Tantara tamin'ny 09 Novambra 2016
Ho an'ireo Iraniana Sasany Manaraka Ny Fifidianana Amerikana, Toa Tahaka Ny “House of Cards” Tokoa ny Demaokrasia
Ho an'ireo Iraniana sasany, voamaloky ny fandrendraham-bahoaka ny fididianana filoham-pirenena Amerikana 2016, toe-javatra efa niainan'izy ireo teo amin'ny tontolo ara-politikan'izy ireo manokana nandritra ny tolona hisian'ny demaokrasia.
Mampiseho Fizarazaran'ny Mponina sy ny Tsy Fahaizana Manoratra sy Mamaky Teny ny Fanisam-bahoaka ao Bosnia sy Herzegovina
Mampiseho ny valin'ny fanisam-bahoaka voalohany tao Bosnia sy Herzegovina (BiH) fa nampiditra lalina ny fahasamihafana ara-poko sy ara-pivavahana ny politika nasionalista naharitra ampolony taona, manamafy ny "tombontsoa" amin'ny fanadiovana ara-poko tamin'ny adin'ny taona 1990s.
Nampirisihana Ny Mponina any Singapaoro Mba “Hanaiky Ny Ratsy Tarehy” Hampihena Ny Fakon-tsakafo
"Raha ariantsika izany satria fotsiny hoe tsy tsara tarehy, dia heveriko fa manary ireny harena ireny isika," hoy ny filazan'ny mpandray anjara amin'ny hetsika vaovao fiarovana ny sakafo ao Singapaoro.