Tànana Mitsotra sy Lolo No Andraisan'ireo Mponin'i Melbourne ireo Siriana Mpitsoaponenana

Welcome to Eltham

Tonga soa eto Eltham – Sary nomen'ny pejy Facebook fanentanana Welcome to Eltham

Miarahaba ny fahatongavan'ireo Siriana mpitsoaponenana vao napetraka ao anatin'ny vondrom-piarahamoniny ireo mponin'i Eltham , tanàna manodidina an'i Melbourne, miaraka aminà “lolo mari-piarahabàna” natao tànana.

Siriana roapolo amby zato no napetraka ao amin'ny ampahan-toerana anatin'ny toeram-pitsaboana iray efa nolazoin'ny taona saingy nasiana fanamboarana. Nàka ny arabe sy ny media sosialy ireo mpanohana azy ireny — efa manana mpitia maherin'ny 7.000 ny pejiny Facebook, Welcome to Eltham.

Noraisin'ilay vondrona ho marika famantarana azy ireo ny lolo, ary noravahany azy ireny ny tanàna mba hanoherana ny fankahalàna manohitra ny fifindràmonina : “Ireo lolonay dia fampahatsiahivana fa na dia fihetsika bitika aza dia mety hisy fiantraikany lavitra/goavana be.”

Mponina iray, mpiantsehatra no sady mpihira i Drew Weston, no namintina ny fihetsehampo :

🌿Androany aho dia bandikelin'i Eltham feno fireharehàna🌿

Ity lahatsary ity no manazava ilay fanentanan-dry zareo- :

Olona manakaiky ny 9.000 koa no nanasonia fanolorantena ho an'ny Action Network mba hanokatra ny sandrin'izy ireo amin'ireo mpitsoaponenana :

Misy 11 tapitrisa ireo Siriana mpitsoaponenana manerana izao tontolo izao. 120 no angatahana fanampiana amin'i Eltham.

Manana toerana isika eto amin'ny tanànantsika sy ao am-pontsika mba hanehoana ny fitserantsika sy ny fahatakarantsika.

Tongava manatevina laharana ny Welcome to Eltham ary manaova fanolorantena androany hiteny hoe : tongasoa ny mpitsoaponenana.

Ireto mpitoaponenana ireo dia ampahany amin'ireo fandraisana manokana Siriana sy Irakiana 12.000 nampanantenain'ny governemanta Aostraliana teo ambany fitarihan'i Tony Abbott tamin'ny 2015, rehefa niharan'ny tsindry avy amin'ny vahoaka.

Nisy ny valiny feno hafanampo avy amin'ireo mponina ao Eltham na nisy aza ny fanoherana sasantsasany. Ny 5 Novambra, nisy famoriambahoaka nanohitra izany, niaraka tamin'ireo mpanohana ny mpitsoaponenana tetsy ankilany nihiaka fandresena tamin'io andro io:

Tsy tambo isaina ireo avy amin'ny farany havanana ao Eltham. Tonga hila ady ry zareo saingy voatsena tamim-pilaminana

Notsinian'ireo avy any ivelany tsy monina ao anatin'ilay faritra ny hetsipanoherana nataon'ireo elatra havanana :

Mety hamerimberina ny voalazako aho: tsy avy ao #Eltham ny ankamaroan'ireo manao hetsika fanoherana, fa avy any Sydney, #Bendigo, #Melton. #antifa #auspol #refugees

Ny Antoko ho an'ny Fahalalahana, mpikarakara ilay famoriambahoaka manohitra ny mpitsoaponenana, dia manazava ao amin'ny pejiny Facebook hoe ny vondron'izy ireo :

dia mandà ny fanamaroana kolontsaina, miaro ny hisian'ny politikam-pifindràmonina miorina amin'ny kolontsaina mifanentana, mandà ny Islamisma amin'ny maha-tsy mifanentana azy io amin'ireny soatoavina ireny, ary manolo-tena ho amin'ny fakàna ny fifehezana ny sisintanin'i Aostralia.

Raha kely indrindra dia misy pejy Facebook iray Not Welcome to Eltham (Tsy Tongasoa eto Eltham). Somary tsy dia mavitrika loatra ilay izy, angamba noho izy manindry mafy loatra ny fanoherany.

Farany, ity lahatsary Welcome to Eltham ity dia manasongadina ireo mponina ao an-toerana mamaky fanehoankevitra avy amin'ireo mpitsipaka izany ao anaty aterineto:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.