amin'ireo vokatry ny #Alim-Pifidianana hatreto

Avy any Iowa, ilay mpanoratra Pan-afrikanista, Siyanda Mohutsiwa, manana izao fijery izao:

Rehefa miresaka ‘fanaovana hiringiriny’ ao anaty aterineto isika, dia miteny hatrany momba ireo miozolmàna. Saingy nahatratra haavo tsy noeritreretna velively ny isan'ireo lehilahy fotsy hoditra lasa  ‘mpanao hiringiriny’ ao amin'ny aterineto

Trevor Timm, ilay mpiaro ny fiainana manokana sy mpanangana ny Freedom of the Press Foundation [11] [Fondation ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety]  nibitsika hoe:

Faly fa navadiky ny Demaokraty ho toy ny andrimpanjakana ny rafi-piarovana iray midadasika sy tsy tomponandraikitra, izay atsy ho atsy dia adàla iray no hifehy azy.

Hevitra vitsivitsy avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao

Stacey Gonzalez, mpanoratra sady mpaka sary monina any Kanadà, no namintina ny fomba fahitàny ilay fifidianana, tamin'ny fampiasàna ny tenifototra #Trumpocalypse [13] :

Eny,  nifidy hanohitra ny zon'ny vehivavy ianao, hanohitra ny tontolo iainana, hanohitra ny vitsy an'isa ary nifidy ny fanavakavahana ry 🇺🇸

Hitan'i Liana Aghajanian, Armeniana mpanao gazety fa :

Izao no Amerika, amin'ny endriny tena izy tsy nokitihana. Toy ny hoe mody nahafantatra an'i Amerika isika rehetra hatramin'izay, saingy hadisoana goavana ny antsika.

Ezahan'i Marko, avy any Makedonia ny hanazava ny anton'ny nahadiso tanteraka ireo fitsapankevitra :

Aleo potsirintsika ny vay ! Diso ireo fitsapankevitra tany Etazonia satria marobe ireo olona no menatra ny hiaiky imasom-bahoaka hoe hifidy an'i Trump ry zareo.

Siobhan O'Dwyer miaina any Angletera. Niombonany ity fihevitr'ilay Antropolojista,  Sarah Kendzior, ity:

“Brexit eritreretina,saingy miaraka aminà basy ho toy ny fehezan'entana fanampiny” – tonga dia ny voamasony no nopotsirin'i @sarahkendzior.

Mohammed Suliman, Palestiniana mpikatroka ho an'ny zon'olombelona, no mitsara hoe :

i Grande-Bretagne dia avy eo i Amerika. Tsy afaka hihambo ho ambony amin'ny resaka maoraly intsony ny Tandrefana. Tsy afaka ny hanafina ny endriny ao ambadiky ny sarontavan'ny fantontoloana liberaly.

Avy any Belgrade, i Danica Radisic, fakàn-kevitra momba ny fifandraisan'ny orinasa, ary tonian-dahatsoratra fahiny tato amin'ny Global Voices niandraikitra ny tao Eoropa Atsinanana sy Afovoany, no nanao ity fandinihana ity tao amin'ny Facebook [21]:

Ny mahaliana ahy dia izao, ny ankamaroan'ireo olona any amin'ny ilabolantany andrefana no toa mino hoe tranga maningana io fifidianana tao Etazonia io. Toy ny niheveran'izy ireo fa zava-maningana ny Brexit ary zava-tsy nampoizina. Na ny naha-voafidy indray an'i Orban tao Hongria. Na ny fiakaran'ny faniratsiràn'i Duterte ao Filipina. Na ry Vucic sy ireo nasionalista liam-pivoarana miaraka aminy sy ny hery ankavanana ao Serbia..

Tsy resaka vintana ireny ry namako isany. Fa fironana mazava. Indray andro iry aho nibitsika hoe “mitombo ny ideolojian'ny farany havanana ary miparitaka rehefa ilaina ny fanavaozana ara-toekarena sy sosialy, saingy mirona amin'ny fanolorana vahaolana ireo liberaly sy ny hery afovoany.” Tsy hitako samirery izany. Fa efa nisy teo. Nanomboka tamin'ny 1912 niaraka tamin'ny ady tany Balkàna ary niafara tamin'ny fiakaran'i Hitler sy ny Ady Lehibe Faharoa. Ary raha tsy takatrareo izany, dia ianareo no isan'ireo tena mahazo tombontsoa tsy manam-pifandraisana amin'ny maha-olombelona ny olontsotra sy ny ambiny eto amin'izao tontolo izao .

