Sary: Ny sakafo ratsy tarehy dia faritana ho toy ny sakafo toa tsy manintona na tsy azo ekena ho azo hanina
Ny fanilihana ny sakafo ratsy tarehy dia fandraisana anjara amin'ny fandanindaniam-poana ny sakafo manerana ny tany isaky ny dingana lalovana, manomboka any amin'ny mpamboly ka hatrany amin'ireo toeram-pivarotana.
Ndeha isika hijery mihoatra lavitra noho ny endrika ivelan'ireo sakafo toa tsy tonga lafatra firy ka hanome vintana azy ireny!
Miantso ireo mponina any Singapaoro ny fanentanana iray amin'ny haino aman-jery sosialy mba hanena ny fanariana sakafo amin'ny alalan'ny fividianana sy fampiasana ireo lazaina ho “sakafo ratsy tarehy” — sakafo izay hita ho tsy manintona firy.
Araka ny sampan-draharaha nasionaly misahana ny tontolo iainana, namokatra fakon-tsakafo 788.6 tapitrisa kilao i Singapaoro tamin'ny 2014. Mitovitovy habe amin'ny dobo filomanosana olaimpika 1.500, na mitovy amin'ny sakafo roa lovia isan'olona eo mandritra ny taona.
Mandritra izany fotoana izany, namoaka ny fanadihadiana ny mpanjifa fa 83 isan-jaton'ireo namaly no nilaza hoe voankazo sy legioma izay hita ho mbola vaovao fotsiny ihany no hovidian'izy ireo, raha ny 52 isanjato nilaza fa mety tsy hividy “sakafo ratsy tarehy” toy ny voankazo sy legioma simba, ratsy endrika, na miova loko, ary koa ireo hena efa dimbin'antsy.
Ho an'i Eugène Tay ao amin'ny Zero Waste SG (Fako Aotra), mandray anjara amin'ny olan'ny firenena amin'ny fakon-tsakafo ny fandàvana ny “sakafo ratsy tarehy” :
Nandritra ny fotoana ela, olana ny fanivànana sakafo noho ny endriny ratsy. Sakafo ihany ny sakafo ratsy tarehy, ary be dia be ny harena tafiditra amin'ny fambolena ny sakafo. Raha ariantsika izany satria fotsiny hoe tsy tsara tarehy, dia heveriko fa manary ireny harena ireny isika.
Mba hampitsahivana ny mpanjifa momba ny maha-zava-dehibe ny fampihenana ny fakon-tsakafo, misy fanentanana vaovao izay mandrisika ireo mponina any Singapaoro mba hieritreritra indray ny fahitan'izy ireo ny “sakafo ratsy tarehy”. Nisy mihitsy aza mpahandro sasany nanome fomba fahandro tsotra manazava ny fahandroana “sakafo ratsy tarehy”, toy izay hanary azy.
Nampirisihana koa ireo mpampiasa aterineto mba handefa sarin'ny “sakafo ratsy tarehy” ary hanizingizina fa ilain'izy ireo ny mampihena ny fakon-tsakafo. Ity fanentanana amin'ny haino aman-jery sosialy ity dia mampiasa ny tenifototra #happyplateSG (loviafalifaly) sy #uglyisthenewgood (SakafoVaovaoNyRatsyTarehy)
Ireto ambany ireto ny sasany amin'ny sarin'ireo “sakafo ratsy tarehy” nalain'ireo mponina any Singapaoro.
Tsy voatery ho tsara tarehy ny sakafonareo vao mahavoky sy matsiro. 🙅🏼😋💦 . Ekeo ny faharatsian-tarehy satria #SakafoVaovaoNyRatsyTarehy #UglyIsTheNewGood. Inona no hataoko amin'ireto legioma ireto? Asio menaka oliva kely ary fafazo sira eo amboniny + endaso ao anaty lafaoro mba hahazoana mofo maivana masaka haingana. Taa-daa! 🙋🏼✨ . Andeha hoentintsika eny an-dalana mandritra ny taona iray ny fiarabe an'i Singapaoro mpitahiry ireo sakafo vaovao amin'izay afaka angonin'izy ireo sy zarainy hoan'ny fianakaviana tena sahirana any Singapaoro ny sakafo mora simba nefa mihoatra. #HappyPlateSG . Isaky ny tenifototra 8 (ireo fanafohezan-teny roa miaraka) nozaraina mba hanaitra ny saina amin'ilay raharaha, hanampy ara-bola koa ho an'ny andro iray an'ilay fiarabe mpitatitra sakafo vaovao ny Electrox ! 🚛💨 . Mbola tsy azonao antoka izay tokony hatao? Avereno alefa fotsiny ity sary ity miaraka amin'ny fanondroako lor.
Efa maherin'ny herinandro iray ity voasary makirana ity no tato anaty vata fampangatsiahako ary tsy nieritreritra ny hihinana azy aho satria misy simba sy lavaka eo afovoany. Avy eo nilaza tamiko ny momba ny #happyplatesg ny namako. Araka izany nalaiko ilay voasary makirana ary nanaovako ranomboasary makirana tamin'ny rano mafàna & tantely, ny fatran'ny Vitamina C -ko androany. Mandefasa sarin'ny sakafonao ratsy endrika ary zarao ny fomba ampiasanao ilay sakafo ho an'ny haninao, asio tenifototra #uglyisthenewgood & #happyplatesg. Isaky ny tenifototra 8, hampian'i Electrolux ara-bola andro iray ilay Fiara mpitahiry sakafo mba hanangona sy hizara ireo sakafo mora simba nefa mihoatra ho an'ireo fianakaviana tena sahirana manerana an'i Singapaoro. Eo amin'ny ampahatelon'ny sakafo eto amin'ny planeta no ariana fotsiny, matetika noho ny endriny. Izany anefa ampy hamokisana olona 2 lavitrisa. Koa manomboka anio, andeha tsy hanary hanina intsony isika.
Misy miteny hoe ratsy tarehy (sady simba no tsy misy ilàna azy), izaho mteny hoe sakafo maivana. Raha mora rikoriko ianao, hano ny manodidina ilay simba. Na alefaso ao anaty fitaovana fanapotsirana ilay sakafo ary anaovy ranom-boankazo. Na didio ilay miloko volontany. Mbola tsara ilay voankazo. Aza tia manarinary zavatra. Ary raha manana sakafo “ratsy tarehy” eo an-tànana ianao ary afaka manao zavatra aminy, mandefasa sary ary ampiasao ny tenifototra #UglyIsTheNewGood sy #HappyPlateSG, ary isaky ny tenifototra valo nozaraina, isaorana anie izy ireo – hanampy ara-bola andro iray ny fiara be mpitatitra sakafo vao i Electrolux mba ho azo antoka fa ny Bankin-tsakafo any Singapaoro dia ho afaka hanangona sy hizara ireo sakafo mora simba nefa mihoatra ho any amin'ireo fianakaviana tena mahantra. Hitohy izany hatramin'ny faran'ny volana Novambra!
A photo posted by Tabitha Tan (@tabbytummies) on
A photo posted by Estelle Low (@estellelow) on