Mikasa Hanome Famindrampo Manatantara Ho An'Ireo Maherifom-pirenena Sy Ireo Mpiady Hanafahana Azy I Jamaika

a modern fretwork depiction of the Christmas Rebellion led by National Hero Sam Sharpe at Westgate Shopping Centre in Montego Bay. Commissioned by architect Cosmo Whyte, designed by Margaret Robson and built by Will Robson and the Magic Toy Crew. By Jazzypom (Own work). CC BY 3.0 ], via Wikimedia Commons

Sarisary maoderina mampiseho ny Krisimasy Fikomiana tarihin'ny maherifom-pirenena Sam Sharpe tao amin'ny Tsena Lehiben'i Westgate ao Montego Bay. Avy amin'ilay mpanao maritrano Cosmo Whyte, noforonin'i Margaret Robson ary naorin'i Will Robson sy ny Ekipa  Magic Toy. Sary: Jazzypom (sangan'asany manokana). CC BY 3.0, avy amin'ny Wikimedia Commons

Ny alatsinainy 17 Oktobra no Andron'ny Maherifom-pirenena ao Jamaika. Ny herinandro manaraka izay antsoina hoe Heritage Week (ny herinandrom-bakoka), no be hetsika indrindra ao amin'ny fanisanandro ara-kolontsaina Jamaikana. Tsy nisy ny fiavahana tamin'ity taona ity.

Talohan'ny fotoana, nanambara tao amin'ny parlemanta ny Minisitry ny Kolontsaina, ny Miralenta, ny Fialam-boly ary ny Fanatanjahantena Olivia “Babsy” Grange  fa tokony ho foanana sy amoahana didy famindram-po tamin'ny raharahan-keloka bevava nitranga tamin'ireo fotoana efatra nanamarika ny tantara Jamaikana ireo maherifom-pirenena efatra sy ny mpiady ho amin'ny fahafahana maro nandray anjara tamin'izany :

The Cabinet has approved drafting instructions in respect of legislation which will cause the expungement of the criminal records of notable freedom fighters, national heroes, supporters, sympathizers and participants by association who were involved in the 1760 Chief Tacky’s St. Mary rebellion, the 1831/32 Christmas rebellion, the 1865 Morant Bay rebellion and the 1929 campaign of the People's Political Party.

Nanaiky ny fandrafetana ny torolalana ny Kabinetra noho ny fanajana ny lalàna izay hahatonga ny fanafoanana ny raharahan-keloka bevava an'ireo malazan'ny mpiadin'ny fahafahana, ireo maherifom-pirenena, ireo mpanohana, ireo mpomba sy ireo mpandray anjara tamin'ny fikambanana izay tao anatin'ny fikomian'i Sefo Tacky tamin'ny fikomian'ny Mb.Maria tamin'ny taona 1760, ny fikomiana andro Krismasin'ny taona 1831/32, ny fikomian'ny Helodranon'i Morant tamin'ny taona 1865 ary ny fanentanan'ny Antoko Politikam-Bahoaka tamin'ny taona 1929  .

Manondro ny antoko politika maoderina voalohany tao Jamaika ilay farany izay naorin'i Marcus Mosiah Garvey ary mety ho ilay maherifom-pirenena be mpankafy indrindra teo amin'ireo Jamaikana. Voampanga ho nanao tsinontsinona ny fitsarana tamin'ny Septambra 1929 i Garvey, rehefa avy nanakiana ny rafitra ara-pitsarana tao Jamaika ho “mpangeja”, ary niantso hanaovan-dalàna hanasaziana ireo mpitsara nanao ny tsy rariny. Voaheloka sy voasazy telo volana an-tranomaizina izy sy handoa lamandy 100 livra Sterling.

Nanaraka ity hetsika ity ny ezaky ny fitondrana Holness vao haingana efa tratra aoriana, ho fanohanana ny fanangonan-tsonia tsy nahomby tany amin'ny Trano Fotsy amin'ny hanomezana famindram-po avy amin'ny filoha taorian'ny fahafatesany an'i Garvey noho ny fanamelohana azy tamin'ny taratasy hosoka tamin'ny taona 1923 nandroahana azy avy any Etazonia ho any Jamaika.