Fotoana vitsy lasa izay, namaky ity lahatsoratr'i Michael Moore ity aho. Tsy dia nahafinaritra ahy loatra ilay rangahy io (eny, adàla be konetaka no fahitàko az), saingy tsy afaka ny tsy hiray hevitra aminy aho rehefa marina ny azy. Ary dia marina ny azy.

Avy any Green Bay hatrany Pittsburgh, izany, ry namako isany, io no ivon'i Angletera – vaky, ketraka, sahirana, ireo fivoahan-tsetroky ny ozinina miparitadritaka etsy eroa miaraka amin'ny fatin'ireo iarahana manaiky ny fiantsoana azy hoe saranga antonony, ireo mpiasa (sy tsy mpiasa) mahia kaozatra sy tezitra, ireo izay nilazàna lainga momba ny ho fiantraikany miabo ateraky ny fanalàna ireo fepetra amin'ny seha-pihariana nataon'i Reagan nefa nilaozan'ireo Demaokraty izay mbola ao anatin'ny resabe tsy hita fiafaràna, saingy raha ny marina dia liana fotsiny amin'ny fanomezana fahafinaretana ho an'ilay mpanoso-kevitra, Goldman Sachs, izay hanao sonia taratasim-bola matevintevina ho azy ireo alohan'ny hialàny ny efitrano. Toy izay nitranga tamin'i Royaume-Uni tamin'ny Brexit no ho tonga eto.”

Ary hitohy ho tonga eto izany. Raha mbola mitoetra lavitry ny sarangan'ny mpiasa (na tsy an'asa) ireo saranga ambony tsy mahavita ny andraikiny, dia tsy hisy afa-tsy ny ratsy no hiseho. Na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana, dia handalo amin'io tsingerim-panadiovana io daholo isika rehetra. Arakaraky ny tsy iraharahiantsika azy, no vao mainka koa izy ho mahatsiravina bebe kokoa.

Rehefa voalaza ny amin'izay… ry akama, ho fahafinaretana tokoa ny hijery ireo taompolo ho avy manaraka eo! Eny e, ho an'ny sasany amintsika. Raha mbola tsy dia voafatotra sy voatery ianao hiaina sy hiasa any amin'ny toerana sasany eto amin'izao tontolo izao.

Raha ny momba ny fiakaran'ny farany havanana tato ho ato, nanontany tena i Daniel Moreno, Meksikàna mpanao gazety ary talen'ny tranokalam-baovao Animal Político [22]  :

Poutine any Rosia
Trump any Etazonia
Rajoy any Espaina
Tonga ny fotoana ho an'i Le Pen any Frnatsa ary Farage any Royaume Uni

Antenaiko ny hananan'i Kanadà toerana ho an'olona 7,5 lavitrisa.

Raha ny tsy fahalavorarian'ireo mpanao fitsapankevitra tamin'ny fijerena mialoha izay ho valin'ny fifidianana, dia hoy ramatoa Zenaida Machado, Mozambikàna mpikatroka ho an'ny zon'olombelona :

Hisy olona hamerina mamorona ny atao hoe Angon-drakitra, Vinavina & Antontanisa, taorian'ny hatezerana nateraky ny Brexit sy ny #USElection2016 [24]. Diso ny kajy rehetra.

Raha ny anjara toeran'ny haino aman-jery Amerikana tamin'ny fifidianana indray, nanana ny azony nambara i Nwachukwu Egbunike avy any Nizeria, mpiara-miasa amin'ny Global Voices :

Amin'ny manaraka. Ireo tatitry ny vaovao. Mampalahelo fa romotra ireo media mahazatra nandritry ny #USelections – ry zareo indray no lasa vaovao.

Raha i Amy Mackinnon indray, mpanao gazety tsy miankina, mpanangona vaovao momba an'i Eoropa afovoany sy atsinanana, nizara ity sary ity avy any Rosia :

Ny sary malaza androany. Olona nanatitra voninkazo teo ivelan'ny biraon'ny Kaonsily Amerikàna tao Maosko, niaraka taminà takelaka kely  ” USA aho”

Mifamaly amin'izay, ilay Shiliana mpanao gazety sady mpanoratra, Pedro Cayuqueo, namarana toy izao ny lahatsorany “Trump, ¿Apocalipsis ahora? [30]” (Trump, Tonga ve ny Apokalipsa ?):

Si decimos creer en la democracia, poco y nada que lamentar. Felicitaciones al vencedor y que sea, en la medida de lo posible, un no tan mal gobierno. Mientras tanto la vida sigue.

