Tokony Tsy Hanafina Ny Tsy Fahazoany Fahafinaretana Mandritra Ny Firaisana Ara-nofo Ny Vehivavy Hoy Ilay Rosiana ‘Mpiaro Ny Ara-nofo’

Elena Rydkina. Photo: Instagram

Elena Rydkina. Sary: Instagram

Miezaka manomboka flashmob vaovao an-tserasera natao hampahafantarana ny tolon'ny vehivavy manana sakaiza mpiray ara-nofo tsy miraharaha sy tsy te hahalala ny mpikatroka iray ao Rosia. Natsangana tamin'ny tenirohy #честныйоргазм (#OrgasmaMadio”), ny fanentanana vaovao natombok'ilay “mpiaro ny ara-nofo” Elena Rydkina dia mandrisika ny vehivavy mba hizara ny tantaram-piainan'izy ireo momba ny fotoana mody nahatongavan'ny tampom-pahafinaretana mba hanome fahafaham-po ny sakaizany tsy nahavita nanome fahafinaretana azy ireo noho ny tsirambina na tsy firaharahiana.

“Araka ny antontan'isa, eo amin'ny 70 isanjaton'ny vehivavy no tsy mahazo tampom-pahafinaretana mandritra ny firaisana ara-nofo,” hoy i Rydkina nanoratra tao amin'ny Facebook tamin'ny 3 Novambra, milaza fa vehivavy iray ao anatin'ny telo no “mahazo ny loteria biolojika (tsara vintana).”

Milaza i Rydkina, 25 taona, fa nandritra ny fito taona izy no niaina tampom-pahafinaretana tsy tena izy, mandra-pahafantarany fa “tsy nanome fandrisihana ahy mba hianatra hahafantatra izay tena ankafiziko ny mody tonga, ary tsy nahafahako nanome fahafahana ho an'ny sakaizako hanao izay haha afa-po ahy.” “Mamadika ny dingana rehetra ho any amin'ny fihatsarambelatsihy mampijaly sy mora vidy, “hoy izy nanoratra tao amin'ny Facebook.

Tamin'ny volana Jolay, niparitaka manerana ny media sosialy ao Okraina sy Rosia ny tenirohy hafa amin'ny fanentanana. Amin'ny hetsika #IAmNotAfraidToSayIt movement (hetsika tsy matahotra milaza izany aho) [mg] nizara ny tantaran'izy ireo manokana momba ny fanorisorenana ara-nofo, ny herisetra ara-nofo, sy ny herisetra an-tokantrano ny mpiserasera aterineto. Niteraka fanambarana manokana sahisahy sy be herim-po avy amin'ireo vehivavy sy lehilahy sasany ny flashmob, manampy hampivandravandra ny herisetra ara-nofo eo amin'ny fiarahamonina Okrainiana sy Rosiana. Nitarika fanambarana mampiady hevitra vitsivitsy manohitra ireo mpikatroka ara-politika malaza ihany koa ny hetsika, miaraka amin'ny fanakianana mahery vaika vitsivitsy.

Hatreto, folo ora taty aoriana, toa tsy dia nahasarika mpiserasera ny #HonestOrgasm. Mahazo “ekeko” maherin'ny 200 ny lahatsoratra Facebook-n'i Rydkina, na izany aza, azo antoka fa nampian'ny lahatsary fohy nipaingotra taminy, mampiseho azy miboridana eo ambony fandriana, manetsiketsika sy mitazona sora-baventy mivaky hoe “# честныйоргазм.” (Efa nisy nijery in-4000 ny lahatsary.)

Lahatsary nalefan'i Elena Rydkina (@purerydkina) tamin'ny 3

Araka ny fikarohana tao amin'ny Facebook, mpiserasera roa hafa ihany no nitantara an-tsitrapo ny tantaran'izy ireo manokana tamin'ny fampiasana ny tenirohy, na dia nilaza aza i Rydkina fa ekena ihany koa ny fandefasana tsy mitonona anarana, izay efa natombony nozaraina tao amin'ny pejy Facebook-ny manokana.

Araka ny tafatafa niarahana tamin'ny tranonkala Sluttygirlproblems.com tamin'ny fiandohan'ity taona ity, niala tamin'ny asa “biotech” i Elena Rydkina mba ho lasa mpanentana ho an'ny fampiharana finday antsoina hoe “Pure,” fampiharana ifanaovana fotoana amin'ny alalan'ny famandrihana (fisoratana anarana) ihany ary mampiaraka ny Tinder sy ny Snapchat.

Nilaza i Rydkina fa mikendry amin'ny ampahany betsaka mba hihoatra ilay “fanalam-baraka ho mpivaro-tena” ny asany ao amin'ny Pure sy ny fikatrohany ara-tsosialy. Lehibe tao an-tanàna kely iray ao Siberia izy ary nilazafa niharan'ny fanilikilihana tao an-tanindrazany noho izy miraiki-pitia amin'olona maro, na dia teo aza ny ezaka nataony tamin'izany fotoana izany mba hiaina amin'ny fitiavana olo-tokana, hoy izy.

Mpiara-manorina ny “Sexprosvet” ihany koa i Rydkina. Araka ny filazan'ny tranonkalan'ny tetikasa, sehatra ho an'ny resaka ara-tsiansa malaza momba ny lahy sy vavy, ny firaisana ara-nofo, ary ny erôtika ny Sexprosvet.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.