Nahafinaritra ny valintenin'ny vahoaka tamin'ny hetsiky ny governemanta. Noresahana tao amin'ny fandaharan’ onjampeo Running African tao amin'ny Irie FM ny lohahevitra. Koa satria mety ho elaela ny dingan'ny mpanao lalàna, dia nangataka ny raharaha atao ho laharam-pahamehana ny mpihaino Jamaikana iray tao amin'ny Facebook .

Tao amin'ny pejy Facebook-n'ny praiminisitra, naneho hevitra ihany koa ireo Jamaikana, toa an'i Jam San:

It's about time! Thank you M. Grange!

Tonga ny fotoana! Misaotra anao Atoa Grange!

Nampiakam-peo ny mpisera Twitter iray fa zava-dehibe ho an'ireo maherifom-pirenena hafa ny mba tsy ho voahilikilika ao amin'ny famindram-po:

#arahabainanyandronymaherifo #Jamaika nanafaka madiodio tamin'ireo Raharaha #helokabevava an'ireo #AndronyMaherifomPirenena azafady #Bogle #Sharp #Gordon #Garvey mpanafaka izy ireo 🇯🇲👊🏾 pic.twitter.com/vtQ0wSYi17

Mpanohana matanjaka ny maherifon'ny firenena hafa antsoina hoe George William Gordon i Paul Bogle, diakona Batista iray monina any ambanivohitr'i Md Thomas (teraka olon'afaka) izy. Tamin'ny taona 1865, nitarika ny diabem-panoherana ho any amin'ny Lapan'ny Fitsarana Morant Bay izy, namoy ny ainy tao nandritra ny fifanandrinana tamin'ny tafiky ny mpanjanatany ny andevo an-jatony. Voasambotra i Bogle ary nahantona taoriana kelin'izay. Nosamborina, noampangaina, ary novonoina noho ny fandraisany anjara tamin'ny fikomiana Morant Bay i Gordon, izay tompon'ny velaran-tany midadasika tao amin'ilay paroasy ihany ary nanao fanentanana ny rariny ho an'ireo Jamaikana noandevozina. Nikarakara ny fikomiana Krismasy tamin'ny taona 1831 i Samuel “Daddy” Sharpe, izay mpitarika Batista ihany koa tao Montego Bay. Noravain'ny miaramila tamin-kerisetra ilay hetsi-panoherana nokasaina hatao tamim-pilaminana, an-jatony maro no maty na novonoina tatỳ aoriana. Nahantona tamin'ny taona 1832 i Sharpe .

Fa ny tena mahaliana, tsy maherifom-pirenena i Sefo Tacky, izay nitarika ny iray tamin'ireo fikomian'ny andevo voalohany indrindra. Ny famindram-po ho azy no mahaliana manokana an'ilay mpikatroka  Derrick “Black X” Robinson, mponina ao Mb Maria, izay nanao fanentanana nandritra ny taona maro ho an'i Tacky mba hahazoany ny sata maha maherifom-pirenena ofisialy azy. Tato anatin'ny taona vitsivitsy izay, nanao fivahiniana masina an-tongotra isan-taona i Robinson izay niala avy any amin'ny tsangambaton'i Tacky any Seranan'i Maria, nankany an-drenivohitra, Kingston, halavirana eo ho eo amin'ny 26 kilaometatra eo. Nanao fitsidihana ofisialy ny mpitarika ny mpanohitra Andrew Holness izy tamin'ny taona 2014.

Taloha kelin'ny nanombohan'ny Herinandrom-bakoka, sahirana nankalaza ny medaly azon'ireo atletan'ny Lalao Olaimpika tany Rio tao amin'ny nosy ny Minisitra Grange sy ny Praiminisitra Holness. Nisioka momba ny sariny nizara vazivazy niaraka tamin'ny mpihazakazaka Asafa Powell sy Usain Bolt i Holness;

# Sub10King @ofisialyasafa sy #olomalaza @usainbolt. Firenena voatahy i Jamaika . pic.twitter.com/C9ue4PU7R0

Maherifo ara-kolontsaina an'i Jamaika ankehitriny ireo fa tsy mpiadin'ny fahafahana, kanefa manandratra ny sainam-pirenena hihofahofa hatrany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.