Raha manapaka hevitra hitohy hino ny demaokrasia isika, tsy misy intsony tokony halahelovana. Arahabaina ny mpandresy na iza izy na iza, ary raha mbola mety koa, dia enga anie ho governemanta iray tsy ratsy manao ahoana. Mandritra izany, mitohy ihany ny fiainana.

Tohizo ny dia!

Nibitsika i Mark Frost, mpanoratra no sady mpanatontosa sarimihetsika :

Zavadoza ny anio alina. Ndeha hatory. Rahampitso no andro voalohany hisian'ny fanoherana

Nanentana ireo Amerikàna tsy hihetsiketsika i Jameel Jaffer, efa tale lefitra fahiny nisahana ny lafiny lalàna tao amin'ny Sendika Amerikàna ho an'ny Fahalalahana Sivily :

Atsaharo ny fitenenanareo hoe handeha hifindra any Kanadà. Mendrika hoarovana izay azonareo teto.

Nobitsihan'i Willow Brugh, vehivavy mpitolona ho an'ny teknolojia sy ny miralenta, ny hoe :

Manao hetsi-panoherana ny vahoaka, marina sy tsara fanahy amin'ny fomba bitika tsy tambo isaina isanandro. Manaova toy izany koa ankehitriny. Mijoroa ho an'ny hafa. Tiavo ireo tsy mitovy hevitra aminao. 💙

Anas Qtiesh, siriana bilaogera monina any Etazonia, mpandray anjara ihany koa ato amin'ny Global Voices, nanome fampiononana resaka alika ho an'ireo izay mbola mahay mandray hanihany :

Heveriko fa alika be izao no ilainareo rehetra, manomboka izao

Danny O'Brien, tale iraisampirenena ao amin'ny Electronic Frontier Foundation [36], niantso firaisankina ao anatin'ity lahatsoratra Facebook [37] ity :

Kopa-tànana ho anareo namako sy mahery fo manerana ny tany : avy ao Thaïlande, Pakistàna, Hong Kong sy ny tanibe, Rosia,  Venezoelà sy Kiobà, avy any Afovoany -Atsinanana manontolo sy Afrika Avaratra, Maraoka hatrany Bahreïn. Chiranuch Premchaiporn, Nighat Dad, Esra'a Al Shafei [38]Rami Nakhla [39], Alaa, Oiwan Lam [40], Nassir, tsssss, vendrana koa aho hitanisa ny rehetra eto. Kopa-tànana koa ho an'ireo akamako ao amin'ny Brexit, Tom Steinberg sy ny sisa.

Ato amin'ny biraon'ny fondation Electronic Frontier aty San Francisco aho mitety ny endriky ny loza rehetra, miaraka amintsika rehetra amin'izao amin'ny 10 ora alina izao, ary manandrana mampita ireo rehetra hitako nataonareo sy nolazainareo nandritra ireo fotoan-tsarotra mbola ratsy lavitra noho izao.

Mbola hanana fotoana betsaka isika rahampitso mba hametrapetrahana tsara ny antsipirihany, fa izao aloha no tiako hoarovana, raha araka izay eritreretiko no hiseho : eo foana ny asantsika isanandro, miaro / ny rehetra/ manoloana izay mety hitranga eto, isika rehetra sy ny tsirairay manerana ny tany.

Tsy maintsy hila fanampiana isika, ary hainareo tsara ny resaka firaisankina sy traikefa, sy ny fampihomehezana ahy ary ny fijanonana hihevitra ny tsara hatrany, ny manohy na dia anaty fotoana faran'izay sarotra aza. Tsy ny olona rehetra eto akory no hahatakatra ny zavatra mitranga, fa raha mbola hijanona ho izany ry zareo, dia ianareo no HOELINGELENIKO tsy misy farany amin'ireo fanontaniako sy ireo torohevitra angatahako.

Firaisankina, ry izy mianakavy a!. Hanangana isika trano ho an'ny fahalalahana, hoforonintsika ireo fitaovana tena mampitolagaga, hangonintska ny olona dia avy eo HO ENY AMIN'NY PLANETA MARS ISIKA.