Liana Kokoa Amin'ny Mpisolovavan'i Melania Trump Ao An-toerana Ireo Slovenina Noho Ny Momba Ny Tantarany

A billboard in Skopje advertising Lisca from Sevnica, the leading lingerie company in the region hailing from Melania Trump's home town. Photo: Global Voices, CC-BY.

Takelaka dokam-barotra ao Skopje, Makedonia ,mampiseho ny Lisca avy ao amin'ny Sevnica, Slovenia, orinasa lohany amin'ny fanamboarana akanjomandrim-behivavy  any amin'ny faritra niavian'i Melania Trump. Sary: Global Voices, CC-BY.

Inona no resahin'ireo Slovenina momba an'i Melania Trump rehefa miresaka momba ilay mpiray tanindrazana aminy nitady ravin'ahitra izy ireo? Raha manao topi-maso kely an-tserasera, tsy liana loatra amin'ny fosafosa mahamenatra momba ny lasany ny olona fa amin'ny fisafidianany mpisolovava Slovenina iray ao an-toerana mba hanampy azy amin'ny fitoriana fanalam-baraka.

Maro ireo sehatra fampitam-baovao iraisampirenena, toy ny CNN, Washington Post sy the Guardian no nitsidika an'i Slovenia mba hamantatra ny momba ny lasan'i Melania Trump manokana rehefa nanomboka ny fampielezan-kevitra filoham-pirenena ny vadiny, ilay mpandraharaha Donald Trump. Tsy nahita izay zavatra notadiaviny anefa izy ireo.

Teraka tamin'ny taona 1970 i Melanija Knavs, nipetraka tao an-tanànan'i Sevnica izy nandritra ny fahazazany  , izay malaza iraisam-pirenena noho ny orinasa fanamboarana akanjomandrim-behivavy marika Lisca. Milaza an'ilay Ramatoa lasa vadin'i Trump ho toy ny ankizy tsotra nipetraka sy lehibe tany Yogoslavia sosialista ny tatitra, izay nanomboka niasa tamin'ny filatroana tamin'izy zatovovavy, ary avy eo nandeha tany ivelany mba hiasa voalohany tao Italia, ary avy eo tany Etazonia.

Niezaka ny hanita-baovao  ny gazety Slovenina iray mpanaitaitra tao an-toerana antsoina hoe Suzy, na izany aza, tamin'ny filazana fa niditra tao amin'ny sampan-draharaha iray fanakaramana tovovavy hiaraka aman'olona izy nandritra ny naha-mpilatro azy. Tsy nahomby tamin'ny fisarihana ny sain'ny fampitam-baovao maro anefa ny tatitra, indrindra fa taorian'ny fitorian'i Melania Trump  tany amin'ny fitsarana Amerikana ilay bilaogera Amerikana Webster Tarpley sy ny gazety Britanika mpanaitaitra The Daily Mail, izay samy namoaka ilay fiampangana, Nanala ny tatitra ny The Daily Mail ary niala tsiny.

Nanomboka nitory ny Suzy sy ireo hafa i Ramatoa Trump  noho ny fanalam-baraka tany Slovenia tamin'ny volana Septambra.

Toa nahaliana ireo mpiseran'ny media sosialy any Slovenia ny nisafidianan'i Melania Trump an'ilay mpisolovava Slovenina. Nisafidy ilay  kaomisera mpanao fanadihadiana teo aloha Nataša Pirc Musar, izay malaza ho tompon-dakan'ny fahamarinana sy ny demokrasia, i Melania Trump.

Nanaitra ny tontolo liberaly ny fiaraha-miasany ara-barotra miaraka amin-dry Trumps, kanefa noho ny laza ratsin'ireo voampanga, dia nisy ny sasany nilaza fa azo heverina mifanaraka amin'ny asany teo aloha ny asan'i Pirc Musar amin'ny fiatrehana ny fanitaram-baovao tsy marina. “Afaka milaza ianao fa nanao zavatra tsara ho amin'ny fiovana i Trump” hoy ny fihetseham-pon'ny maro namintina  tao amin'ny media sosialy Slovenina.

Mavitrika misera ao amin'ny Twitter i Pirc Musar, ary mampahafantatra tsy tapaka ireo mpanjohy azy momba ny asany ho an'i Melania Trump izy.

Manomana ny valintenin'i Melania Trump momba ny lahatsoratra diso nataon'i Bojan Požar izahay.

Nahitana tehaka sy fampaherezana mba “hamelezana azy mafy” amin'ny lamandy ny valintenin'ny sioka etsy ambony amin'ny fanomanana ny fehinteny ara-pitsarana tamin'ny fiampangana an'i Bojan Požar, izay mpamoaka vaovao mpitsikera ao amin'ny fahitalavitra sady bilaogera ary anisan'ireo izay notorian'i Melania Trump.

Tsy dia nalaza loatra tany amin'ny tany nahaterahany ao Slovenia izay nilaozany tamin'ny taona 1996 rehefa nifindra tany Etazonia i Melania Trump talohan'ny nanambadiany an'i Donald Trump sy ny fanentanana ho filoham-pirenena .

Nisongadina iraisampirenena mihitsy aza i Donald Trump tany amin'ny firenena Yogoslavy teo aloha noho ny fisehoany niserana tamin'ny sarimihetsika Hollywood sy tao amin'ny tantara mitohy tao amin'ny fahitalavitra, kanefa tsy tena nalaza be tao amin'ny faritra izy raha tsy taorian'ny taona 2004, tamin'ny alalan'ny fandaharana “The Apprentice.” tao amin'ny fahitalavitra .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.